Mpitsara
Toko faha-17
1 Tao amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima dia nisy lehilahy natao hoe Mika.2 Indray andro dia hoy izy tamin'ny reniny: Tsaroanao moa fony nisy naka ny volanao sekela volafotsy 1100, ka nanaovanao ozona izay reko tokoa ny nanononanao azy? Ao amiko io vola io, ary izaho ihany no naka azy. Dia hoy ny reniny taminy: Hotahin'ny TOMPO anie ianao, anaka!
3 Dia naverin'i Mika tamin'ny reniny ny vola sekela 1100; fa hoy kosa ny reniny taminy: Efa natokako mihitsy ho an'ny TOMPO ireo vola ireo ka hankinina aminao, anaka, mba hanamboarana sampy atao sarivongana metaly narendrika. Indro ary averiko aminao izy izao.
4 Kanjo naverin'i Mika tamin'ny reniny indray ireo. Ary nakan-dreniny sekela roanjato izany, ka nomeny ny mpandrendrika. Dia nanamboatra sampy atao sarivongana metaly narendrika io; ary napetraka tao an-tranon'i Mika izany.
5 Fa ity lehilahy atao hoe Mika ity dia nanana toeram-pivavahana iray sady efa nampamboatra koa efoda mbamin'ny terafima; ary ny zanany lahy anankiray no natokany ho mpisorona.
6 Tamin'izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.
7 Nisy zatovo levita anankiray nivahiny tao Betlehema any Joda, tanana anisan'ny fokon'i Joda.
8 Niala tao Betlehema izy mba hivahiny any amin'izay azony hitoerana. Raha mbola nandeha izy, dia tonga tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima ka tafapaka teo amin'ny tranon'i Mika.
9 Dia nanontany azy i Mika hoe: Avy aiza moa ianao? Ka novaliany hoe: Levita avy any Betlehema any Joda aho, fa mandeha hivahiny any amin'izay azoko hitoerana.
10 Dia hoy i Mika taminy: Mijanona eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin'ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,
11 ary nanaiky hitoetra tao amin'i Mika izay nitondra azy toy ny zanany lahy.
12 Ary natokan'i Mika ilay levita ka tonga mpisorony ary nipetraka teo aminy.
13 Dia hoy i Mika anakampo hoe: Azoko antoka izao fa hanisy soa ahy ny TOMPO, satria ity levita ity no efa tonga mpisoroko.