Mpitsara
Toko voalohany
1 Taorian'ny nahafatesan'i Josoa dia nanontany ny TOMPO ny Israelita hoe: Iza amin'ny fokonay no tokony handeha voalohany hanafika ny Kanahanita?2 Dia namaly azy ny TOMPO hoe: Ny vatan-dehilahy amin'ny fokon'i Joda, fa hatolotro azy ny tany.
3 Dia hoy ny vatan-dehilahin'i Joda tamin'ny taranak'i Simehona rahalahin'i Joda hoe: Andeha hiaraka aminay haka ny faritany natokana ho anay, ka hiarahantsika manafika ny Kanahanita; avy eo dia haka ny faritaninareo miaraka aminareo koa izahay. Dia nikambana tamin'ny vatan-dehilahin'i Joda ny olona tao amin'ny fokon'i Simehona,
4 ka niara-nanafika izy roa tonta. Dia natolotry ny TOMPO azy ny Kanahanita sy ny Perizita, ka nahafatesany vatan-dehilahy andiany folo tao Bezeka.
5 Hitany tao Bezeka ny mpanjaka Adony-Bezeka ka notafihiny, ary resiny ny Kanahanita sy ny Perizita.
6 Vaky nandositra i Adony-Bezeka saingy nenjehin'ireo ka tratrany, dia notapahiny ny ankiben-tanany sy ny ankiben-tongony.
7 Ary hoy i Adony-Bezeka hoe: Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin'Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adony-Bezeka ary maty tany.
8 Dia nanafika an'i Jerosalema ny vatan-dehilahin'i Joda ka nahazo azy; ary novonoiny tamin'ny sabatra ny mponina sady nodorany ny tanana.
9 Taorian'izany, dia nidina ireo hiady tamin'ny Kanahanita izay nonina teny an-kavoana sy tany amin'ny faritra atsimo ary tany amin'ny lemak'i Sefela.
10 Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrona, izay nantsoina hoe Kiriata-Arba tamin'izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik'i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay.
11 Avy tao Hebrona izy no nandeha namely ny mponina tao Debira izay nantsoina hoe Kiriata-Sefera tamin'izany fotoana izany.
12 Dia hoy i Kaleba hoe: Izay mandresy an'i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Haksa zanako vavy ho vadiny.
13 Ary i Hotniela, zanakalahin'i Kenaza izay zandrin'i Kaleba, no nahazo ny tanana; koa nomen'i Kaleba azy i Haksa zanany vavy ho vadiny.
14 Rehefa tonga teo anilan'i Hotniela razazavavy, dia notoroany hevitra mba hangataka saha amin'ny rainy. Vao nidina niala tamin'ny borikiny kosa i Haksa, dia nanontanian'i Kaleba ny amin'izay ilainy;
15 ka izao no navaliny azy: Mba anaovy fanomezana aho! Tany ngazana any atsimo no natolotrao ahy, ka mba omeo loharano aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano any ambony sy ny loharano aty ambany.
16 Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin'i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanana be rofia. Niainga niaraka tamin'ny vatan-dehilahin'i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin'ny taniefitr'i Joda tao atsimon'i Harada ary niara-nonina tamin'ny Hamalekita. 17 Ary ny vatan-dehilahin'i Joda dia mbola nandeha nanafika niaraka tamin'ny taranak'i Simehona rahalahin'i Joda ihany ka nandresy ny Kanahanita nonina tao Tsefata. Noravany tanteraka io tanana io, ka nanomboka hatreo ny anaran'ny tanana dia nataony hoe Horma na Faharavana.
18 Avy eo dia nalain'ny olon'i Joda koa ny tanana Gaza sy Askelona ary Hekrona mbamin'ireo faritra manodidina azy avy.
19 Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon'i Joda tamin'izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin'ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.
20 Dia nomena an'i Kaleba i Hebrona araka izay efa nolazain'i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin'i Hebrona dia noroahin'i Kaleba hiala tao.
21 Fa ny Jebosita izay nonina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan'ny taranak'i Benjamina, ka mbola miara-nonina amin'ny taranak'i Benjamina ao Jerosalema mandraka androany.
22 Ny taranak'i Efraima sy i Manase zanakalahin'i Josefa kosa dia niakatra nanafika an'i Betela ary nomban'ny TOMPO.
23 Nandefa iraka izy aloha mba hijery ny tanana, izay nantsoina hoe Lozy tamin'izany fotoana izany.
24 Dia nahita lehilahy iray nivoaka avy tao an-tanana ireto iraka, ka niteny taminy hoe: Atoroy anay ny fomba hidiranay ao an-tanana, dia hamindra fo aminao izahay.
25 Dia natoron-dralehilahy azy ny fomba hidirany ao an-tanana. Koa naringan'ireo tamin'ny sabatra ny mponina tao an-tanana, fa ilay lehilahy sy ny fianakaviany manontolo kosa navelany handeha.
26 Dia nankany amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy ka nanorina tanana anankiray nantsoiny hoe Lozy; ka mbola izany ihany no anarana entiny mandraka androany.
27 Ary ny taranak'i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seana sy Tahenaka na ny tao Dora sy Jiblehama ary Megidao na tamin'ireo tanana madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin'izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.
28 Ary na dia efa natanjaka aza i Israely taty aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.
29 Ny taranak'i Efraima ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon'ny Efraimita ireo Kanahanita tao Gezera.
30 Ny taranak'i Zebolona dia tsy naharoaka ireo mponina tao Kitrona na ny tao Nahalola; ka nipetraka teo anivon'ny Zebolonita ireo Kanahanita ireo saingy nampanompoiny.
31 Ny taranak'i Asera dia tsy naharoaka ny mponina tao Hakao sy Tsidona na ny tao Mehaleba sy Akziba na ny tao Helba sy Afika ary Rehoba.
32 Koa nipetraka teo anivon'ny Kanahanita izay nonina teo amin'ny tany ireo Aserita satria tsy naharoaka azy.
33 Ny taranak'i Naftaly dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Semesy sy Bety-Hanata; ka nonina teo anivon'ny Kanahanita izay nipetraka tao ireo Naftalita saingy nampanompo azy.
34 Ny Amorita kosa dia naharesy tosika ny taranak'i Dana teny amin'ny faritany be tendrombohitra ka tsy namela azy hidina teny amin'ny tany lemaka.
35 Nanohy nipetraka tao Hara-Heresa sy Aialona ary Sahalbima ny Amorita; kanjo tato aoriana dia nanjakan'ny taranak'i Efraima sy i Manase izy, ka voatery nanompo azy.
36 Ny faritanin'ny Edomita kosa miainga eo amin'ny fiakarana Hakrabima, dia eo amin'ny harambato no ho miakatra.