Mpitsara
Toko faha-16
1 Dia nankany Gaza i Samsona ka nahita mpivarotena iray tao, ary niditra tao aminy mba handry.2 Fantatry ny mponina fa tonga tao i Samsona; dia nanao fiambenana tokoa ny Gazita sady nitily azy teo am-bavahadin'ny tanana nandritra ny alina manontolo. Saingy tsy niraika izy ireo tamin'io alina manontolo io fa nanao anakampo hoe: Aoka handrasantsika hazava ny maraina, vao hovonointsika izy!
3 Dia natory tsara i Samsona ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan'ny vavahadin'ny tanana mbamin'ny tolana roa ary nongotany niaraka tamin'ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon'ny tendrombohitra manoloana ny tanana Hebrona.
4 Taorian'izany i Samsona dia raiki-pitia tamin'ny vehivavy atao hoe Delila izay nonina tao amin'ny lohasaha Soreka.
5 Ary niakatra hankany amin'ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ka nanao taminy hoe: Langolangoy i Samsona mba hampahalala anao izay iavian'ny heriny lehibe sy ny fomba hahazoanay mandresy azy, dia hafatotray izy ka hofolahinay. Ary samy hanome anao vola sekela 1100 avy izahay.
6 Dia nanontany an'i Samsona tokoa i Delila ka nanao hoe: Etsy ange ianao e, mba lazao ahy re izay iavian'izao herinao lehibe izao. Ary fomba ahoana no tokony hamatorana anao mba hahafolaka anao?
7 Dia namaly azy i Samsona hoe: Raha tady vaovao fito tsy mbola maina no amatorana ahy, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.
8 Dia nitondran'ireo mpanjaka filistinina tady vaovao fito tsy mbola maina i Delila ka nentiny namatorana an'i Samsona ireny.
9 Ary nisy lehilahy efa nafenin-dravehivavy tao an'efitranony. Dia nikiaka tampoka i Delila ka nanao hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia notapatapahin'i Samsona ireo tady ka maito tahaka ny tady rongony main'ny afo; ary tsy fantatra izay tsiambaratelon'ny heriny.
10 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona: Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao.
11 Ka hoy ny navaliny azy: Raha tady mahazaka vaovao tsy mbola nampiasaina no amatorana ahy, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.
12 Dia nalain'i Delila ny tady mahazaka vaovao ka namatorany azy, dia nihiaka mafy izy hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Efa nisy olona nafenin-dravehivavy indray manko tao an'efitrano. Kinanjo notapatapahin'i Samsona hiala amin'ny sandriny ireo tady mahazaka ireo ka maito tahaka ny tady taretra.
13 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona: Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: Raha tenominao hikambana amin'ny tenan-tenona ny randrana fito amin'ny volon-dohako ka aompanao amin'ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.
14 Dia nampatorin'i Delila i Samsona ka notenominy hikambana amin'ny tenan-tenona ny randrana fito tamin'ny volon-dohany ary naompany tamin'ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsona ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona.
15 Ary hoy i Delila taminy: Ahoana no ilazanao fa tia ahy ianao, kanefa ianao tsy matoky ahy akory? Indro efa intelo izao ianao no namitaka ahy ka tsy mbola nampahalala ahy ihany izay iavian'ny herinao lehibe.
16 Ary rehefa nanao lemozy toy izany isan'andro ilay ramatoa ka nahasosotra azy, dia tofoka loatra i Samsona;
17 ary nanambara tamin'i Delila ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony izy ka nanao hoe: Tsy mbola nokasihin-kareza mihitsy ny volon-dohako, fa natokana ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho. Koa raha tapahina ny volon-dohako, dia hanjary osa tahaka ny olon-tsotra rehetra aho.
18 Takatr'i Delila tamin'izay fa nambaran'i Samsona azy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony, koa nandefa iraka izy hiantso ireo mpanjaka filistinina sy hilaza aminy hoe: Tongava amin'izay ianareo amin'ity indray mandeha ity, fa efa nambaran'i Samsona ahy ny tsiambaratelo rehetra tao am-pony. Dia nankany amin'ilay vehivavy ireo mpanjaka filistinina ary nanome azy ny vola.
19 Nampatorin'i Delila teo am-pofoany i Samsona ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin'ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsona satria niala taminy tokoa ny heriny.
20 Ary nihiaka mafy i Delila hoe: Ry Samsona a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsona ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.
21 Kinanjo nosamborin'ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gaza izy ary nafatony tamin'ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.
22 Kanefa dia nanomboka naniry indray ireo volon-dohany taorian'ny nanetezana azy.
23 Indray andro dia nivory ireo mpanjaka filistinina mba hankalaza ny fandreseny sy hanao sorona lehibe ho an'i Dagona andriamaniny. Fa hoy izy hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika ho eo an-tanantsika i Samsona fahavalontsika.
24 Ary nony efa diboky ny hafaliana izy ireo, dia nitaky ny hampakana an'i Samsona mba hanao fanalana hamohamo azy. Dia nalaina tany an-tranomaizina i Samsona ka nanao fanalana hamohamo azy; avy eo dia natsangana teo anelanelan'ny andrin'ny tempoly izy. Ary rehefa nahita an'i Samsona ny olona, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika ho eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny firenentsika sy nandripaka olona maro tamintsika.
26 Tamin'izay i Samsona dia nangataka tamin'ilay zatovo nitantana azy hoe: Tariho kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny tempoly mba hiankinako aminy.
27 Ny tempoly anefa tamin'izay dia feno lehilahy sy vehivavy ary tao koa ny mpanjaka filistinina rehetra; ankoatra izany, teo an-tampontrano dia nisy olona tokony ho telo arivo, izay nijery an'i Samsona nanao fanalana hamohamo.
28 Koa niantso ny TOMPO i Samsona nanao hoe: Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra o, na dia amin'izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin'ny voamasoko roa.
29 Dia notsapatsapain'i Samsona ireo andry roa afovoany izay nanohana ny tempoly; ka ny anankiray niankinan'ny tanany havanana, ary ny anankiray niankinan'ny tanany havia.
30 Dia nihiaka i Samsona hoe: Aoka aho ho faty miaraka amin'ny Filistinina! Dia naronjiny mafy ny andry ka nianjeran'ny tempoly ireo mpanjaka sy izay rehetra tao. Koa betsaka lavitra ny olona matiny tamin'ny fahafatesany noho izay matiny tamin'ny androm-piainany.
31 Ary nidina ireo rahalahin'i Samsona sy ny fianakavian-drainy mba haka ny fatiny. Dia nentiny niakatra izy ka naleviny tao am-pasan'i Manoa rainy, teo anelanelan'i Tsoreha sy i Estaola. I Samsona no nitondra ny Israelita nandritra ny roapolo taona.