Mpitsara

Toko faha-7

1 Vao maraina be i Gidehona, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin'ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin'i Haina-Haroda. Ny tobin'ny Midianita kosa dia tery avaratra, teo amin'ny lemaka anilan'ny havoana More.

2 Dia hoy ny TOMPO tamin'i Gidehona: Maro loatra ny tafika miaraka aminao ka tsy hatolotro eo an-tanany ny Midianita, fandrao hirehareha amiko ny Israelita ka hanao hoe: Ny herinay ihany no namonjy anay.

3 Koa izao ankehitriny izao dia ambarao eo anatrehan'ny io tafika io hoe: Aoka izay rehetra mangovitra noho ny tahotra mba hody any an-tranony! Dia nanaovan'i Gidehona fifantenana ny tafiny; ka andiany roapolo tamin'ireo no niverina nody fa andiany folo sisa nijanona.

4 Nefa hoy indray ny TOMPO tamin'i Gidehona: Mbola marobe ihany io tafika io, koa ampidino ho eo amoron-drano izy fa eo no hifantenako ho anao. Holazaiko aminao tsirairay izay tokony handeha hiaraka aminao sy izay tsy tokony handeha.

5 Dia nampidinin'i Gidehona hankeo amoron-drano ny tafiny; ary hoy ny TOMPO taminy: Izay rehetra milelaka ny rano amin'ny lelany toy ny fanaon'ny alika, dia avaho amin'ireo rehetra mandohalika hisotro kosa.

6 Dia nisy telonjato ny lehilahy nandraoka rano tamin'ny tanany ho amin'ny vavany ka nilelaka azy, fa ny sisa rehetra kosa nandohalika hisotro.

7 Ary hoy ny TOMPO tamin'i Gidehona: Ireo telonjato lahy izay nilelaka rano ireo no hamonjeko ny Israelita ka hanolorako ny Midianita eo an-tananao. Ary ny amin'ireo sisa kosa dia aoka samy hody any amin'ny fonenany avy izy!

8 Koa telonjato lahy ihany no notazonin'i Gidehona hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin'ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran'ireo nandeha. Ny tobin'ny Midianita dia tery ambany kokoa tao amin'ny lemaka.

9 Tamin'io alina io dia hoy ny TOMPO tamin'i Gidehona: Mitsangana ka midina ao an-tobin'ny Midianita, fa efa natolotro eo an-tananao io.

10 Kanefa raha matahotra ny hanafika ny toby ianao, dia ento midina miaraka aminao aloha i Pora mpanomponao.

11 Ho renao any izay ambaran'ny olona, dia hanana herimpo hanafika ianao. Dia nidina niaraka tamin'i Pora mpanompony i Gidehona hatreo amin'ny mpiambina lohalaharana eo amin'ny toby.

12 Ary ny Midianita sy ny Hamalekita ary ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia niparitaka teny amin'ny lemaka fa marobe tahaka ny valala; ny ramevany dia tsy hita isa fa tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina.

13 Ary fony tonga teo amin'ny toby i Gidehona, dia nisy lehilahy iray nitantara ny nofiny tamin'ny namany hoe: Nanonofy aho, ka hitako fa nisy mofo orza iray nikodiadia namaky ny tobintsika Midianita; nahavoadona tranolay anankiray izany ka nampiongana azy hivadika ambony ambany.

14 Fa namaly azy ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa no asehon'izany fa ny sabatr'i Gidehona, ilay Israelita zanakalahin'i Joasy. Efa natolotr'Andriamanitra eo an-tanany isika miaraka amin'ny toby manontolo.

15 Rehefa avy nandre ny fitantarana ny nofy sy ny heviny teo i Gidehona, dia niankohoka hisaotra an'Andriamanitra. Ary niverina tany amin'ny tobin'ny Israelita izy ka niantso hoe: Mitsangana ianareo fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny tobin'ny Midianita.

16 Nozarain'i Gidehona ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.

17 Dia nanome baiko ireo izy hoe: Mijere ahy ianareo, ka izay ataoko no ataovy raha vao tonga eo an-tsisin'ny toby aho.

18 Raha mitsoka trompetra ny tenako sy ny olona miaraka amiko, dia mba mitsofa trompetra manodidina ny toby koa ka miantsoantsoa hoe: Ho an'ny TOMPO sy ho an'i Gidehona!

19 Ary nony efa madiva hisasaka ny alina, dia tonga teo an-tsisin'ny toby i Gidehona sy ny antokon'olona niaraka taminy. Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin'izay. Nitsoka trompetra ry i Gidehona sady namaky ny siny nentiny.

20 Dia nanao toy izany koa ireo antokony roa hafa. Samy nihazona ny fanilo tamin'ny tanany havia izy rehetra ary nitana ny trompetra tamin'ny tanany havanana hitsofany azy; dia niantsoantso izy hoe: Tafiho amin'izay, ho an'ny TOMPO sy ho an'i Gidehona!

21 Samy nijoro teo amin'ny toerany manodidina ny toby avy izy rehetra. Fa tao anatin'ny toby kosa dia nihazakazaka ny miaramila rehetra sady niantsoantso sy nandositra.

22 Ary raha nitsoka trompetra ireo telonjato lahy, dia nampifamonoan'ny TOMPO tamin'ny sabatra ny samy Midianita eran'ny toby manontolo. Ary izay sisa tsy maty dia nandositra hatrany Bety-Sita, an-dalana ho any Tsereda, sy hatrany an-tsisin'i Abela-Mehola, akaikin'i Tabata.

23 Dia novorina ny vatan-dehilahy israelita avy amin'ny foko naftalita sy aserita ary koa avy amin'ny foko manasita manontolo ka nanenjika ny Midianita.

24 Ary nandefa iraka nankany amin'ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraima i Gidehona hilaza hoe: Midina ianareo hisakana ny Midianita ka mialoha azy hibahana ny toerana fitana ny ony Jordana hatrany Bety-Bara. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraimita ka nidina nibahana ny toerana fitana ny ony Jordana hatrany Bety-Bara.

25 Nosamboriny ireo lehibe midianita roa lahy, dia i Horeba sy i Zeeba, ka i Horeba novonoiny tao amin'ny vatolampin'i Horeba ary i Zeeba kosa novonoiny tao amin'ny famiazam-boalobok'i Zeeba. Avy eo dia mbola nanenjika ny Midianita ihany izy. Ary ny lohan'i Horeba sy i Zeeba dia avy teny atsinanan'i Jordana no nentiny tany amin'i Gidehona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0607