Mpitsara
Toko faha-9
1 I Abimeleka, zanakalahin'i Jerobahala na Gidehona, dia nankany Sekema mba hifandinika tamin'ny anadahin-dreniny sy izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny ka nanao taminy hoe:2 Mba anontanio ny mponina rehetra eto Sekema ange izay mety aminy kokoa na ny hofehezin'ny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala, na ny hofehezin'ny olona iray ihany. Ary tsarovy fa izaho dia isan'ny fianakavianareo.
3 Dia lasa ireto anadahin-drenin'i Abimeleka namerina izany teny rehetra izany tamin'ireo mponin'i Sekema. Koa nanapa-kevitra ireo fa homba an'i Abimeleka satria havany ihany izy.
4 Ary nanome sekela volafotsy fitopolo avy tao amin'ny rakitry ny tempolin'i Bahala-Berita ho an'i Abimeleka izy. Izany vola izany no hividianan'i Abimeleka ireo olom-poana sy marivo salosana hanaraka azy.
5 Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hofra i Abimeleka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jotama, ilay kely indrindra tamin'ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.
6 Dia nivory avokoa ny mponin'i Sekema sy ny olona rehetra tao Bety-Milao ka nankeo amin'ny terebinta tao Sekema, teo anilan'ny tsangambato, mba hanangana an'i Abimeleka ho mpanjakany.
7 Notantaraina tamin'i Jotama izany. Koa lasa izy nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, dia nanandra-peo ka niantso mafy hoe: Mihainoa ahy ianareo mponin'i Sekema, dia mba hihaino anareo koa Andriamanitra!
8 Indray andro dia nanapa-kevitra ny hazo fa hifidy mpanjaka ho azy, ka niteny tamin'ny hazo oliva hoe: 'Manjaka aminay ianao!'
9 Fa namaly azy ny hazo oliva hoe: 'Dia holaviko ve ny hamokatra diloilo izay anomezam-boninahitra ny andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'
10 Ary hoy koa ireo hazo tamin'ny aviavy: 'Andao ianao hanjaka aminay.'
11 Fa namaly azy ny aviavy hoe: 'Dia holaviko ve ny hanome voa mamy sy matsiro, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'
12 Ary hoy koa ireo hazo tamin'ny voaloboka: 'Andao ianao hanjaka aminay.'
13 Fa namaly azy ny voaloboka hoe: 'Dia holaviko ve ny hamokatra divay izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin'ny hazo hafa aho?'
14 Farany, dia ny kirihitra tsilo no nitenenan'ny hazo rehetra hoe: 'Andao ianao hanjaka aminay.'
15 Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: 'Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin'ny tsiloko ka handoro hatramin'ny hazo sederan'i Libano aza!'
16 Dia hoy ihany i Jotama hoe: Ankehitriny ary, moa rariny sy hitsiny ve ny nataonareo fony nampanjaka an'i Abimeleka ianareo? Mety ve ny nataonareo tamin'i Jerobahala sy ny ankohonany? Araka ny soa vitany taminareo ve no navalinareo azy?
17 Fa niady ho anareo ny raiko ka nanao vy very ny ainy mba hanafaka anareo tamin'ny Midianita;
18 nefa androany dia nikomianareo ny ankohonany. Novonoinareo ny zanany fitopolo lahy teo ambony vatolampy iray ihany; ary nampanjakainareo tamin'ny mponin'i Sekema i Abimeleka zanakalahin'ny mpanompovaviny, satria havanareo izy.
19 Koa raha tahiny rariny sy hitsiny ny nataonareo tamin'i Jerobahala sy ny ankohonany androany, dia hifalianareo anie i Abimeleka ary hifaliany anie ianareo!
20 Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin'i Abimeleka ka handoro anareo mponin'i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an'i Abimeleka!
21 Taorian'izay dia nitsoaka nandositra nankany Beera i Jotama ary nitoetra tany mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
22 Nifehy an'i Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka.
23 Taorian'izany, dia nisy fanahy mampikorontana nalefan'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka sy tamin'ny mponin'i Sekema ka nikomy tamin'i Abimeleka ireo Sekemita.
24 Izany no ho valin'ny herisetra nataon'i Abimeleka tamin'ny fitopolo lahy zanak'i Jerobahala sy ho todin'ny ran'ny rahalahiny izay novonoiny, sady hamaliana ireo mponin'i Sekema izay niara-nitsikombakomba taminy.
25 Mba hamelezana an'i Abimeleka, dia nisy mpisakan-dalana napetraky ny Sekemita teo an-tampon-kavoana akaikin'ny tanana ka izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany, dia norobainy avokoa. Koa nampandrenesina izany i Abimeleka.
26 Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin'i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin'i Sekema.
27 Nandeha nioty voaloboka tany an-tsaha ny Sekemita, ary nanosihosy voaloboka, dia nanomana fety. Nankany amin'ny tempolin'ny andriamaniny izy ary nisotro sy nihinana sady nanozona an'i Abimeleka.
28 Ary i Gahala nanontany azy ireo hoe: Fa iza moa isika eto Sekema no hanaiky hanjakan'i Abimeleka? Ary mba iza moa izy fa tsy zanakalahin'i Jerobahala ary tsy i Zebola ve no nampitondrainy ny tanana? Koa aoka ianareo tsy hivadika amin'ireo taranak'i Hamora, ilay mpanorina an'i Sekema! Tsy misy antony tokony hanompoantsika an'i Abimeleka akory.
29 Enga anie ka ho eo ambony fahefako ny vahoaka sekemita, dia haongako i Abimeleka! Avy eo i Gahala dia nanao tamin'i Abimeleka hoe: Hamaroy ny tafikao, ka mivoaha hiady amiko!
30 Ary nony ren'i Zebola governoran'ny tanana ireo tenin' i Gahala zanakalahin'i Hebeda, dia tezitra izy.
31 Koa nandefa iraka miafina ho any amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro tonga eto Sekema i Gahala, zanakalahin'i Hebeda, sy ireo rahalahiny ka manainga ny eto an-tanana hikomy aminao.
32 Koa izao anio alina izao ihany dia miainga ianao sy ny tafikao ka miafena any an-tsaha.
33 Ary rahampitso maraina, vao miposaka ny masoandro, dia tongava hanafika ny tanana; ka rehefa mivoaka hifanehatra aminao i Gahala sy ny olona mpomba azy dia ataovy araka ny tokony hafitsokao aminy.
34 Dia niainga i Abimeleka sy ny tafika manontolo mpomba azy nony alina, ka nizara ho antokony efatra ary nandeha niafina tao akaikin'i Sekema.
35 Ary rehefa nivoaka ny tanana i Gahala ary nijoro teo anoloan'ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin'ny toerana niafenany i Abimeleka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.
36 Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin'i Zebola hoe: Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian'i Zebola hoe: Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!
37 Nanamafy kosa i Gahala hoe: Jereonao fa tafika mihitsy ireny midina avy amin'ny havoana afovoany ireny, ary misy antokony iray hafa koa avy amin'ny lalana mihazo ny Terebintan'ny Mpanandro.
38 Dia namaly azy indray i Zebola hoe: Aiza amin'izay ity vavanao nilaza taminay hoe: Iza moa i Abimeleka no hotompointsika? Ka tsy ireo ve ny tafika novingavingainao? Koa miainga ianao ankehitriny hiady aminy!
39 Dia nivoaka ny tanana i Gahala nitarika ny mponin'i Sekema, ka niady tamin'i Abimeleka.
40 Ary voatery nandositra izy fa nenjehin'i Abimeleka. Maro ireo maty niampatrampatra mandra-pahatongany teny am-bavahadin'ny tanana.
41 Ary i Abimeleka dia nandeha nipetraka tao Aroma; fa i Zebola kosa nandroaka an'i Gahala sy ny rahalahiny tao Sekema mba tsy honina ao intsony.
42 Ny ampitson'iny, dia niomana ho any an-tsaha ny mponina tao Sekema, ka nampandrenesina izany i Abimeleka.
43 Dia nalain'i Abimeleka ny tafiny ka nozarainy ho antokony telo, dia niafina tany an-tsaha izy. Ary rehefa hitany fa indreny ny olona nivoaka avy tao Sekema, dia nipoitra hamely azy izy.
44 Ary i Abimeleka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin'ny tanana, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin'ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.
45 Nanohy ny ady tao an-tanana i Abimeleka ny tontolo andro ka nahazo ny tanana sy nandringana ny olona rehetra tao; dia noravany ny tanana ary nofafazany sira ilay toerana.
46 Ary rehefa ren'ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema izany, dia niditra tao amin'ny efitrano fierena tao ambanin'ny tempolin'i Bahala-Berita izy.
47 Ary nisy nampandre an'i Abimeleka fa tafangona miafina ao ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema.
48 Dia niakatra nankany an-tendrombohitra Tsalmona i Abimeleka sy ny tafika manontolo nomba azy. Ary naka famaky izy, dia nikapa sampan-kazo ka nobetainy izany ary napetrany teo an-tsorony; dia nasainy nanao tahaka izany haingana koa ny tafiny.
49 Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan'ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin'izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.
50 Avy eo dia nankany Tebetsa i Abimeleka, ary nanao fahirano ny tanana ka nahazo azy.