Mpitsara

Toko faha-12

1 Nifamory ny vatan-dehilahin'i Efraima, dia niampita an'i Jordana ary tonga tao Tsafona, ka niteny tamin'i Jifta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny Hamonita ianao, nefa tsy mba niantso anay handeha hiaraka aminao? Hodoranay aman-trano ianao anio.

2 Fa namaly azy i Jifta ka nanao hoe: Nisy disadisa be tamiko sy ny vahoakako ary ny Hamonita. Dia niantso vonjy taminareo aho, nefa tsy nafahanareo teo an-tanan'ireny.

3 Koa rehefa hitako fa tsy tonga hanafaka ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha nanafika ny Hamonita; ary natolotry ny TOMPO teo an-tanako izy. Koa nahoana ianareo no miakatra aty amiko anio mba hila ady amiko?

4 Dia namory ny vatan-dehilahy rehetra tao Gilehada i Jifta, ka niady tamin'ny Efraimita; ary nandresy azy ny Gilehadita, satria ireo Efraimita ireo indrindra no naneso hoe: Ianareo olon'i Gilehada dia tsy inona akory fa mpitsoaka an-daharana tao aminay Efraimita ihany; avy tao anivonay Efraimita ianareo no nankao anivon'ny Manasita.

5 Ary nobahanan'ny Gilehadita ireo fitana ny ony Jordana hankany Efraima. Koa isaky ny misy mpandositra te hiampita, dia nanontaniana hoe: Efraimita va ianao? Koa raha namaly izy hoe Tsia,

6 dia nasaina notononiny ny teny hoe Shiboleta; ary satria tsy hainy notononina izany fa ataony hoe Siboleta, dia noraisim-potsiny izy ary novonoina ho faty teo akaikin'ny toerana fitana ny ony Jordana. Nahatratra andian-tafika 42 ny lehilahy Efraimita maty tamin'izany fotoana izany.

7 Koa i Jifta, ilay Gilehadita, no nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona; avy eo dia maty izy ka nalevina tao amin'ny tanana izay nahabe azy, tany Gilehada.

8 I Ibitsana avy any Betlehema no nandimby an'i Jifta ka nitondra ny Israelita.

9 Nanana zanakalahy telopolo sy zanakavavy telopolo izy, ka nampanambady ny zanany vavy tany ivelan'ny fokony sady nampakatra vinantovavy telopolo avy any ivelany koa. Ary nitondra ny Israelita nandritra ny fito taona i Ibitsana;

10 avy eo dia maty izy ka nalevina tao Betlehema.

11 I Elona avy tamin'ny fokon'i Zebolona no nandimby an'i Ibitsana ka nitondra ny Israelita nandritra ny folo taona.

12 Avy eo dia maty izy ka nalevina tao Aialona, ao amin'ny faritanin'i Zebolona.

13 I Habdona, zanakalahin'i Hilela avy tao Pirehatona, no nandimby an'i Elona ka nitondra ny Israelita.

14 Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdona; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdona;

15 avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Pirehatona, any amin'ny faritanin'i Efraima, eo amin'ilay hoe tendrombohitry ny Hamalekita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0621