Mpitsara

Toko faha-21

1 Fony nivory tao Mitsepa ny lehilahy israelita, dia nianiana fa tsy hisy hanome ny zanany vavy hanambady lehilahy Benjaminita.

2 Fa tamin'izao indray mandeha izao kosa dia nankany Betela ny vahoaka ary nijanona teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro. Nitaraina mafy izy ireo ary nitomany fatratra

3 sady nanao hoe: Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, inona no anton'izao mahalevona ny foko iray amin'Israely izao ankehitriny?

4 Ny ampitson'iny, dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana.

5 Dia nifanontany ny Israelita hoe: Tamin'ny fokon'i Israely rehetra, moa nisy foko tsy tonga tamin'ilay fivoriana natao teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa ve? Efa nianiana mafy manko ry zareo tamin'izay fa na iza na iza tsy tonga teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa dia hatao maty.

6 Kanefa onena tokoa izy tamin'ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: Foko iray eto amin'i Israely no mila ho levona androany.

7 Inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an'ireo lehilahy Benjaminita sisa velona, satria efa nianiana mafy teo anatrehan'ny TOMPO isika fa tsy hanome ny zanakavavintsika ho vadiny?

8 Dia nifanadihady teo izy mba hahalalana raha nisy vondron'olona tamin'ny fokon'i Israely tsy tonga niseho teo anatrehan'ny TOMPO tao Mitsepa. Koa hitany fa ny olona avy any Jabesy-Gilehada ihany no tsy tonga tao an-toby nivoriana.

9 Fa rehefa natao ny fanisana ny mpandray anjara, dia tsy nisy vatan-dehilahy tonga avy any Jabesy na iray aza.

10 Noho izany ny mpivory dia nandefa lehilahy mahery fo andiany 12 nankany Jabesy sady nanome baiko azy hoe: Ndeha aringano ny mponina ao Jabesy-Gilehada hatramin'ny zaza aman-behivavy.

11 Vonoy ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nanam-bady. Izany no hataonareo.

12 Tamin'ny mponina tao Jabesy-Gilehada dia nahitana tovovavy efajato mbola virijiny, ka nentin'ireo iraka ho any amin'ny toby tao Silao, tao amin'ny tany Kanahana.

13 Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin'ireo Benjaminita nandositra niery tao amin'ny harambaton'i Rimona.

14 Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra.

15 Fa onena tokoa ny vahoaka tamin'ireo Benjaminita, satria efa nanisy banga teo amin'ny fokon'i Israely ny TOMPO.

16 Koa hoy ireo loholon'ny vahoaka tafangona teo hoe: Tsy misy vehivavy intsony ao amin'ny foko benjaminita, koa inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an'ireo lehilahy sisa?

17 Fa tokony hisy taranaka mpandova ireo Benjaminita sisa velona mba tsy ho fongotra ny foko iray amin'i Israely.

18 Kanefa tsy azontsika atao ny mamela azy ireo hanambady ny zanatsika vavy, satria efa nianiana isika fa ho voaozona izay Israelita hanome ny zanany vavy ho vadin'ny lehilahy benjaminita.

19 Tamin'izay dia tsaroan'ny loholona fa hisy ny fety fanao isan-taona ho an'ny TOMPO any Silao izay eo avaratr'i Betela sy ao atsimon'i Lebona ary ao atsinanan'ny lalana mampitohy an'i Betela sy i Sekema.

20 Koa nanoro hevitra ireo lehilahy benjaminita izy hoe: Mandehana miafina any anaty voaloboka,

21 ka miandrasa ao. Rehefa mivoaka hiara-mandihy ireo tovovavin'i Silao, dia mipoira avy tao anaty voaloboka ianareo, ka samia misambotra tovovavy iray avy; dia ento miaraka aminareo any amin'ny faritanin'i Benjamina izy mba ho vadinareo.

22 Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin'ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin'ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin'ny fianianana ianareo.

23 Dia nanaraka io torohevitra io ny lehilahy benjaminita ka samy nisambotra vehivavy ho vadiny araka ny isany tamin'ireo tovovavy nandihy tao Silao; ary lasa niverina tany amin'ny zarataniny avy izy ka namboatra ny tananany sy nonina tao.

24 Ny Israelita hafa kosa dia nirava tamin'ny fivoriana ka samy namonjy ny fokony sy ny fianakaviany ary ny zarataniny avy.

25 Tamin'izany fotoana izany dia tsy mbola nisy mpanjaka tany Israely, ka samy nanao izay heveriny ho mety avy ny olona tsirairay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0633