Mpitsara
Toko faha-5
1 Tamin'izany andro izany i Debora dia nihira niaraka tamin'i Baraka zanakalahin'i Abinohama ka nanao hoe:2 Efa samy vonon-kiantafika ny vatan-dehilahy eto Israely, nanolo-tena hiady ny vahoaka; koa isaory ny TOMPO izany!
3 Mihainoa ianareo, ry mpanjaka, manongilana sofina ianareo, ry mpifehy, fa hihira ho an'ny TOMPO aho; eny, hikaloako salamo ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.
4 Rehefa tonga avy tany Edoma Ianao, Tompo o, ka nidina avy teny an-tendrombohitra Sehira, dia nihovotrovotra ny tany, ary nandrotsaka orana ny rahona, dia ora-mikija avy any an-danitra;
5 ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO niseho tany Sinay; ny tendrombohitra niempo teo anatrehanao, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely.
6 Tamin'ny andron'i Samgary zanakalahin'i Hanata sy tamin'ny andron'i Jahela dia nidify ity faritra ity ny andian'ireo mpitaingin-drameva; fa nanaraka lalan-kafa ireo mpandeha.
7 Tsy nisy lehibe intsony, tsy nisy lehibe intsony teto amin'i Israely, mandra-pisehoko izaho Debora ho toy ny reny teto amin'i Israely.
8 Nifidy andriamani-baovao ny olona ka vetivety dia vaky ny ady; nefa zara raha nahitana ampinga na lefona iray ho an'ny vatan-dehilahy andiany efapolo teto Israely.
9 Ny ahy ny fo dia miandany amin'ireo komandin'i Israely; ny foko dia miandany amin'ireo vahoaka nanolo-tena hiady; koa isaory ny TOMPO izany!
10 Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka eo ambony karipetra, ianareo izay mandeha eny an-dalana, mankalaza ny TOMPO noho ny fandresena!
11 Teo akaikin'ny fampisotroan-drano, ireo mpizara rano ho an'ny biby fiompy no nankalaza ny fandresen'ny TOMPO, dia fandresena nomeny ireo lehiben'i Israely fony injay nirotsaka hiady teo am-bavahadin'ny tanana ilay vahoakan'ny TOMPO.
12 Mifohaza, mifohaza ianao, ry Debora, mifohaza, mifohaza ianao, ka miventesa hiran'ady. Ry Baraka zanakalahin'i Abinohama, mitsangana ka ataovy babo ireo mpamabo anao.
13 Nirohotra nankany amin'ny lehibeny ireo Israelita ary nivory teo amiko ny vahoakan'ny TOMPO niaraka tamin'ireo lehilahy mahery fo.
14 Ireo taranaka avy any Efraima dia efa tonga ao an-dohasaha, ka narahin'ny fokon'i Benjamina izay nifangaro tamin'ny andian-tafiny. Nipoitra avy amin'ny terak'i Makira ireo mpitari-tafika ary avy amin'ny fokon'i Zebolona ireo manampahefana.
15 Ireo lehiben'i Jisakara dia niandany tamin'i Debora; ary nifikitra tamin'i Baraka ny fokon'i Jisakara ka niriotra nanaraka azy teny amin'ny tany lemaka. Tao amin'ny fokon'i Reobena kosa dia adihevitra tsisy farany.
16 Nahoana ianareo no nijanona teny anelanelan'ny vala hihaino ny siotsiokan'ny mpiandry ondry? Tao amin'ny fokon'i Reobena tokoa dia adihevitra tsisy farany.
17 Tsy nihetsika koa ny terak'i Gilehada teny an-dafy atsinanan'i Jordana. Ary nahoana ny fokon'i Dana no nipetra-potsiny teo anilan'ny sambony? Ny fokon'i Asera koa nonina teo amoron-dranomasina ka nijanona teo amin'ny fitodian-tsambony.
18 Ny vahoakan'i Zebolona mbamin'i Naftaly kosa dia nanaiky hanao vy very ny ainy teo an-tany fiadiana, na dia ho faty aza!
19 Tonga hiady ireo mpanjakan'i Kanahana ka dia nanafika tao Tahenaka, teo akaikin'ny loharanon'i Megidao, nefa tsy nahazo na babo na volafotsy!
20 Avy eny an-danitra eny no nandray anjara tamin'ny ady koa ny kintana, ka ny fihodinkodinana arahiny no niadiany tamin'i Sisera.
21 Renirano efa nikoriana hatry ny ela, dia ny renirano Kisona, no nipaoka ny fahavalo. Aoka mba hiroso hiady amin-kerim-po koa aho!
22 Dia nihazakazaka mafy ny soavaly; ka nikatrokatroka ny hitsa-kitrony.
23 Ozony ny tanana Meroza, hoy ilay anjelin'ny TOMPO. Ozony, ozony ny mponina ao aminy noho izy tsy tonga hikatroka niaraka tamin'ireo mahery fo mba hanampy ny TOMPO hiady.
24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra kosa anie i Jahela izay vadin'i Hebera lehilahy kenita! Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra an-day anie izy!
25 Fa rano no nangatahin'i Sisera; nefa ronono kosa no nomeny azy, dia rononomandry tao anaty tsatokaty marevaka.
26 Avy eo noraisiny tamin'ny tanan-kavia ny tsimaday ary tamin'ny tanan-kavanana ny tantanan'ny mpiasa, dia nasiany ka vaky ny lohan'i Sisera; ary nataony gorobaka ny fihirifany.
27 Teo an-tongo-dravehivavy izy no nitolefika sy nianjera ary nitsitra; teo an-tongo-dravehivavy teo izy no nitolefika sy nianjera; teo amin'ny nahatolefika azy teo izy no nianjera ka maty.
28 Nitazana teo am-baravarankely ny renin'i Sisera, teo anelanelan'ny makarakara izy no nitaraina hoe: Nahoana ary no mbola tsy tonga ihany ny kalesiny? Nahoana ary no mitaredretra any ny kalesiny?
29 Izay hendry indrindra tamin'ireo andriambavy namany no nanome azy izao valinteny manaraka izao, ka izany koa no naverimberin'ny tenany hoe:
30 Manangona babo izay ny miaramila, ary mbola eo am-pizarana azy: tovovavy iray na roa isaky ny mahery fo; karazan-damba miloko samy hafa sady vita peta-kofehy ho an'i Sisera; eny, lamba vita peta-kofehy anatiny sy ivelany no hahodidina ny vozon'ilay mpamabo.
31 TOMPO o, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an'i Sisera avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.