Mpitsara

Toko faha-3

1 Ireo firenen-kafa ireo moa no navelan'ny TOMPO haharitra teo amin'ny tany dia mba hizahany toetra ny Israelita rehetra izay tsy mbola nandray anjara tamin'ny ady nahazoana an'i Kanahana;

2 tian'ny Tompo mba hianatra hiady manko ny taranaka vaovao izay tsy mbola nahalala ady.

3 Koa ireto avy ary ireo firenen-kafa ireo: ny mponina tamin'ny fanjakana dimin'ny Filistinina, ny Kanahanita rehetra, ny Tsidonianina, ary ny Hivita izay nipetraka tany amin'ny tendrombohitra Libano, manomboka hatreo an-tendrombohitra Bahala-Hermona ka hatrany Lebo-Hamata.

4 Ireo no nizahan'ny TOMPO toetra ny Israelita mba hahafantarany na hankato ny didy izay nomeny ny razany tamin'ny alalan'i Mosesy izy na tsia.

5 Toy izany no nahatonga ny Israelita honina teo anivon'ny Kanahanita sy ny Hetita ary ny Amorita mbamin'ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

6 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zanany vavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny, ka nanompo ny andriamani-tsiizy nifikirany.

7 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Asera.

8 Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'i Kosana-Risehataima, mpanjakan'i Mezopotamia; ary nandritra ny valo taona no nanompoany azy.

9 Koa niantso vonjy tamin'ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hotniela, zanakalahin'i Kenaza izay zandrin'i Kaleba.

10 Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin'ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hotniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosana-Risehataima mpanjakan'i Mezopotamia ka resiny.

11 Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hotniela, zanakalahin'i Kenaza.

12 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita. Noho izany dia nampirisihin'ny TOMPO hamely azy i Heglona, mpanjakan'i Moaba.

13 Ary i Heglona nivondrona tamin'ny Hamonita sy ny Hamalekita ka nandeha nanafika ny Israelita, ary nahazo ny tanana Jerikao.

14 Dia nanompo an'i Heglona, mpanjakan'i Moaba, ny Israelita nandritra ny 18 taona.

15 Niantso vonjy tamin'ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak'i Gera avy amin'ny fokon'i Benjamina. Dia nalefan'ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an'i Heglona, mpanjakan'i Moaba.

16 Ary nanamboatra sabatra maranitra roa lela i Ehoda, dia sabatra ankevitry ny antsasa-metatra izay nafeniny tao anaty akanjony nanolotra ny feny ankavanana.

17 Dia nandeha izy nanatitra fanomezana ho an'i Heglona izay lehilahy matavibe.

18 Ary rehefa vitany ny fanolorana ny fanomezana ho an'i Heglona, dia lasa izy niara-nody tamin'ireo vahoaka nitondra ny fanomezana.

19 Kanjo nony efa tonga teo akaikin'ny tsangambaton-tsampy tao Gilgala i Ehoda, dia niverina ka nilaza tamin'i Heglona hoe: Misy hafatra miafina holazaiko aminao, ry mpanjaka o. Dia nandidy ny mpanompony teo ny mpanjaka mba hamela azy mitokana; koa nivoaka ny trano izy rehetra.

20 Ny mpanjaka tamin'izay dia nipetraka tao amin'ny efitrano fihatsiatsiahana izay natokana ho azy teo an-tampontrano. Ary nanatona azy i Ehoda ka nanao hoe: Misy teny avy amin'Andriamanitra nentiko ho anao. Dia nitsangana niala teo amin'ny sezany ny mpanjaka.

21 Ary nalain'i Ehoda tamin'ny tanany havia ilay sabatra nanolotra ny feny ankavanana, ka natsatony tamin'ny kibon'i Heglona.

22 Difotra mbamin'ny zarany sady voasaron'ny tavin'ity mpanjaka ny lelan-tsabatra, satria tsy notsoahin'i Ehoda teo amin'ny kibony.

23 Taorian'izany, rehefa avy nandrindrina sy nanidy ny varavaran'ilay efitrano i Ehoda, dia nivoaka avy teo am-baravarankely.

24 Ary nony tafavoaka izy, dia tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka izay nahita fa mihidy ny efitrano fihatsiatsiahana; koa noheveriny fa mbola miavela ao ny mpanjaka.

25 Niandry teo ivelany izy ireo ambara-pahavelon'ahiahy azy, kinanjo tsy mbola nisy namoha ihany ny varavarana. Dia naka ny fanalahidy ireo ka namoha ny trano, ary indro ny tompony maty mitsitra eo amin'ny tany.

26 Fa raha mbola variana tao ireo, dia efa nitsoaka i Ehoda, ka efa tafahoatra ny tsangambaton-tsampy ary nandositra tany Sehira.

27 Vao tonga tany Sehira izy; dia nitsoka trompetra teny amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima hamory ny Israelita; avy teo izy dia nitarika ireo Israelita ireo ka niara-nidina taminy avy teny an-tendrombohitra

28 sady nanainga azy hoe: Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Moabita fahavalontsika. Dia nanaraka an'i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitana ny ony Jordana, ary tsy nisy Moabita navelany hita na iray aza.

29 Tamin'izay andro izay dia Moabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.

30 Tamin'izany andro izany dia nietry teo ambany fahefan'ny Israelita ny Moabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.

31 Ary i Samgary, zanakalahin'i Hanata, no nandimby an'i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin'ny fanindronan'omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0657