Mpitsara

Toko faha-10

1 Taorian'ny nahafatesan'i Abimeleka dia nitsangana i Tola, zanakalahin'i Pova sady zafikelin'i Dodao, mba hamonjy ny vahoaka Israely. Izy dia lehilahy avy ao amin'ny fokon'i Jisakara ary nonina tao Samira, any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima.

2 Nitondra ny Israelita nandritra ny 23 taona i Tola; avy eo dia maty izy, ka nalevina tao Samira.

3 I Jairo avy any Gilehada no nandimby azy ka nitondra ny Israelita nandritra ny 22 taona.

4 Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin'ny faritanin'i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havota-Jairo ireny toerana ireny.

5 Avy eo dia maty i Jairo, ka nalevina tao Kamona.

6 Ary mbola nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarota andriamani-tsiizy, mbamin'ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidonianina na ny andriamanitry Moabita sy ny Hamonita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.

7 Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan'ny Filistinina sy ny Hamonita.

8 Nanomboka tamin'izany taona izany ary nandritra ny 18 taona ireo no nampahory sy nanenjika ny Israelita izay nonina tany Gilehada sy tao amin'ny faritanin'ny Amorita teny an-dafy atsinanan'i Jordana.

9 Niampita ny ony Jordana mihitsy aza ny Hamonita mba hiady amin'ny fokon'i Joda sy i Benjamina ary i Efraima; ka nijaly mafy ny Israelita.

10 Noho izany dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO izy ka nanao hoe: Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.

11 Dia hoy ny TOMPO tamin'ny Israelita: Raha nampahory anareo ny Ejiptianina sy ny Amorita na ny Hamonita sy ny Filistinina

12 na ny Tsidonianina sy ny Hamalekita ary ny Midianita ka niantso vonjy tamiko ianareo, moa tsy namonjy anareo ho afaka teo an-tanan'ireny va Aho?

13 Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho.

14 Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny androm-pahorianareo!

15 Fa hoy ny Israelita tamin'ny TOMPO: Efa nanota izahay. Ataovy izay rehetra sitrakao hatao aminay, fa anio mba vonjeo ihany izahay!

16 Dia narian'ny Israelita tsy ho eo anivon'izy ireo ny andriamani-kafa, ka notompoiny indray ny TOMPO Izay tsy nahazaka hijery ny fijalian'i Israely.

17 Ary nifanangona ny Hamonita ka nitoby tao amin'ny faritanin'i Gilehada; dia nifamory koa ny Israelita ka nitoby tao Mitsepa.

18 Ary nifanontany ny foko tao Gilehada sy ny mpitarika azy ka nanao hoe: Iza no lehilahy sahy hanapoaka ady amin'ny Hamonita? Izany lehilahy izany no ho filohan'ny mponina rehetra eto Gilehada.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0889