Mpitsara
Toko faha-6
1 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan'ny Midianita nandritra ny fito taona.2 Ary nahery vaika tamin'ny Israelita loatra ny famelezan'ny Midianita; koa noho ny tahony azy dia nanamboatra lalan-kizo sy zohy fierena ary toerana sarotra anihina tany an-tendrombohitra ny Israelita.
3 Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin'ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.
4 Nitoby teo amin'ny sahan'ny Israelita ireny ka nanimba ny vokatry ny taniny hatrany Gaza, ary tsy nisy zavatra navelany hohanin'ny Israelita, tsy nisy navelany ho azy na ondry aman'osy na omby na boriky.
5 Nifindrafindra niaraka tamin'ny biby fiompiny sy ny lainy ireny sady toy ny valala no fiaviny; fa maro izy mbamin'ny ramevany ka tsy hita isa. Niditra tamin'ny tany izy mba handrava azy;
6 ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin'ny TOMPO.
7 Rehefa nitaraina tamin'ny TOMPO ny Israelita mba hanafaka azy amin'ny Midianita,
8 dia nanirahany mpaminany hiteny aminy hoe: Izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Izaho no nitondra anareo niala tany Ejipta sy namoaka anareo tao amin'ny toerana nanandevozana anareo.
9 Izaho no nanafaka anareo teo am-pelatanan'ny Ejiptianina sy izay rehetra nampahory anareo. Noroahiko ny fahavalonareo arakaraky ny nandrosoanareo ka nomeko anareo ny taniny.
10 Ary nambarako taminareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo. Ka tsy tokony hatahoranareo ny andriamanitry ny Amorita eo amin'ny tany izay onenanareo nefa tsy nihaino Ahy ianareo.
11 Ary tonga tao an-tanana Hofra ilay anjelin'ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta izay an'i Joasy lehilahy anisan'ny tarik'i Abihezera. I Gidehona zanakalahin'i Joasy tamin'izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin'ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan'ny Midianita.
12 Ary nisehoan'ilay anjelin'ny TOMPO izy ka nilazany hoe: Ny TOMPO no momba anao, ry ilay mpiady mahery fo!
13 Fa novalian'i Gidehona hoe: Azafady, tompoko! Raha momba anay ny TOMPO, nahoana no iharan'izao loza rehetra izao izahay? Aiza avokoa ireo zava-mahagaga notantarain'ny razanay fa nataon'ny TOMPO fony Izy namoaka azy ireny avy tany Ejipta? Fa ankehitriny efa nanary anay ny TOMPO, ka nanolotra anay eo an-tanan'ny Midianita.
14 Dia nitodika nijery azy ny TOMPO ka niteny taminy hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka afaho teo am-pelatanan'ny Midianita ny Israelita, fa Izaho no naniraka anao.
15 Dia novalian'i Gidehona hoe: Indrisy, Tompo o, ahoana no ahazoako mamonjy an'i Israely? Kanefa ny fianakaviako no osa indrindra amin'ny fokon'i Manase ary izaho no tanora indrindra ao an-tranon'ny raiko.
16 Fa hoy kosa ny TOMPO taminy: Homba anao Aho, ka toy ny famelezana olona iray monja no hamelezanao ny Midianita.
17 Dia namaly Azy i Gidehona hoe: Raha sitrakao ary, dia mba omeo famantarana aho fa Ianao tokoa no miteny amiko.
18 Aoka mba tsy hiala eto Ianao mandra-piveriko mitondra fanatitra izay tiako hatolotra eto anatrehanao. Ka hoy ny TOMPO hoe: Hijanona eto Aho mandra-piverinao.
19 Dia nandeha i Gidehona ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy leviora tamin'ny koba ankevitry ny telopolo kilao. Nataony tao anaty harona ny hena ary nataony tao anaty vilany ny ron-kena, dia nentiny teo ambanin'ny terebinta ka natolony ny Tompo.
20 Ary hoy ilay anjelin'Andriamanitra taminy: Apetraho eo ambonin'ity harambato ity ny hena sy ny mofo tsy misy leviora ka tondrahy ron-kena. Dia nataon'i Gidehona izany.
21 Ary naninji-tanana ilay anjelin'ny TOMPO, ka nokasihiny tamin'ny tendron'ilay tehina teny an-tanany ny hena sy ny mofo tsy nisy leviora; dia nivoaka afo ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo. Avy eo ilay anjelin'ny TOMPO dia nanjavona teo imasony.
22 Takatr'i Gidehona tamin'izay fa anjelin'ny TOMPO ilay teo ka hoy izy hoe: Lozako, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, fa nahita ny anjelinao nifanatrika tamiko aho.
23 Hoy kosa ny TOMPO taminy; Fiadanana anie ho aminao; aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.
24 Ary nanorina alitara ho an'ny TOMPO teo i Gidehona, ka io toerana io dia nantsoiny hoe Ny TOMPO manome fiadanana; ary mandraka androany izany alitara izany dia mbola ao Hofra, tananan'ny tarik'i Abihezera.
25 Tamin'io alina io ihany ny TOMPO dia nandidy an'i Gidehona hoe: Alao ny ombilahin-drainao, ilay faharoa efa fito taona. Ravao ny alitaran'i Bahala izay an-drainao ary kapao ny tsatokazon-tsampy eo anilany;
26 dia manangana alitara voamboatra tsara ho an'ny TOMPO Andriamanitrao eo an-tampon'io havoana io. Ary ento ny ombilahin-drainao ka atolory ho sorona dorana manontolo eo; ka ny tsatokazon-tsampy nokapainao no ataovy kitay.
27 Dia nifidy folo lahy tamin'ireo mpanompony i Gidehona mba hanao araka izay efa nandidian'ny TOMPO azy. Saingy tamin'ny alina no nanatanterahany azy fa natahotra ny hanao azy tamin'ny antoandro izy noho ny amin'ny fianakaviany sy ny mponina tao an-tanana.
28 Ary nony nifoha ny olona ny maraina, dia nahita fa rava ny alitaran'i Bahala, voakapa ny tsatokazon'i Asera teo anilany, ary nisy ombilahy iray natao sorona dorana manontolo teo ambonin'ilay alitara vao namboarina.
29 Koa nifanontany ny olona hoe: Iza no nanao an'izao zavatra izao? Dia nikaroka sy nanao ampamoaka izy; ka nisy nilaza fa i Gidehona, zanakalahin'i Joasy, no nanao azy.
30 Ary hoy ny olona tao an-tanana tamin'i Joasy hoe: Avoahy aty ny zanakao lahy hovonoina ho faty, satria nandrava ny alitaran'i Bahala izy sady nikapa ny tsatokazon-tsampy teo anilany.
31 Fa namaly ireo rehetra nitsangan-kanohitra azy i Joasy ka nanao hoe: Moa ianareo va no hiaro an'i Bahala sy tonga hamonjy azy? Na iza na iza hiaro an'i Bahala dia hovonoina ho faty, alohan'ny rahampitso maraina. Fa raha andriamanitra i Bahala, aoka izy hiaro tena satria ny alitarany no noravana!
32 Nanomboka hatreo i Gidehona dia nantsoina hoe Jerobahala, izany hoe Aoka hiaro tena i Bahala; ny antony moa dia ny amin'ny tenin'i Joasy hoe: Aoka hiaro tena i Bahala satria ny alitarany no noravana!
33 Ny Midianita rehetra mbamin'ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an'i Jordana ary nanorina ny tobiny tao amin'ny lemak'i Jizrehela.
34 Fa notsindrian'ny Fanahin'ny TOMPO i Gidehona, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin'ny tarika abihezerita hanaraka azy.
35 Nandefa iraka tany amin'ny faritany manasita manontolo koa izy mba hiantso ny vatan-dehilahy any hanaraka azy. Mbola nandefa iraka tany amin'ny foko aserita sy zebolonita ary naftalita koa izy ka tonga nanaraka azy ny vatan-dehilahy tamin'ireny.
36 Dia hoy i Gidehona tamin'Andriamanitra: Raha sitrakao tokoa ny hamonjy ny Israelita amin'ny alalan'ny tanako araka izay efa voalazanao,
37 dia indro havelatro eo am-pamoloana ny volon'ondry; ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa ny tany manodidina azy kosa ho maina avokoa, dia ho fantatro fa ny tanako tokoa no hamonjenao an'i Israely, araka izay efa nambaranao.
38 Dia tanteraka tokoa araka izany; fa raha nifoha maraina i Gidehona ny ampitso ka nofiazany ny volon'ondry, dia nisy ranon'ando tokony hahafeno kaopy iray.
39 Ary hoy indray izy tamin'Andriamanitra: Aoka mba tsy hirehi-pahatezerana amiko Ianao raha mbola angatahiko zavatra indray mandeha! Te hahazo porofo farany ny amin'ny volon'ondry aho: ka amin'ity indray mandeha ity dia aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany manodidina azy kosa ho lenan'ny ando avokoa.
40 Tamin'iny alina iny ihany dia notanterahin'Andriamanitra izany ka ny volon'ondry ihany no maina fa ny tany nanodidina azy kosa dia lenan'ny ando avokoa.