Mpitsara
Toko faha-4
1 Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO indray ny Israelita.2 Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan'i Jabina, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsora. I Sisera, izay nonina tao Haroseta-Goima, no lehiben'ny tafiny.
3 Nanana kalesy vy sivinjato i Jabina ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin'ny TOMPO ireo.
4 Tamin'izany fotoana izany dia i Debora, mpaminanivavy vadin'i Lapidota, no mpitsara nitondra an'i Israely.
5 Ny sezam-pitsarana nipetrahan'i Debora dia teo ambany hazo rofia, izay nantsoina taty aoriana hoe Hazo Rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy i Betela, any amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima. Niakatra tany ny Israelita rehefa hotsaraina.
6 Indray andro i Debora dia nampiantso an'i Baraka zanakalahin'i Abinohama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin'ny faritra naftalita izy ka nilazany hoe: Izao no andidian'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin'ny fokon'i Naftaly sy i Zebolona, ka tariho any an-tendrombohitra Tabora.
7 Fa hoentaniko i Sisera lehiben'ny tafik'i Jabina ho tonga eo amoron'ny renirano Kisona mba hanafika anao miaraka amin'ny kalesiny sy ny andian-tafiny; dia hatolotro eo an-tananao izy.
8 Fa namaly an'i Debora i Baraka nanao hoe: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9 Ka hoy i Debora taminy: Handeha hiaraka aminao aho, saingy tsy hisy voninahitra ho anao izao dia halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hanoloran'ny TOMPO an'i Sisera. Dia nandeha ho any Kedesa niaraka tamin'i Baraka i Debora.
10 Nangonin'i Baraka tao ny vatan-dehilahy zebolonita sy naftalita. Andiany folo no nanaraka azy teny an-tendrombohitra Tabora, ary niakatra niaraka taminy koa i Debora.
11 Tao akaikin'i Kedesa no nisy an'i Hebera lehilahy kenita. Noho izy tafasaraka tamin'ireo Kenita hafa taranak'i Hobaba zaodahin'i Mosesy, dia nanorin-day teo akaikin'ny terebintan'i Tsahananima izy.
12 Dia notantaraina tamin'i Sisera fa niakatra any an-tendrombohitra Tabora i Baraka, zanakalahin'i Abinohama.
13 Koa novoriny tao Haroseta-Goima ny kalesiny vy sivinjato sy ny miaramilany rehetra; dia avy teo izy no nankany amin'ny renirano Kisona.
14 Ary hoy i Debora tamin'i Baraka: Andao amin'izay fa anio no hanoloran'ny TOMPO an'i Sisera eo an-tananao. Ny TOMPO mihitsy no mandeha eo alohanao! Dia nidina avy teo an-tendrombohitra Tabora i Baraka narahin'ireo vatan-dehilahiny nisy andiany folo.
15 Tamin'izay no nataon'ny TOMPO nifanaritaka teo anoloany kosa i Sisera sy ny kalesiny mbamin'ny miaramilany rehetra. Niala tamin'ny kalesiny mihitsy aza i Sisera ka nandositra an-tongotra.
16 Nanenjika ireo kalesy sy ny andian-tafiky ny fahavalony hatrany Haroseta-Goima i Baraka; dia naringany tamin'ny sabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera ka tsy nisy niangana na iray aza.
17 I Sisera dia nandositra an-tongotra hatrany amin'ny lain'i Jahela izay vadin'i Hebera lehilahy kenita, satria nihavana ny fianakavian'i Hebera sy i Jabina mpanjakan'i Hatsora.
18 Ary niainga i Jahela mba hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.
19 Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Mba omeo rano kely aho hosotroiko fa mangetaheta! Dia nanokatra ny siny hoditra misy ronono i Jahela ka nampisotro azy; avy teo i Sisera dia norakofany bodofotsy indray.
20 Ary hoy koa i Sisera taminy: Mijanona eo am-baravaran'ny tranolay; ka raha misy manontany anao hoe: Misy olona ve ato?, dia valio hoe: Tsia.
21 Ary efa sasatra loatra i Sisera ka renoky ny torimaso. Dia naka tsimaday i Jahela, vadin'i Hebera, sady nandray tantanana ka nanatona moramora an'i Sisera. Ary natsatony teo amin'ny fihirifany ny tsimaday ka niboroaka hatramin'ny tany, dia maty i Sisera.
22 Tamin'izay no tonga i Baraka izay nanenjika an'i Sisera; koa niainga hitsena azy i Jahela ary nanao taminy hoe: Avia, fa hasehoko anao ilay lehilahy tadiavinao. Dia niditra tao an-dainy izy, ka nahita an'i Sisera efa maty mitsitra eo amin'ny tany sady gorobaky ny tsimaday ny fihirifany.
23 Tamin'izany andro izany no naetrin'Andriamanitra teo anatrehan'ny Israelita i Jabina mpanjaka kanahanita.
24 Fa nihamafy hatrany ny famelezan'ny Israelita azy ambara-pahafatiny azy mihitsy.