Mpitsara

Toko faha-14

1 Ary nidina nankany Timna i Samsona ka nahatsikaritra tovovavy filistinina iray tao.

2 Rehefa niverina izy, dia nitantara tamin'ny ray sy reniny hoe: Nisy tovovavy filistinina iray tsikaritro tany Timna, ka tiako hangatahinareo ho vadiko.

3 Fa namaly azy ny ray sy reniny hoe: Angaha tsy misy tovovavy ato amin'ny fokonao na ato amin'ny firenenao manontolo no handeha haka vady any amin'izay Filistinina tsy mifora ianao? Fa hoy i Samsona tamin'ny rainy: Iny no mahafinaritra ahy, ka angataho ho vadiko.

4 Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin'i Samsona mba hahazoany miady amin'ny Filistinina, satria tamin'izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin'ny Israelita.

5 Dia niainga hankany Timna i Samsona. Nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka akaikin'i Timna izy, dia nisy liona tanora nierona nanatona azy.

6 Fa nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'ny TOMPO, ka tanam-polo no nentiny nanasamatsamaka ilay liona tanora toy ny fanasamatsamahana zanak'osy; saingy tsy nambarany tamin'ny ray aman-dreniny izany zavatra nataony izany.

7 Ary nanohy ny diany i Samsona ka nandeha nifampidinika tamin'ilay tovovavy filistinina, fa nahafinaritra azy razazavavy.

8 Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timna izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin'ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin'ny vondron-taolan'ilay fatin-diona.

9 Dia nalainy tamin'ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin'ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin'ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

10 Ary nidina nankany amin'ilay tovovavy i Samsona, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon'ny tovolahy rehetra.

11 Rehefa nahita azy ny Filistinina, dia nifantina tovolahy telopolo mba hiara-mikorana aminy.

12 Ary i Samsona nilaza tamin'ireo hoe: Hanao ankamantatra aminareo aho. Koa raha milaza ny valiny amiko ato anatin'ny fito andro fanaovam-panasana ianareo, dia homeko lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika.

13 Raha tsy izany kosa, dia ianareo no hanome ahy lobaka telopolo tsara tarehy sy akanjo telopolo fitondra mianjaika. Ka hoy ny navaliny azy: Ataovy ary ny ankamantatrao, fa mihaino anao izahay.

14 Dia hoy i Samsona taminy: Inona ary izany? Ilay mihinana no ipoiran'ny hanina, ilay mahery no ipoiran'ny mamy. Tapitra ny telo andro, nefa mbola tsy nahalaza ny valin'ilay ankamantatra ihany ireo tovolahy.

15 Tamin'ny andro fahefatra kosa dia hoy ireo tamin'ny vadin'i Samsona: Langolangoy ny vadinao mba hilaza aminay ny valin'ny ankamantatra; fa raha tsy izany, dia hodoranay ianao sy ny ankohonan-drainao. Fa moa ny handraofanareo ny fanananay ve no nanasanareo anay?

16 Dia nandeha nanao an-dranomaso tamin'i Samsona ny vadiny ka nanao hoe: Halanao aho fa tsy tianao akory! Nisy ankamantatra nataonao tamin'ny mpiray firenena amiko nefa tsy mba nilazanao ny valiny aho. Ka hoy i Samsona hoe: Tsy nilazako ny valiny na dia ny ray aman-dreniko aza, koa ahoana moa no hilazako azy aminao?

17 Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin'ireo andro fito fanasana; ka tamin'ny andro fahafito, dia nilazan'i Samsona ny valin'ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin'ny mpiray firenena aminy.

18 Koa tamin'iny andro fahafito iny, talohan'ny hilentehan'ny masoandro, dia tonga ireo lehilahy tao an-tanana nilaza tamin'i Samsona hoe: Inona no mamy noho ny tantely? Ary inona no mahery noho ny liona? Fa hoy ny navalin'i Samsona azy: Raha tsy nampiasa ny vantotr'ombivaviko ianareo, dia tsy ho nahita ny valin'ny ankamantatro.

19 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelona izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an'ireo nilaza ny valin'ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsona ka niakatra nody tany amin'ny rainy.

20 Fa ilay vadiny kosa dia nomena ho vadin'ny tovolahy naman'i Samsona sady mpandahatra ny fanasany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0658