Mpitsara

Toko faha-2

1 Dia niainga avy any Gilgala ka tonga tany Bokima ny anjelin'ny TOMPO ary nanambara tamin'ny Israelita hoe: Izaho no nampakatra anareo hiala tany Ejipta ka nampiditra anareo amin'ny tany izay nianianako homena ny razanareo. Ary nilaza Aho fa tsy hanapaka na oviana na oviana ny fanekempihavanako aminareo.

2 Ianareo kosa tsy tokony hanao fifanekena amin'ny mponina amin'ity tany ity fa tokony handrava ny alitarany. Kanjo tsy nanaraka ny teniko ianareo! Ahoana izao nataonareo izao?

3 Noho izany tapa-kevitra Aho fa tsy handroaka azy eo anoloanareo. Ho fandrika hamely anareo izy; ary ho longoa hahavoa anareo koa ny andriamaniny.

4 Rehefa avy nilaza izany teny izany ilay anjelin'ny TOMPO, dia nanandra-peo nitomany kosa ny Israelita rehetra.

5 Ary izany toerana izany dia nantsoiny hoe Bokima na Mpitomany; dia nanao sorona teo izy ho an'ny TOMPO.

6 Rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia samy nandeha namonjy ny anjara taniny avy ny Israelita rehetra, ka nahazo ny tany.

7 Ary ny vahoaka dia nanompo ny TOMPO nandritra ny andro rehetra niainan'i Josoa ary koa taorian'ny nahafatesany, izany hoe nandritra ny andro rehetra niainan'ireo loholona izay nahita ny zava-dehibe isan-karazany nataon'ny TOMPO ho an'i Israely.

8 Ary maty i Josoa, zanakalahin'i Nona sady mpanompon'ny TOMPO, rehefa feno 110 taona.

9 Dia tao amin'ny faritra anjara lovany no nandevenana azy, izany hoe tao Timnata-Heresa, any amin'ny tany be tendrombohitra any Efraima, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.

10 Ary rehefa tapitra maty avokoa izany taranaka izany ka voaangona any amin'ny razany, dia taranaka hafa indray no nandimby azy, taranaka izay tsy nahalala akory ny TOMPO sy ny asa nataony ho an'i Israely.

11 Ary nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO ny Israelita fa nanompo ireo Bahala andriamani-tsiizy.

12 Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razambeny Izay nitondra azy niala tany Ejipta izy ka nandeha nanompo andriamani-tsiizy, dia ny andriamanitr'ireo firenena manodidina azy. Andriamani-tsiizy no niankohofan'ny Israelita; ka nahatezitra ny TOMPO izany.

13 Eny, nandao ny TOMPO tokoa ny Israelita mba hanompo ireo Bahala sy ireo Hastoreta.

14 Dia nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO, ka namela azy ho azon'ireo andian-dahalo izay nandroba azy; natolony ho resin'ny fahavalo manodidina izy, hany ka tsy nahatohitra ireny intsony.

15 Isaky ny nandeha nanafika ireo Israelita, dia nataon'ny TOMPO resy foana araka izay efa nambarany mialoha sady efa nianianany; ka nijaly mafy ireo.

16 Dia nanangana mpitsara ho azy ny TOMPO, ka ireny no nanafaka azy tamin'ny fahefan'ny dahalo.

17 Kanefa ny Israelita tsy nankato ihany koa ireo mpitsara azy, fa nandeha nanao fanompoan-tsampy tamin'ireo andriamani-tsiizy ka niankohoka teo anatrehany. Nalaky niala ny lalana izay nizoran'ireo razany tamin'ny fankatoavana ny didin'ny TOMPO izy, fa tsy mba nanahaka azy.

18 Koa isaky ny manangana mpitsara ho azy ny TOMPO, dia nomba izany mpitsara izany ka nanafaka ny Israelita tamin'ny fahefan'ny fahavalony nandritra ny andro rehetra niainan'ilay mpitsara. Fa onena azy ny TOMPO, rehefa nitaraina izy noho ny nafitsok'ireo mpampahory sy mpampijaly azy.

19 Kanjo raha vao maty ilay mpitsara, dia miverina indray amin'ny ratsy fanaony mihoatra noho ireo razany ny Israelita, ka manompo andriamani-tsiizy sy miankohoka eo anatrehany. Tsy nialany akory ny ratsy fanaony sy ny toetra maditra mahazatra azy.

20 Nirehi-pahatezerana tamin'ny Israelita ny TOMPO, ka niteny azy hoe: Ity firenena ity dia nandika ny fanekempihavanana izay nandidiako ny razany, fa tsy nankato Ahy;

21 koa tsy handroaka na dia olona iray eo anoloany intsony Aho amin'ireo firenena izay tsy mbola resy tamin'ny andro nahafatesan'i Josoa. 22 Fa hampiasaiko ireny mba hizahako toetra azy na hanaraka ny sitrapoko ny Israelita ka hankato Ahy tahaka izay nataon'ny razany na tsia.

23 Koa navelan'ny TOMPO haharitra teo amin'ny tany ireo firenena izay tsy natolony teo an-tanan'i Josoa; ary tsy nahamaika Azy ny handroaka ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.068