Jodita
Toko 1 Efa 12 taona tamin'izay no nanjakan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'ny Asirianina, tao Ninive ilay tanana lehibe. Tamin'izany andro izany koa i Arfaksada no efa nanjaka tamin'ny Medianina, tao Ekbatana renivohitra.
Toko 2 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Asiria, fony andro faha-22 tamin'ny volana voalohany, no niadian-kevitra tao an-dapa ny amin'ny valifaty izay efa nianianan'ny mpanjaka hafitsoka amin'ireo vahoaka rehetra nikomy.
Toko 3 Nandefa iraka ho any amin'i Holoferna ireo mponina amoron-tsiraka ireo mba hitondra tenim-pihavanana manao hoe:
Toko 4 Ren'ireo Israelita nonina tao Jodea ny zavatra rehetra nafitsok'i Holoferna, filohan-tafik'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Asiria, tamin'ny firenen-kafa, indrindra ny nandrobany sy nandravany ny trano fivavahana rehetra.
Toko 5 Nilazana i Holoferna, komandy faratampon'ny tafika asirianina, fa mivonon-kiady ny Israelita: nohidiany ny lalana mankany amin'ny faritra be tendrombohitra, nasiany manda ny tampon-tendrombohitra rehetra, ary nametrahany fandripandrika teny amin'ny lemaka.
Toko 6 Rehefa nitsahatra ny sahotaka tamin'ireo vatan-dehilahy manodidina ny filan-kevitry ny samy manam-pahefana, dia i Akiora no nitenenan'i Holoferna komandy faratampon'ny tafika asirianina, ka teo anatrehan'ny olona vahiny sy moabita no nanaovany hoe:
Toko 7 Ny ampitson'iny, dia nomen'i Holoferna baiko ny tafiny manontolo sy ny miaramila rehetra izay nivonon-kiady miaraka aminy mba hiakatra hamely an'i Betolia sy haka ireo kisolosolon'ny faritra betendrombohitra iny ary hiady amin'ny Israelita.
Toko 8 Tamin'izay andro izany i Jodita no nandreny zava-nitranga. Io Jodita io dia zanakavavin'i Merary izay zanakalahin'i Oksa, zafin'i Josefa, zafiafin'i Hoziela, zafin-dohalik'i Hilkia, zafin-kitrokelin'i Hanania, zafim-paladian'i Gidehona, ary zafin-dorian'i Rafaina, dia i Rafaina zanakalahin'i Ahitoba, zafin'i Elia, zafiafin'i Hilkia, zafin-dohalik'i Elia ba, zafin-kitrokelin'i Natanaela, zafim-paladian'i Selomiela ary zafin-dorian'i Sarasaday, dia i Sarasaday zanakalahin'i Simehona ary zafin'i Jakoba.
Toko 9 Tamin'ny fotoana hariva fanolorana ny vovo-javamanitra tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema no nihohoka tamin'ny tany i Jodita. Nohosorany lavenona ny lohany ary nasehony ny akanjo malailay fitondrany ho fitafiana anatiny; ka feo avo no niantsoany vonjy tamin'ny TOMPO hoe:
Toko 10 Rehefa nitsahatra niantso vonjy tamin'ilay Andriamanitr'i Israely i Jodita ka nahavita ireo teny rehetra ireo,
Toko 11 Ary hoy i Holoferna tamin'i Jodita:-Matokia, ry andriambavilanitra, fa aza matahotra ao am-ponao. Izaho manko na oviana na oviana tsy mba manisy ratsy olona izay tapa-kevitra hanompo an'i Nebokadnetsara, mpanjakan'ny tany manontolo.
Toko 12 Tamin'izay i Jodita dia nasain'i Holoferna nampandrosoina tao amin'ny efitrano fisakafoany, ka fitaovana volafotsy no teo an-databatra; ary nodidian'ilay filohan-tafika mba ho avy amin'ny sakafony sy ny divainy no homena an-dravehivavy.
Toko 13 Nony hariva ny andro, dia samy dodona hody ireo mpanompon'i Holoferna. I Bagoa no nanakatona avy ety ivelany ny tranolain'i Holoferna ary nampihataka ny olona nasaina. Lasa namonjy fatoriana ireo satria sasatra avokoa noho ny fisotroana tafahoatra.
Toko 14 Tamin'izay ny olona rehetra teo dia nitenenan'i Jodita hoe:-Mihainoa ahy, ry havako. Ento ity loha ity ka ahantony eny an-tampon'ny mandan'ny tananantsika.
Toko 15 Rehefa nandre ny zava-nitranga ireo miaramila izay teny amin'ny tranolainy avy, dia very hevitra.
Toko 16 Ary hoy i Jodita hoe: Miventesa hira ho an'ilay Andriamanitro,ka araho amponga tapaka izany; mihira ho an'ny Tompo, ka ivelezo kipantsona izany! Arindrao ny salamo fiderana Azy, asandrato ary antsoy ny anarany.