Jodita

Toko faha-2

1 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Asiria, fony andro faha-22 tamin'ny volana voalohany, no niadian-kevitra tao an-dapa ny amin'ny valifaty izay efa nianianan'ny mpanjaka hafitsoka amin'ireo vahoaka rehetra nikomy.

2 Dia nantsoin'i Nebokadnetsara hivory ny minisitra rehetra sy ny loholona rehetra; ary nanaovany fiaraha-midinika ireo, ka vavany mihitsy no namoaka ny fanapahan-kevitra momba ny sazy isan-karazany hafitsoka amin'ny tanin'iretsy vahoaka nikomy.

3 Nankatoavin'ireto mpanolotsaina azy fa tokony hofongorana avokoa ny olona rehetra izay nitsipaka ny baiko navoakan'i Nebokadnetsara.

4 Rehefa vita ny fiaraha-midinika, dia nantsoin'i Nebokadnetsara i Holoferna, izay filohan'ireo komandin-tafika sady olona faharoa eo amin'ny fanjakana, ka nilazany hoe:

5 -Izaho ilay mpanjaka lehibe, mpifehy ny taniko manontolo, no milaza ireto teny ireto: Ndeha ianao maka ireo miaramila azo antoka ho matanjaka; dia ataovy tsy latsaky ny antokony 120 ireo miaramila an-tongotra ary tsy latsaky ny antokony 12 ireo mpitaingin

6 Avy eo hiainga ianao hamely an'ireo tany rehetra any andrefan'i Eofrata, izay tsy nanaiky ny baiko navoakako;

7 ary hotakinao amin'ireo vahoaka ny tolotra tany sy rano ho mariky ny fanoavany ahy. Ampahafantaro azy fa mirehi-katezerana aho ka mandefa izao tafika izao hamely azy. Hanenika ny vohon-taniny manontolo ny miaramilako ka avelako handroba azy.

8 Ireo olona voaratra dia hameno ny hantsana; ka ny lohasahan-driaka sy ny ony dia hotototra faty hihoatra ny morony.

9 Ireo babo kosa hasaiko ho entina any am-paran'ny tany.

10 Hotazoninao amin'ny anarako ny faritaniny rehetra.

11 Ka rehefa nilavo lefona izy, dia hambenanao ho an'ny andro hitsarana azy; ireo mbola hanohitra ihany, eo amin'ny tany isan-tokony efa azonao, dia tsy hanananao antra fa ampamonoy ho faty ary asaovy robaim-pananana.

12 Ny aiko sy ny fahefana maha mpanjaka ahy no nianianako fa hampihatra hery aho hanatanterahako izany.

13 Ianao kosa, ry Holoferna, aza misy dikainao ireo baiko nomeko anao ireo na iray aza; fa tanteraho antsakany sy andavany sady tsy misy hataka andro; araka ny nandidiako anao.

14 Dia niala teo anatrehan'ny mpanjaka i Holoferna, ary niantso ireo andriana mbamin'ireo komandy sy manamboninahitry ny tafika asirianina.

15 Araka ny nandidian'ny mpanjaka azy, dia namory miaramila voafantina hiantafika izy, ka nisy antokony 120 ireo miaramila an-tongotra ary antokony 12 ireo mpitaingin-tsoavaly.

16 Dia nalahatr'i Holoferna ireo ka voarindra ho tahaka ny tafika goavana efa hiady.

17 Naka rameva sy boriky ary mole marobe io filoha io mba hitondra entana; naka ondry aman'osy ary omby tsy tambo isaina koa izy mba ho tohan'aina ara-tsakafo.

18 Teo ny vatsy ho an'ny miaramila tsirairay avy; teo koa ny volafotsy amam-bolamena betsaka hanaramana azy.

19 Dia niainga i Holoferna mbamin'ny tafiny manontolo hialoha an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy handrakotra ny vohon-tany, ao andrefana ao, amin'ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly ary ny miaramila an-tongotra izay voafantina.

20 Nisy mpiantafika hafa niaraka taminy, ka tsy tambo isaina toy ny valala na toy ny fasika any an-taniefitra ireo.

21 Niala tao Ninive izy rehetra ireo, ka telo andro ihany dia tonga tao amin'ny lemak'i Bektileta, ary avy teo dia lasa nitoby akaikin'ny tendrombohitra avaratr'i Silisia am-patrana.

22 Tamin'izay no nentin'i Holoferna ny tafiny manontolo, na miaramila an-tongotra na mpitaingin-tsoavaly na kalesy, ka nihanaka tany amin'ny faritra be tendrombohitra.

23 Nataony resy i Poto sy iLoda, ary norobainy avokoa ireo taranak'i Rasy na ireo taranak'i Jismahela izay samy niorim-ponenana teo akaikin'ny taniefitra, tao atsimon'i Keleona.

24 Avy eo nita ny ony Eofrata i Holoferna, dia namakivaky an'i Mezopotamia sy nandrava ny tanana mimanda rehetra teny amoron'ny ranon-driaka Habrona ary tafapaka hatrany amin'ny Ranomasina Mediteranea.

25 Voatanany koa ny faritr'i Silisia ka nofongorany avokoa ny mpanohitra; ary nianatsimo izy ka tafapaka hatrany amin'ny ny faritanin'i Jafeta, izay mifanila amin'i Arabia.

26 Voahodidin'i Holoferna ny Midianita rehetra, nodorany ny tobim-pilasiany ary nataony babo ny biby fiompiny.

27 Tamin'ny fotoana fijinjam-bary no namakivakiany ny lemak'i Damasy, ka nodorany avokoa ny vokatra, nataony ringana ny biby fiompy na omby na ondry aman'osy, norobainy ny tanana, nosimbany ny saha, ary nofongoriny tamim-tsabatra ny zatovo rehetra.

28 Tahotra sy horohoro no nianjady tamin'ny mponina rehetra amoron-tsiraka, dia izay nonina tao Tsidona sy Tiro mbamin'izay tao Soro sy okina ary Jamnia. Raiki-tahotra mafy koa ny mponin'i Azota sy i Askelona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574