Jodita
Toko faha-6
1 Rehefa nitsahatra ny sahotaka tamin'ireo vatan-dehilahy manodidina ny filan-kevitry ny samy manam-pahefana, dia i Akiora no nitenenan'i Holoferna komandy faratampon'ny tafika asirianina, ka teo anatrehan'ny olona vahiny sy moabita no nanaovany hoe:2 -Zovy moa ianao, ry Akiora, ary zovy moa ianareo voavidin'ny Israelita? Mihamboho mpaminany miteny aminay ianao raha tahaka iny androany iny; ary lazainao fa tsy tokony hiady amin'ny Israelita izahay satria ilay Andriamaniny no hiaro azy. Fa iza no andria
3 Izahay kosa dia mpanompon'i Nebokadnetsara; ka hataonay indray mamely fotsiny ny Israelita tsy ho voatohitr'ireo ny fivatravatran'ny mpitaingin-tsoavalinay.
4 Hasainay ho dorana velona izy; hamonto ny tendrombohitra ny rany ary handrakotra ny lemaka ny fatiny. Tsy ho afa-kijoro hanohitra izy eo anoloanay, fa dia haringana tanteraka, araka ny andidian'i Nebokadnetsara mpanjaka, ilay mpifehy ny tany tontolo. Efa niteny ny mpanjaka; ary tsy maintsy hihatra ny baiko nataony.
5 Ny aminao kosa, ry Akiora, ry ilay Hamonita voavidy ity, dia araka ny maha mpamadika anao no nitenenanao teo. Koa tsy hahita ny salovan-tavako intsony ianao manomboka anio, mandra-pamaizako an'ireo olona nitsoaka avy tany Ejipta ireo.
6 Rehefa hiverina aho, dia ny miaramilako sy ny manamboninahitro no hanatrobaka sabatra sy lefona ny tehezanao; ka ho faty eo anivon'ny Israelita voavono ianao.
7 Ho entin'ireo mpanompoko any amin'ny faritra be tendrombohitra ianao izao, ary havelany ao amin'ny tanana anankiray eny amin'ny kisolosolo eny;
8 ka tsy ho faty ianao, raha tsy efa hofongorana miaraka amin'ny Israelita.
9 Raha matoky ao am-ponao ianao fa tsy ho voasambotra ireo, dia aza kivy endrika. Saingy efa niteny kosa aho, ary tsy maintsy hihatra ny teniko.
10 Ary nodidian'i Holoferna ireo mpanompony tao an-trano lainy mba hisambotra an'i Akiora sy hitondra azy any Betoliaka hanolotra azy ho eo an-tanan'ny Israelita.
11 Dia nosamborin'ireto mpanompony tokoa i Akiora, ary nentiny nivoaka ny toby hankeo amin'ny lemaka; avy eo dia lasa nankany amin'ny faritra be tendrombohitra ireo ary tonga teo akaikin'ny loharano izay teo ambanin'ny tananan'i Betolia,
12 ilay tanana izay tery an-tampon-tendrombohitra; ka nony nahita ireto olona tonga kosa ny vatan-dehilahy mpiambina, dia nivoaka ny tanana samy nitondra antsamotady izy rehetra ka nandefa vato hisakanana ireto Asirianina tsy hiakatra ambony kokoa.
13 Dia nihemotra teny am-body tendrombohtra ny Asirianina ka namatotra an'i Akiora sy namela azy teo ary niverina tany amin'ny mpaniraka azy.
14 Nidina avy tao an-tanana kosa ny Israelita, ka tonga teo amin'i Akiora; dia novahany fatorana ralehilahy ary nentiny hankao Betolia sy nasehony tamin'ireo filohan'ny tanana.
15 Tamin'izany andro izany ny filohan'ny tanana dia i Hozia zanakalahin'i Mika avy amin'ny foko simehonita sy i Kabry zanakalahin'i Hotniela ary i Karmy zanakalahin'i Melkiela.
16 Dia novorin'izy telo lahy ny loholona rehetra tao an-tanana; ary ny zatovo sy ny vehivavy koa mba nidodododo nanatrika ny fivoriana. Nentina hankeo afovoan'ny besinimaro i Akiora ary nanontanian'i Hozia ny zava-nitranga.
17 Fony namaly azy i Akiora, dia nitantara izay voalaza nandritra ny filan-kevitr'i Holoferna sy izay teny rehetra nambaran'ny tenany teo afovoan'ireo filohan'ny Asirianina ary koa izay teny feno avona notononin'i Holoferna hamelezana ny vahoaka Israely.
18 Dia niankohoka nitsoaka an'Andriamanitra ny vahoaka tafavory teo ary niantso vonjy taminy nanao hoe:
19 -Ry TOMPO Andriamanitry ny lanitra o, mba jereo ry firehaky ny fahavalonay ,ary amindrao fo izahay amin'izao fietrenay izao. Vahoaka voatokana ho Anao izahay, ka tsinjovy ny manjo anay amin'izao andro izao.
20 Dia nampaherezin'ny olona teo i Akiorasy nanaovany tenim-pankasitrahana fatratra.
21 Taorian'io fivoriana io i Hozia dia nitondra an'i Akiora tany an-tranony ary nanasa koa ny loholona hisakafo hariva. Nandritra ny alina manontolo, dia niantso vonjy tamin'ilay Andriamanitr'i Israely izy rehetra teo.