Jodita

Toko faha-12

1 Tamin'izay i Jodita dia nasain'i Holoferna nampandrosoina tao amin'ny efitrano fisakafoany, ka fitaovana volafotsy no teo an-databatra; ary nodidian'ilay filohan-tafika mba ho avy amin'ny sakafony sy ny divainy no homena an-dravehivavy.

2 Fa i Jodita kosa niteny taminy hoe:-Tsy azoko atao ny mihinana amin'izany zavatra izany, fandrao hanota amin'Andriamanitra aho ; fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko.

3 Dia hoy i Holoferna taminy:-Ka rehefa lany ny vatsy nentinao, dia aiza no hahazoanay sakafo mitovy amin'izany mba homena anao? Tsy misy olona mpiray firazanana aminao manko miaraka aminay.

4 Fa novalian'i Jodita hoe:-Velona ianao, Tompokolahy, ka mianiana aho fa tsy hahalany ireto vatsy ireto izaho mpanompovavinao, alohan'ny hanantanterahan'Andriamanitra amin'ny alalako ny hevitra voakasany.

5 Avy eo nampidirin'ireo mpanompon'i Holoferna tao amin'ny tranolay anankiray i Jodita. Dia natory tao hatrany amin'ny misasakalina ravehivavy. Alohan'ny mangiran-dratsy, dia niarina izy

6 ary nandefa iraka hangataka amin'i Holoferna mba hanome baiko hahafahany mivoaka ny toby mba hivavaka.

7 Dia nodidian'i Holoferna ireo mpiambina mba tsy hisakana azy.Telo andro no nipetrahan'i Jodita teo amin'ny toby. Isaky ny alina izy dia lasa nankany amin'ny hadin'i Betolia ary nandro teo amin'ny loharano.

8 Rehefa tafakatra avy any amin'ilay loharano izy, dia nivavaka tamin'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely mba hitarika azy amin'izay ataony mba hamonjeny ny taranaky ny fireneny.

9 Avy nidio toy izany ravehivavy, dia niverina tao an-tranolay, ary nijanona tao izy, mandra-pandroso sakafo ho azy amin'ny hariva.

10 Tamin'ny andro fahefatra dia nanao fanasana i Holoferna, saingy ho an'ireo mpanompony ihany. Tsy misy nasainy na iray aza ireo komandin'ny tafiny.

11 Ary hoy izy tamin'i Bagoa mpiandraikitra ny raharahany rehetra:-Ndeha ianao mankany amin'ilay vehivavy hebreo izay nampiambenina anao; ka taomy izy hanaiky hisakafo sy hisotro miaraka amintsika.

12 Fahafaham-baraka ho antsika manko ny mamela handeha vehivavy tahaka azy ka tsy hanaram-po aminy; eny,raha tsy tambatambazantsika izy, dia haneso antsika.

13 Niala teo anatrehan'i Holoferna i Bagoa ka nankany amin'i Jodita ary niteny taminy hoe:-Ry andriambavilanitra meva, aoka ianao tsy hisalasala mankany amin'ny Tompoko mba homem-boninahitra eo anatrehany. Hifaly hiara-misotro divay aminy ianao, ka ho finaritra tahaka ny tovovavy asirianina izay mipetraka ao an-dapan'i Nebokadnetsara.

14 Dia hoy ny navalin'i Jodita an'i Bagoa:-Z'inona moa aho no hanohitra iny Tompoko iny? Hataoko faingana ny zavatra rehetra mahafinaritra azy ka ho hafaliana ho ahy mandra-pahatongan'ny andro hahafatesako.

15 Dia lasa i Jodita nametaka ny akanjony tsara indrindra ary niravaka ny fihaingoany rehetra. Nankao amin'ny tranolain'i Holoferna kosa ity mpanompovaviny ka namelatrahoditr'omby tamin'ny tany teo anoloan'ilay filohan-tafika. Io hoditr'omby io no natolotr'i Bagoa an'i Jodita hampiasainy isan'andro mba hahazoany miampatra rehefa misakafo.

16 Dia niditra tao amin'ny tranolain'i Holoferna i Jodita, ary nitsotra teo ambonin'ny hoditr'omby. Dibon-kafaliana tokoa ny fon'i Holoferna ary nangitakitaka aoka izany izy tamin'izay. Nitsiriritra mafy ny hiray amin'i Jodita izy, ary hatramin'ny andro voalohany nahitany azy no efa nitily ny fotoana mety hanangoleny azy.

17 Ka hoy i Holoferna taminy:-Misotroa ary mifalia miaraka aminay ianao!

18 Ary novalian'i Jodita hoe:-Eny, Tompoko, hisotro aho satria androany ny fiainako no nahazo haja mihoatra noho ny andro hafa rehetra hatry ny nahaterahako.

19 Dia noraisin'i Jodita ny efanomanin'ilay mpanompovaviny ka nohaniny sy nosotroiny teo anatrehan'i Holoferna.

20 Nentanin-kafaliana loatra kosa i Holoferna noho ny aminy, ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatry ny nahaterahany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.06