Jodita

Toko faha-16

1 Ary hoy i Jodita hoe: Miventesa hira ho an'ilay Andriamanitro,ka araho amponga tapaka izany; mihira ho an'ny Tompo, ka ivelezo kipantsona izany! Arindrao ny salamo fiderana Azy, asandrato ary antsoy ny anarany.

2 Satria Andriamanitra mampitsahatra ady ny TOMPO sy nanafaka ahy teo am-pelatanan'ny fahavaloko;ny Tompo niorin-toby teo anivon'ny vahoakany ka namerina ahy soa aman-tsara ao an-tobiny

3 Avy any an-tendrombohitra avaratra any no nipoiran'ny tafika asirianina, dia tafika miisa an'alinaliny; ka nahatohana riaka ny hamaroana ary naharakotra havoana ny mpitaingin-tsoavaliny.

4 Nilaza ireto fahavalo fa handoro ireo faritanin'ny firenenay sy hamono ho faty ny zatovonay amin-tsabatra, hanipitsipy ny zaza mbola minono, hitondra ny zanakay ho babo ary hifaoka ny tovovavinay.

5 Saingy ny TOMPOn'izao rehetra izao no nisakana azy tamin'ny alalan'ny tanam-behivavy.

6 Tsy tovolahy tomady no nandavo ilay filohany, tsy lehilahy mahery no nahafaty azy, tsy olona ranjanana no niady namely azy. Fa i Jodita, zanakavavin'i Merary ,no nandresy azy tamin'ny hatsaran-tarehiny.

7 Mba hanafahana an'i Israely amin'ny famoretana,dia nesoriny ny akanjo mahampitondratena azy fa nohosorany ilo manitra ny tarehiny.

8 Nohodidinin'i Jodita fehiloha ny volony; ary nitafy akanjo vita kiran-drongony izy mba hahasarika an'ilay fahavalo.

9 Voasinton'ny kapan'i Jodita ny mason'ilay filohan-tafika, ary jamban'ny bikany; kanjo izany vehivavy izany no nanapa-doha azy tamin'ny sabatra

10 Nampangovitra ny Persianina ny fahasahiany,ary nampihorohoro ny Medianina ny herimpony.

11 Dia velona akoran'ady ilay firenenay voaetry,ka raiki-tahotra azy ny Asirianina; nanakora ilay vahoakanay efa nihaona ka nahataitra ireo fahavalo; nihorakoraka tokoa ny vahoakanay ka nampivarahontsana azy.

12 Nogorobahin'ny Israelita ireo tsy vanon-ko olona ireo ka voaratra mila ho faty no nitsoaka nandositra toa kanosa. Ka maty ireo fahavalo ireo, satria ny Tompo no niady taminy.

13 Hihirako hira vaovao ilay Andriamanitro :Tompo o, lehibe sy heni-boninahitra ianao. Mampitolagaga ny herinao ary tsy hay toherina.

14 Izay rehetra noarinao aoka hanompo Anao;satria niteny Ianao, dia nisy ireo ary nandefasanao ny Fanahinao hampirindra azy.Tsy misy olona mahatohitra ny teninao.

15 Nihozongozona ifotony ny tendrombohitra, ka nazera ho any anaty ranomasina; ary niempo toy ny savoka ny vatolampy. Izay mpanaja Anao kosa, Tompo o, dia toloranao fanambinana.

16 Satria zavatra kely loatra ny sorona mba hankasitrahanao ny etony; ny jaborany dorana manontolo ho Anao dia tsy manan-danja firy eo imasonao. Fa izay manaja ny Tompo no manan-daza mandrakizay.

17 Loza ho an'ireo hafa firenena mamely ny firenenay Ny Tompon'izao rehetra izao no hamaly azy amin'ny andron'ny fitsarana; ka ho lanin'ny afo sy ny olitra ny nofony, ary haharitra mandrakizay ny tomanim-pahoriany.

18 Rehefa tonga tany Jerosalema izany vahoaka nilahatra izany, dia nankao an-tempoly hiankohoka amin'Andriamanitra. Avy nidio izy rehetra no nanolotra ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo ary ny fanomezana hafa.

19 I Jodita kosa nametraka ho an'ny tempoly ny fitaovana rehetra nananan'i Holoferna ka nomen'ny vahoaka azy. Ilay lamba aromoka, izay nalainy tao an'efitranon'i Holoferna , dia natolony an'Andriamanitra ho babo voatokana ho Azy.

20 Nandritra ny telovolana no nifaly teo anoloan'ny Toeramasina ny vahoaka; ary nijanona niaraka tamin'ireo i Jodita.

21 Taorian'ny andro fety dia samy nody tany am-ponenany avy ny olona. I Jodita koa niainga nankany Betolia ary niaina tao amin'ny zarataniny. Dia nahazo laza ny tanin'i Israely manontolo tamin'ny fotoanandrony.

22 Maro ny lehilahy naniry hanambady azy. Fa hatramin'ny nahafatesan'i Manase vadiny sy nandevenana azy tao am-pasan-drazany , dia tsy nety nanambady intsony i Jodita nandritra ny andro sisa niainany.

23 Dia nandroso fahanterana sady heni-boninahitra izy. Niaina tao an-tranom-badiny izy ka nahatratra 105 taona. Alohan'ny hahafatesany, dia nanome fahefana ilay mpanompovaviny izy ary nizara ny fananany tamin'ny lafin-kavan'i Manase vadiny sy tamin'ny lafin-kavan'ny tenany. Maty tao Betolia i Jodita ary nalevina tao amin'ny fasam-badiny.

24 Nanao fisaonana azy nandritra ny fito andro ny vahoaka.

25 Tsy nisy olona sahy nanabataba an'i Israely tamin'ny andro niainan'i Jodita sy nandritra ny taona maro taorian'ny nahafatesany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0577