Jodita
Toko voalohany
1 Efa 12 taona tamin'izay no nanjakan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'ny Asirianina, tao Ninive ilay tanana lehibe. Tamin'izany andro izany koa i Arfaksada no efa nanjaka tamin'ny Medianina, tao Ekbatana renivohitra.2 Nanodidina an'i Ekbatana dia nampanorenan'i Arfaksada manda tamin'ny vato vaventy voapaika efa-joro, dia vato mirefy telo metatra ny lavany ary iray metatra sy sasany ny sakany. Io manda io kosa dia nirefy 35 metatra ny haavony ary 25 metatra ny sakany.
3 Teo akaikin'ny vavahadin'ny tanana dia nampanangana ny tilikambo izay nahatratra dimampolo metatra ny haavony ary telopolo metatra ny hatevin'ny fanorenany.
4 Ireo vavahady ireo kosa nahatratra 35 metatra ny haavony ary roapolo metatra ny sakany, satria nokendrena handalovan'ireo tafika matanjaka sy ireo antoko miaramila an-tongotra.
5 Tamin'izany taona faha-12 nanjakany izany ary i Nebokadnetsara no niady tamin'io Arfaksada mpanjaka io, teo amin'ny tany lemaka anatin'ny faritr'i Ragao.
6 Ny mponina rehetra tany an-tendrombohitra sy ny mponina rehetra teo amoron'ny ony Eofrata sy Tigra ary Hidaspa dia nitambatra tamin'i Nebokadnetsara; nomba azy koa ny mponina teo an-tany lemaka sy nofehezin'i Arioka mpanjakan'i Elimaida. Tafika avy amin'ny firenena maro no vory hiandany amin'ny Babilonianina.
7 I Nebokadnetsara, mpanjakan'i Asiria, dia nandefa iraka hatraiza hatraiza: na tany amin'ny mponina rehetra any Persia; na tany amin'ny mponina rehetra teo amin'ny faritra andrefana, izany hoe tao Silisia sy Damasy ary Libano sy Antilibano ka hatrany amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mediteranea;
8 na tany amin'ny vahoaka teo amin'ny tendrombohitra Karmela sy tao amin'ny faritr'i Gilehada ary tao Galilea ampatrana sy tao Jizrehela izay lemaka midadasika;
9 na tany amin'ireo tananan'i Samaria sy ny faritra ampita atsinanan'i Jordana ka hatrany Jerosalema sy Batanea ary Kelosy sy Kadesa. Nandefasan'i Nebokadnetsara iraka koa hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta sy hatrany Tapanesa sy Ramsesa ary hatrany amin'ny faritr'i Gosena manontolo;
10 nandefasany koa aza hatrany ankoatran'i Tanisy sy i Memfisa, tany amin'ireo olona hafa rehetra mponin'i Ejipta, ary hatrany amin'ny sisintanin'i Etiopia.
11 Kanefa ny mponina rehetra tamin'ireo faritra isan-tokony ireo dia tsy niraharaha ny hafatra nalefan'i Nebokadnetsara, mpanjakan'i Asiria, ka tsy mba nivory hiady miaraka aminy; tsy natahorany manko i Nebokadnetsara izay toy ny olona tsotra fotsiny ihany teo imasony. Koa nitondra tanam-polo sy rakotry ny henatra ireo iraky ny mpanjaka ireo, rehefa niverina.
12 Nisafoaky ny hatezerana tamin'ireo faritra isan-tokony ireo kosa i Nebokadnetsara; ka ny seza fiandrianany sy ny fahefana maha mpanjaka azy no antoka nianianany fa hamaly ratsy ny olona rehetra amin'ny faritr'i Silisia sy i Damasy ary Siria izy, sady hamono hahafaty ny mponina rehetra amin'ny faritr'i Moaba sy i Hamona ary koa i Jodea manontolo mbamin'ny mponina rehetra any Ejipta nany eo amoron'ny Ranomasina Mediteranea na ny eo amoron'ny Ranomasina Mena.
13 Tamin'ny taona faha-17 nanjakany koa i Nebokadnetsara dia nandahatra ny tafiny hiady amin'i Arfaksada, ka nandresy azy ary nampandositra ny tafik'io Arfaksada io mbamin'ny mpitaingin-tsoavaliny sy ny kalesiny rehetra;
14 dia nalain'i Nebokadnetsara ireo tananany, ary tafapaka tao Ekbatana izy ka nahazo ny tilikambony sy nandroba ny kianjany ary nandrava izany tanana kanto izany.
15 Tany an-tendrombohitr'i Ragao no nisamboran'i Nebokadnetsara an'i Arfaksada, ka notsatotsatohany lefom-pohy izy ary nataony fongotra teo tsy hisy intsony.
16 Dia niverina tany Ninive i Nebokadnetsara niaraka tamin'ny tafiny manontolo nisy miaramila mpiady tsy tambo isaina; ary indray nijanona teo izy rehetra ka niala sasatra sy nanao lanonana nandritra ny 125 andro.