Jodita

Toko faha-13

1 Nony hariva ny andro, dia samy dodona hody ireo mpanompon'i Holoferna. I Bagoa no nanakatona avy ety ivelany ny tranolain'i Holoferna ary nampihataka ny olona nasaina. Lasa namonjy fatoriana ireo satria sasatra avokoa noho ny fisotroana tafahoatra.

2 I Holoferna izany doroky ny divay ka nivalandotra teo am-pandriany;i Jodita irery sisa no tavela teo akaikiny, tao an-tranolay.

3 Nilazan-dravehivavy ny mpanompovaviny mba hijoro ao ivelan'ny efitrano fandriana sy hiandry ny hivoahany hiala ny toby. Efa niteny manko i Jodita fa handeha hivavaka tahaka ny tamin'ny andro hafa izy. Zavatra toy izany koa no efa nambarany tamin'i Bagoa.

4 Niala teo anatrehan'i Holoferna daholo ireo mpanompony; ka tsy nisy, na dia iray aza, nijanona tao amin'ilay fatoriany. Nijoro teo akaikin'ny fandrian'i Holoferna i Jodita no nanao anakampo hoe: "Ry TOMPO Andriamanitry ny hery rehetra o, mba ambino amin'ity ora ity ny asa hotontosaiko mba ho fisandratan'i Jerosalema.

5 Izao no fotoana hamonjenao ny vahoakanao ka hanatanterahako ny tetika no volavolaiko mba handringanana ny fahavalo nanohitra anay."

6 Taorian'izay i Jodita dia nanatona ny baram-parafara teo akaikin'ny lohan'i Holoferna ka naka ny sabany teo.

7 Dia nanakaiky kokoa ny fandriany izy ary nandray ny volon'i Holoferna sady niteny hoe: "Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, mba herezo aho amin'izao ankehitriny izao!"

8 Dia indroa i Jodita nanjanjana mafy an'i Holoferna teo amin'ny vozony ka nahatapaka ny lohany.

9 Avy eo nakodiany tamin'ny tany ny vatany tapa-doha ary notsoahany tamin'ny andrim-parafara ny lamba aromoka ; dia nivoaka faingana ny efitrano izy nitondra ny lohan'i Holoferna izay natolony an'ilay mpanompovaviny;

10 ary nasitrik'ity mpanompovavy tao anaty kitapom-batsy izany. Dia niara-niainga izy roa vavy, araka ny fanaony handeha hivavaka. Rehefa namakivaky ny toby izy, dia niolaka nanodidina ny hady ary nananika ny tendrombohitr'i Betolia ka tonga teo am-bavahadin'ny tanana.

11 Mbola lavitra i Jodita no niantsoantso tamin'ny mpiambina ny manda hoe:-Vohay, vohay faingana ny vavahady! Momba antsika ilay Andriamanitra Andriamanitsika mba haneho indray ny fahefany hanasoavany an'i Israely ary ny heriny hamelezany an'ireo fahavalontsika. Izao androany izao no nanaovany izany.

12 Vao nandre ny feon'i Jodita ny mponin'i Betolia, dia nidina faingana hankeo am-bavahadin-tanana ary nampiantsoan'ireo loholona.

13 Nirohotra teo ny besinimaro hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, satria sarotra ninoana mihitsy ho azy ny hiverenan'i Jodita. Novohana ny vavahady ary noraisin'ny olona izy roa vavy. Nisy afo narehitra mba hahitana mazava kokoa, ary nitangorona na izy roa vavy.

14 Dia nanao feo mahery i Jodita no niteny taminy hoe:-Derao Andriamanitra, derao Izy. Derao Andriamanitra Izay tsy nanaisotra ny famindrampony tamin'ny vahoaka Israely. Ny tanako no nanamontsanany, tamin'ity alina ity, ny fahavalontsika.

15 Tamin'izay i Jodita no nanatsoaka lohan'olona avy tao an-kitapo ary naneho izany tamin'ny besinimaro:-Inty ny lohan'i Holoferna, ilay filoha faratampon'ny tafika asirianina. Ary inty ny lamba aromoka izay nisaronany fony izy nandry doroky ny divay. Ny TOMPO no namely azy tamin'ny tanam-behivavy.

16 Velona ny TOMPO Ilay niaro ahy tamin'izay lalana nalehako, ka milaza ny marina aho fa ny bikako no nambabo an'i Holoferna hahavoa azy. Tsy afa-nanao fahotana tamiko izy, ka tsy nahatonga henatra sy fahafaham-baraka ho ahy.

17 Talanjona tokoa ny olona rehetra, ka niondrika nitsaoka an'Andriamanitra sy indray niteny hoe: "Derainay Ianao ry Andriamanitray o, noho ny nandringananao androany ireo fahavalon'ny vahoakanao!"

18 Ary hoy i Hozia tamin'i Jodita:-Anaka, hotahin'ilay Andriamanitra Avo Indrindra anie ianao mihoatra noho ny vehivavy rehetra eto ambonin'ny tany ! Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany! Izy no nitarika anao hanapa-doha ilay filohan'ny fahavalontsika.

19 Tsy hohadinoina na oviana na oviana ny nitananao fanantenana; ho tsarovan'ny olona hatrany izao hery nasehon'Andriamanitra izao.

20 Enga anie Andriamanitra hanandratra anao mandrakizay! Ary enga anie izy hanototra soa anao satria tsy nitsitsy aina ianao fony tao anaty fietrena ny mpiray firazanana aminao! Nataonao dify antsika ny faharavana tamin'ny hitsimpo nizoranao teo anatrehan'Andriamanitra. Dia novalian'ny olona rehetra teo hoe:- Amen! Hotanteraka anie izany!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563