Jodita
Toko faha-8
1 Tamin'izay andro izany i Jodita no nandreny zava-nitranga. Io Jodita io dia zanakavavin'i Merary izay zanakalahin'i Oksa, zafin'i Josefa, zafiafin'i Hoziela, zafin-dohalik'i Hilkia, zafin-kitrokelin'i Hanania, zafim-paladian'i Gidehona, ary zafin-dorian'i Rafaina, dia i Rafaina zanakalahin'i Ahitoba, zafin'i Elia, zafiafin'i Hilkia, zafin-dohalik'i Elia ba, zafin-kitrokelin'i Natanaela, zafim-paladian'i Selomiela ary zafin-dorian'i Sarasaday, dia i Sarasaday zanakalahin'i Simehona ary zafin'i Jakoba.2 Ny vadin'i Jodita dia i Manase izay iray foko sy iray tarika aminy. Io Manase io dia maty tamin'ny fotoam-pijinjana orza.
3 Iny izy nijery ny mpifehy amboaram-bary teny an-tsaha iny no voan'ny hainandro mahery ny lohany; dia nilamaka am-pandriana i Manase ka maty tao Betolia tananany ihany ary nalevina tao amin'ny fasan-drazany, tao amin'ilay saha izay teo anelanelan'i Dotana sy i Balamona.
4 Efa telo taona sy efa-bolana izao no nahampitondra tena an'i Jodita. Nijanona tao an-tranony hatrany izy;
5 teo amin'ny tafon-trano marin-tampona, dia nampanorenany trano tomboka hitokanany. Nitafy akanjo maha mpitondratena izy, kanefa nasiany akanjo anaty malailay izany.
6 Taorian'ny nahafatesan'ny vadiny, dia nifady hanina isan'andro i Jodita, afa-tsy ny andro sabata na tsinam-bolana sy ny andro mialoha azy ary koa amin'ny andro fety hafa firavoravoan'ny vahoaka Israely.
7 Tsara bika ravehivavy ary nanan-toetra maha te ho tia. Harembe no navelan'i Manase vadiny ho azy, dia volamena sy volafotsy, mpanompo na lahy na vavy, andiam-biby fiompy ary saha famboly; ka nokarakarainy avokoa izany.
8 Tsy nisy olona niteny ratsy azy satria fatra-panaja an'Andriamanitra izy.
9 Henon'i Jodita ny teny fanakianana nataon'ny mponina tamin'ilay lehiben'ny tanana, satria kivin'ny tsy fahampian-drano ireo. Henon'i Jodita koa ny teny rehetra nolazain'i Hozia tamin'ny olona ka nianianany fa hatolony amin'ny Asirianina ny tanana rehefa lasa ny andro dimy tsy ahazoam-pamonjena.
10 Koa ilay mpanompo vavy mpiandraikitra ny fananany rehetra no nirahin'i Jodita ho any amin'i Hozia sy i Kabry ary i Karmy izay samy loholon'ny tanana mba hanasa azy hankao an-tranon'i Jodita.
11 Rehefa tonga tao amin'i Jodita izy telolahy, dia hoy ravehivavy taminy:-Mba henoinareo aho, ry filohan'ireo mponina eto Betolia. Diso iny teny voalazanareo tamin'ny vahoaka androany iny, fony ianareo nanao fianianana mamatotra an'Andriamanitra sy ny tenanareo. Tsy tokony nampanantena hanolotra ny tanana amin'ny fahavalontsika ianareo, raha tsy tonga hitondra famonjena ho antsika ny TOMPO ato anatin'ny dimy andro.
12 Fa iza ianareo no mihantsy ny TOMPO toy izao nataonareo androany izao sy maka ny toerany eo anivon'ny taranak'olombelona?
13 Eny, maka fanahy an'Andriamanitra ianareo, saingy na oviana na oviana ianareo tsy hahalala na inona na inona amin'izay kendreny.
14 Ny halalin'ny fon'olombelona aza tsy fantatrareo ary tsy arakareo akory ny eritreritry ny fisainany. Koa ahoana no hahatakaranareo an'ilay Andriamanitra nanao ireny rehetra ireny? Ahoana no hahafantaranareo izay heviny na hahazoanareo an-tsaina izay kendreny? Tsia, ranadahikoisany, aza mampahatezitra ny TOMPO Andriamanitsika ianareo.
15 Raha tsy te ho tonga hamonjy antsika Izy ato anatin'ny dimy andro, dia manam-pahefana Izy hiaroantsika amin'ny andro izay tiany na handringana antsika eo anoloan'ny fahavalontsika.
16 Aza mitaky antoka ny amin'izay kasain'ny TOMPO Andriamanitsika hatao, satria tsy mba tahaka ny olombelona Izy ka hoe horahonana hanao zavatra na hoterena hifampiraharaha.
17 Noho izany, eo am-piandrasana ny hamonjeny antsika dia aoka isika hiantso vonjy aminy hatrany; ka hihaino vavaka antsika Izy, raha izany no sitrapony.
18 Tamin'ireo taranaka niaraka tamintsika na tamin'izao andro ankehitriny izao dia tsy nisy foko na tarika na fianakaviana na mpiray tanana amintsika hoe niankohoka nitsaoka andriamanitra nataon-tanan'olona. Kanefa izany no fanao taloha,
19 tamin'ny andron'ireo razambentsika; ka nahatonga azy hianjadian'ny ady sy ny fandrobana ary hiharam-pahavoazana lehibe teo anoloan'ny fahavalontsika.
20 Fa isika tsy mitsaoka andriamani-kafa ankoatra ny TOMPO, ka manantena fa tsy handao ny tenantsika Izy ary tsy hanaisotra ny indrafo amam-pamonjeny amin'ireo mpiray firazanana amintsika;
21 satria raha azon'ny fahavalo isika, dia ho azony koa i Jodea manontolo, ho voaroba ny tempolintsika ary hanadinan'Andriamanitra antsika ny nanimbazimbana azy.
22 Isika no hataony tompon'andraikitra raha ho voavono ho faty ny mpiray tanindrazana amintsika na ho entina ho babo ny mponina na ho rava ny tanintsika. Handevozin'ny firenena vahiny isika, ary ho esoiny sy hotsiratsirainy.
23 Tsy hahazoantsika fitserana akory izany fanandevozana antsika izany, fa hataon'ny TOMPO Andriamanitsika hampahamenatra antsika mihitsy aza.
24 Izao kosa, ranadahy isany, aoka hasehontsika amin'ny mpiray tanindrazana amintsika fa miankina amintsika ny tsy hahafaty azy, miankina amintsika ny Toeramasina sy ny tempoly ary ny alitara fisoronana.
25 Ireo antony rehetra ireo no aoka hisaorantsika ny TOMPO Andriamanitsika amin'ny itsapany antsika tahaka ny efa nataony tamin'ny razambentsika.
26 Tsarovy ny nataony tamin'i Abrahama sy ny nitsapany an'i Itsehaka; tsarovy ny nihatra tamin'i Jakoba tany Mezopotamia fony izy niandry ny ondrin'i Labana anadahin-dreniny.
27 Toy ny nampandalovin'Andriamanitra tamin'ny afo ireo mba hamantarany ny toe-pony. Kanefa tsy tahaka izay nataony tamin'ny razambentsika no nataony tamintsika; tsy mba nampiharany sazy isika. Raha mikapoka ny olona akaiky Azy ny TOMPO, dia mba ho fanairana an'ireo.
28 Dia hoy i Hozia tamin'i Jodita:-Ny zavatra rehetra voalazanao dia nambaranao araka ny toe-po tsara; ary tsy misy afa-manohitra ny teninao.
29 Tsy hoe vaoandroany akory no nisehoan'ny fahendrenao;efa hatry ny fahatanoranao no nahalalan'ny olona rehetra ny fahiratan-tsainao sy ny hatsaran'ny fironam-ponao.
30 Saingy izao: nangetaheta mafy ny vahoaka, ka nanery anay hanao araka izay voalazanay taminy ary hamato-tena amin'ny fianianana izay tsy hivadihanay.
31 Noho izany, aoka ianao hivavaka amin'ny TOMPO ho anay, satria vehivavy tia vavaka ianao; dia handefasany orana isika, ary ho feno indray ny famorian-dranontsika, ka tsy ho reraka intsony isika.
32 Hoy kosa i Jodita tamin'ireo loholona telo lahy:-Mba henoy kely aho fa hanao zavatra izay hifampitantaran'ireo taranatsika amin'ny taona mifandimby.
33 Hijanona eo am-bavahadin-tanana ianareo telo lahy anio alina; dia hivoaka ny tanana izaho sy ilay mpanompovaviko. Alohan'ny hahatapitra ny fe-potoana na raikitrareo hanolorana ny tanana amin'ny fahavalontsika, dia hamonjy an'i Israely amin'ny alalako ny TOMPO.
34 Ianareo kosa aza manadihady izay hataoko,satria tsy holazaiko anareo izany alohan'ny hanatontosako azy.
35 Dia hoy i Hozia sy ireo loholona roalahy tamin'i Jodita:-Mandehana ombam-piadanana; ary aoka ny TOMPO Andriamanitra no hitarika anao hanafay ny fahavalontsika!
36 Dia niala tao amin'ny trano tomboka fisitahan'i Jodita izy telo lahy ary niverina tany amin'ny toeram-pitiliany.