Jodita

Toko faha-9

1 Tamin'ny fotoana hariva fanolorana ny vovo-javamanitra tao an-tranon'Andriamanitra tao Jerosalema no nihohoka tamin'ny tany i Jodita. Nohosorany lavenona ny lohany ary nasehony ny akanjo malailay fitondrany ho fitafiana anatiny; ka feo avo no niantsoany vonjy tamin'ny TOMPO hoe:

2 -TOMPO o, Ianao no Andriamanitr'ilay Simehona razambeko. Notoloranao sabatra izy hamaliany ny olona hafa firenena izay namaha ny fehikibon'ny anabaviny mba handotoany azy. Nitondra henatra ho an'ilay tovovavy ary nahafa-baraka azy ny nanendahany akanjo az

3 Izany no nanoloranao an'ireo lehibeny haringana. Anjarany koa ny mba ho voafitaka: ny farafara izay nanalany baraka an'ilay tovovavy manko no tonga henika ny ran'ireo mpametaveta azy. Niaraka tamin'ny tompony no namelezanao ny mpanompo ary teo amin'ny seza fiandrianany no namelezanao ireo manampahefana.

4 Navelanao hobaboina ny vehivavy vadiny ary nentina handevozina ny zanany vavy. Izay rehetra fananany nifampizaran'ireo olona notiavinao, dia ny Israelita izay nazoto niraiki-po taminao. Naharikoriko an'ireto Israelita ireto manko ny fanalam-baraka ity anabaviny, ka dia izay no niantsoany vonjy taminao. Ry Andriamanitra Andriamanitro o, mba henoy aho, dia izaho izay mpitondratena.

5 Ianao manko no nanao ny zava-nitranga fahagola sy izay talohany ary koa taoriany. Ny toe-javatra ankehitriny sy ho avy dia samy nosaintsaininao; ka izay nosaintsaininao no nihatra.

6 Ny zavatra nokasainao no niseho sy niteny hoe: "Indreto izahay!" Ireo asanao rehetra dia voaomanao ary ny fanapahan-kevitrao efa fantatrao mialoha.

7 Hitanao, Tompo o, fa tafika marobe no an'ny Asirianina; nirehaka izy tamin'ny soavaliny sy ny mpitaingin-tsoavaliny, ary niavonavona tamin'ny herin'ireo miaramilany an-tongotra; nitokiany ny lefona aman'ampingany, ary ny tsipika aman'antsamotadiny. Hadinony fa Ianao no ilay TOMPO afa-mampitsahatrany ady.

8 Ny TOMPO no anaranao:koa poteho amin'ny fahefanao ny heriny ary ataony mianotra amin'ny fahaviniranao ny tafiny fa nikasa hanimbazimba ny Toeramasinao izy sy handoto ny fonenana itoeran'ny anaranao be voninahitra ary handrodanany tandroky ny alitaranao amin'ny famaky.

9 Jereo ny fiavonavonany, Tompo o, ary ale fa so ny faha vinira nao hiantonta amin'ny lohany. Izaho izay mpitondratena mba omeo ny hery hanatanterahako ny zavatra nokasaiko.

10 Ampiasao ny teny manodoka hotononiko mba hamelezana ny mpanompombamin'ny Tompony, izay hoe ireo miaramila mbamin'ny filohany. Ataovy montsan'ny tanam-behivavy ireo avo ranjanana ireo.

11 Ny herinao tsy miankina amin'ny hamaroana; ny fahefanao tsy miankina amin'ny matanjaka; fa Andriamanitry ny manetry tena kosa Ianao, ka manampy ireo madinika sy manohana ireo osa ary miaro ireo manirery sy mamonjy ireo kivy.

12 Eny tokoa, ry ilay Andriamanitry ny razambeko, Andriamanitry ny tanin'i Israely, Mpifehy ny tany aman-danitra, Mpahary ny rano, ary Mpanjakan'ny voaary rehetra, mba henoy vavaka aho.

13 Enga anie ny teny manodokahataoko no handratra sy hamono hahafaty an'ireo olona nanao tetika mahatsiravina hanoherana ny fanekempihavananao sy ny tempolinao masina, ny tendrombohitra Tsiona ary ny tany onenan'ny olonao.

14 Ataovy fantatry ny firenenao manontolo sy ny foko isan-tokony fa Ianao no Andriamanitry ny hery amam-pahefana rehetra sady tsy misy miahy ny taranak'i Israely afa-tsy Ianao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555