Jodita

Toko faha-10

1 Rehefa nitsahatra niantso vonjy tamin'ilay Andriamanitr'i Israely i Jodita ka nahavita ireo teny rehetra ireo,

2 dia niarina avy teo am-piankohofana izy ary niantso ilay mpanompovaviny. Dia nidina izy nankao anaty trano izay tsy itoerany afa-tsy amin'ny andro sabata sy amin'ny fankalazana.

3 Nesorin'i Jodita ny akanjo malailay fitafiany sy ny akanjo maha mpitondratena azy. Dia nandro izy ary nihosotra ilo manitra sarobidy; avy eo izy namboatra volo ary nametaka fehiloha teo sy nitafy ny akanjo tsara fitondrany fony fahavelon'i Manase vadiny.

4 Dia namehy kapa izy ary nametraka firavaka isan-karazany: fehivozona sy fehin-tanana, ary peratra sy kavina mbamin'ny haingo rehetra fanaony. Dia nirenty tsara tokoa i Jodita mba hahasarika ny mason'ireo lehilahy rehetra hahita azy.

5 Nomeny hoentin'ilay mpanompovaviny kosa ny divay iray siny hoditra sy ny menaka iray tavoara. Nisy kitapo iray nofenoin'i Jodita lafarinina orza sy mofomamy miharo voankazo maina ary mofo sy fromazy ; nofonosiny tsara ireo vatsy rehetra ireo ary nankininy koa tamin'ilay mpanompovaviny.

6 Avy eo izy roa vavy dia nizotra nankany am-bavahadin'ny tanana; ka hitany teo i Hozia mbamin'izy roa lahy loholon'ny tanana, dia i Kabry sy i Karmy, izay teo amin'ny toeram-piambenana.

7 Rehefa nahita an'i Jodita niova bika sy nisolo fitafiana toy izany izy telo lahy, dia variana tamin'ny hatsaran-tarehiny ka niteny taminy hoe:

8 -Enga anie ilay Andriamanitry ny razantsika hanome fahombiazana anao ary hamela anao hanatanteraka izay kendrenao hatao mba ho voninahitry ny vahoaka Israely sy ho fisandratan'i Jerosalema.

9 Dia niondrika nitsaoka an'Andriamanitra i Jodita ary niteny tamin'izy telo lahy hoe:-Asaovy vohaina ny vavahadin'ny tanana mba hahazoako mandeha any ivelany hanatontosa ny zavatra efa noresahiko taminareo. Dia nodidian'izy telo lahy ireo zatovo mpiambina mba hamoha vavahady an'i Jodita araka ny fiangavian-dravehivavy.

10 Dia nataon'ireo izany; ary lasa nivoaka ny tanana i Jodita niaraka tamin'ilay mpanompovaviny. Ny vatan-dehilahin'i Betolia dia nijery an-dravehivavy hatrany mandra-pahatafidiny ny tendrombohitra ka nirosoany hamakivaky ny lohasaha. Avy eo dia tsy tazany intsony izy.

11 Nandroso mahitsy nanara-dohasaha izy roa vavy ka notsenain'ny miaramila asirianina antoko-mpiambina lohalaharana.

12 Najanon'ireo i Jodita ka nanontaniany hoe:-Lafin'iza ianao, ary avy aiza ka ho aiza? Dia novaliany hoe:-Vehivavy anisan'ny Hebreo aho, ary nandositra avy any aminy satria fantatro fa efa hatolotra ho rembinareo izy.

13 Tonga hifanatrika amin'i Holoferna filohan-tafikareo aho mba hampahalala azy ny tena toe-javatra. Hasehoko azy ny lalana tokony hizorany mba hifehezany ny faritra be tendrombohitra manontolo; ka tsy hisy hahafatesana ny miaramilany na dia anankiray aza.

14 Nihaino an'i Jodita ireto miaramila sady nandinika ny tarehiny; ka hitany ho mahavariana tokoa ny bikany. Ary hoy ireo taminy:

15 -Namonjy ny ainao ianao amin'izao dodona hifanatrika amin'ny mpifehy anay izao. Koa mandehana ianao mankany an-trano lainy. Hiara-dia aminao ny sasany aminay mba hanolotra anao ho eo ambany fahefany.

16 Rehefa tonga eo anoloan'i Holoferna ianao, dia aza matahotra ao am-ponao;fa avereno ny zavatra voalazanao taminay, dia ho tsara fitondra anao izy.

17 Tamin'izay ireo mpiambina no nanendry andia-miaramila anisan'ny antokony mba hiara-dia amin'i Jodita sy ilay mpanompovaviny ka hitarika azy hankany amin'ny tranolain'i Holoferna.

18 Tao amin'ny toby manontolo dia nirohotra nitangorona ny olona, satria niampitampita isan-tranolay ny fanambarana fa hoe tonga i Jodita. Nohodidin'ireo olona ireo ravehivavy fony izy mbola teo ivelan'ny tranolain'i Holoferna, nandritra ny nampandrenesana an'ilay filohan-tafika.

19 Nigaga ny bikan'i Jodita ny olona ary nigaga koa ny Israelita noho ny aminy, ka nifampilaza hoe:-Ahoana no hanivaivaina firenena izay manana vehivavy bikana toy itony? Hampidi-doza ny mamela Israelita ho velona aina, na dia anankiray monja; izay sisa tavela eo dia mety hanodoka ny tany manontolo.

20 Dia nivoaka ny tranolay ireo mpiambina an'i Holoferna ary koa ireo rehetra manamboninahiny, ka nampiditra an'i Jodita hankao an-tranolay.

21 Tamin'izay i Holoferna dia niala sasatra teo am-parafarany, tao ambany voaly aromoka, dia voaly vita tamin'ny karazan-damba jaky sarobidy, voahaingo volamena sy emeralda ary vatosoa hafa koa.

22 Rehefa nampandrenesina azy ny amin'i Jodita, dia nandroso nankeny am-baravaran'ny tranolay izy, ka nisy fanilo volafotsy nentina nialoha lalana azy.

23 Vantany vao tonga teo anoloan'i Holoferna sy ireo manamboninahitra kosa i Jodita, dia ny besinimaro no nigaga ny hatsaran'ny bikany; niondrika nitehi-tany ravehivavy teo anoloan'ilay filohan-tafika, fa natsangan'ireo mpanompo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561