Jodita

Toko faha-3

1 Nandefa iraka ho any amin'i Holoferna ireo mponina amoron-tsiraka ireo mba hitondra tenim-pihavanana manao hoe:

2 -Indreto izahay mpanompon'i Nebokadnetsara mpanjaka lehibe fa tonga manatrika anao. Ataovy izay tianao hatao aminay.

3 Ny toby fambolenay sy fiompianay, ny sahanay, ny tanimbarinay, ny omby sy ondry aman'osinay ary ny tanimbilona rehetra anananay dia samy azonao anaranam-po. Ataovy izay hataonao aminy.

4 Anao ny tanananay, ary mpanomponao ny mponina ao aminy. Tongava amin'ireo tanananay ireo araka izay sitrakao.

5 Tonga teo anatrehan'i Holoferna ireo iraka ireo ka niteny taminy araka ireo tenim-pihavanana ireo.

6 Tamin'izay no nandroso nanaraka ny morontsiraka i Holoferna sy ny tafiny. Nametrahany miaramila mpiambina ireo tanana mimanda ary narotsany ho anisan'ny mpiantafika miaraka aminy kosa ireo vatan-dehilahy voafantina.

7 Manerana izany faritany izany, dia olona miravaka fehiloha sy mandihy omban'amponga tapaka no nandray azy.

8 Nandrava ny trano fivavahana i Holoferna sady nanapatapaka ny hazo masina. Baiko nomena azy manko ny hamongotra ny andriamanitra rehetra eran'ny tany noteteziny, hany ka hitsaoka an'i Nebokadnetsara irery ihany ny firenena rehetra, ary hiantso azy ho andriamanitra ny fiteny sy ny foko rehetra.

9 Avy eo i Holoferna dia tonga teo anoloan'i Jizrehela , tao akaikin'i Dotana izay manatrika ny tandavan-tendrombohitr'i Jodea.

10 Niorin-toby teo anelanelan'i Geba sy i Sitopoly izy, ka nijanona iray volana teo mba hanangona ny vatsy rehetra ilain'ny tafiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0599