Jodita
Toko faha-5
1 Nilazana i Holoferna, komandy faratampon'ny tafika asirianina, fa mivonon-kiady ny Israelita: nohidiany ny lalana mankany amin'ny faritra be tendrombohitra, nasiany manda ny tampon-tendrombohitra rehetra, ary nametrahany fandripandrika teny amin'ny lemaka.2 Nirehi-pahatezerana mafy dia mafy i Holoferna; ary niantso ny lehibe moabita rehetra sy ny mpitari-tafika hamonita mbamin'ny governora rehetra tamin'iny morontsiraka iny izy,
3 ka niteny taminy hoe:-Ry Kanahanita, lazao ahy: Iza izao vahoaka monina ao amin'ny faritra be tendrombohitra ao izao? Inona no tanana itoerany? Ahoana ny hamaroan'ny tafiny? Ahoana ny hery sy tanjaka ananany? Iza no mpanjaka mifehy ny miaramilany?
4 Nahoana no izy ireo ihany, amin'ny mponina rehetra andrefan'i Eofrata , no tsy nanaiky hitsena ahy?
5 Dia i Akiora, mpifehy ny Hamonita, no namaly an'i Holoferna hoe:-Raha sitrakao, Tompoko, ny hihaino ahy mpanomponao miteny, dia holazaiko aminao ny momba io vahoaka monina ao amin'ny faritra be tendrombohitra io sady akaikin'ny tobinao. Tsy hisy diso na dia iray aza ny teniko.
6 Io vahoaka io dia taranak'olona kaldeanina.
7 Tsy te hanompo intsony ireo andriamanitry ny razany tafaorina tao Kaldea izy ary niala tamin'ny fombam-pivavahana nentim-paharazana, ka nanompo an'ilay Andriamanitry ny lanitra, izay hany nankatoaviny ho Andriamanitra.
8 Izany no nandroahana azy ho lavitr'ireo andriamaniny fahiny ireo; ka lasa izy aloha nandositra tany Mezopotamia avaratra sy niorim-ponenana elaela teo.
9 Avy eo nodidian'ilay Andriamaniny izy mba handao izany faritra izany sy handeha any Kanahana; dia niorim-ponenana teo izy ka nampitombo ny volamena sy volafotsy ary andiam-biby fiompy nananany.
10 Taty aoriana, dia nisy mosary nihanaka eran'i Kanahana. Ka voatery nidina tany Ejipta sy niorim-ponenana tao ry zareo, satria tao no nisy sakafo hivelomany; dia nanjary vahoaka marobe izy, ka tsy tambo isaina ny taranany.
11 Fa nitsangan-kanohitra azy ny mpanjakan'i Ejipta, ka nampiasa hevi-petsy hambotriana azy tamin'ny asa mafy fanaovam-biriky. Nampietrena izy ary nentina tahaka ny mpanompo.
12 Niantsoany vonjy koa ilay Andriamaniny, ka namely an'i Ejipta manontolo tamin'ny loza tsy nisy fanafana. Dia nandroaka azy ny Ejiptianina;
13 fa Andriamanitra kosa nanamaina ny Ranomasina Mena teo anoloany
14 ary nitari-dalana azy ho any Sinay sy Kadesy-Barnea. Dia nampandositra ny olona rehetra nonina tany an-taniefitra io vahoaka io
15 ary nanan-kery handringanana ny Hesbonita rehetra, ka nisy niorim-ponenana teo amin'ny tanin'ny Amorita. Avy eo izy dia nita ny ony Jordana ary naka ny faritra be tendrombohitra ho fananany,
16 ka nandroaka teo anoloany ny Kanahanitra sy ny Perizita mbamin'ny Jebosita sy ny Sekemita ary ny Girgasita rehetra; dia niorim-ponenana ela izy tao amin'io tany io.
17 Raha mbola tsy nanota tamin'ilay Andriamaniny izy, dia nombam-panambinana, satria Andriamanitra tsy tia ratsy io miaraka aminy io.
18 Fa rehefa nihatahany kosa ny sori-dalana nomeny azy, dia ringana olona betsaka tokoa izy tamin'ny ady maro, ary nentina ho babo any an-tany hafa. Rava ny tempolin'ilay Andriamaniny ary nalaim-pahavalo ireo tananany.
19 Izao kosa, rehefa nody indray tamin'Andriamaniny io vahoaka io ka tafaverina avy tany amin'ny toerana nielezany , dia notanany hipetrahana indray i Jerosalema izay misy ny Toeramasiny ary nonenany indray ny faritra be tendrombohitra izay tavela ho taniefitra.
20 Ankehitriny ary, Tompoko, raha misy hadisoana eo amin'io vahoaka io ka nanota tamin'ilay Andriamaniny izy sady hitantsika fa nisy zavatra nahasolafaka azy tokoa, dia ndeha isika hiakatra hiady aminy.
21 Fa raha tsy misy fandikan-dalana eo amin'io firenena io, Tompoko, dia avelao izy ho eo, fa hiaro azy ny TOMPO Andriamaniny ka ho afa-baraka eo anatrehan'ny tany tontolo isika.
22 Vao nitsaha-niteny i Akiora, dia nimonomonona ny olona rehetra nanodidina ny trano lain'ny komandy faratampony; ireo manamboninahitr'i Holoferna sy ireo governora rehetra avy amin'iny morontsiraka iny sy avy any Moaba dia nomba ny hamonoana ho faty an'i Akiora sady niteny hoe:
23 -tsy hatahorantsika velively ny Israelita. Jereo fa tsy manana hery na fitaovana izy hiatrehana ady mangotraka.
24 Noho izany, ndeha isika hiakatra hamely azy, Tompoko, fa mora foana no handresen'ny tafikao manontolo azy, ry Holoferna.