Jodita

Toko faha-4

1 Ren'ireo Israelita nonina tao Jodea ny zavatra rehetra nafitsok'i Holoferna, filohan-tafik'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Asiria, tamin'ny firenen-kafa, indrindra ny nandrobany sy nandravany ny trano fivavahana rehetra.

2 Raiki-tahotra mafy tokoa ny Israelita hiatrika io Holoferna io ary nitebiteby ny amin'i Jerosalema sy ny tempolin'ny TOMPO Andriamaniny.

3 Vao tsy ela akory no niverenany avy any an-tsesitany; ary vao haingana no nahatafavory azy tao Jodea sy nanokanany indray ny tempoly sy ny fanaka mbamin'ny alitara fisoronana, taorian'ny fanimbazimbana nihatra taminy.

4 Nandefa iraka tany amin'ny faritr'i Samaria manontolo ny Israelita, izany hoe tao Kona sy Bety-Horona ary Abela-Maima; nandefasany koa hatrany Kola sy Hatsora ary tao amin'ny lohasahan'i Salema;

5 notazoniny ny tampon-tendrombohitra rehetra ary nohamafisiny ny tanana teny an-kavoana. Nanao tahirin-tsakafo izy ho an'ny famatsiana mandritra ny ady, satria vao tsy ela no nijinjany ny sahany.

6 I Joakima, tamin'izany andro izany, no mpisorombe tao Jerosalema. Nanoratan'io Joakima io ny mponina tao Betoka sy tao Betomestaima, izay tanana teo anoloan'i Jizrehela sady tandrifin'ny lemak'i Dotana.

7 Nodidian'ilay mpisorombe izy hitazona ireo lalana mianika ny tendrombohitra, satria ireo lalana ireo no fidirana mankany Jodea. Mora sakanana izay te handalo, satria tery dia tery ny lalana ka olona roa ihany no omby azy.

8 Ny Israelita koa dia nanao araka ny notakin'ilay mpisorombe sy ny antenimieran'ireo loholom-bahoaka, izay tao Jerosalema no foibeny.

9 Tamin-kafanampo lehibe no niantsoan'ny lehilahy israelita tsirairay vonjy tamin'Andriamanitra; ary tamin-kafanampo lehibe no nanaovany fifadian-kanina,

10 dia ny tenany sy ny vady aman-janany ary ny biby fiompiny. Ny vahiny tao aminy sy ny mpiasany ary ny mpanompony kosa dia samy nitafy lambam-pisaonana.

11 Ny mponin'i Jerosalema, na lehilahy na vehivavy na ankizy dia samy niankohoka teo anoloan'ny Toeramasina, ka nihosin-davenona ny lohany ary lambam-pisaonana no nitafiany, fony izy niatrika ny TOMPO;

12 ary nanodidina ny alitara koa dia namelarany lasaka hialany sasatra. Samy nafana fo izy indray niantso vonjy tamin'ilay Andriamanitr'i Israely mba tsy hamela ny fahavalo hipaoka ny ankizy na haka an-kery ny vehivavy na handrava ireo tanana izay nomeny ho lovan'ny vahoakany. Niantso vonjy taminy koa izy mba tsy hamela ny hafa firenena hanimbazimba sy haniratsira ny Toeramasina.

13 Dia nihaino ny tarainan'ireo Israelita ny TOMPO ary nahita ny fahoriany. Mbola nifady hanina hatrany ny vahoaka nandritra ny andro maro eran'i Jodea ary koa tao Jerosalema teo anoloan'ny Toeramasin'ilay TOMPOn'izao rehetra izao.

14 I Joakima mpisorombe mbamin'ny mpisorona rehetra ary ny olona rehetra nanao fanompoana ny TOMPO dia samy nanao akanjom-pisaonana no nanolotra tamin'Andriamanitra ny sorona dorana manontolo fanao isan'andro sy ny fanatitra ary ny fanomezana an-tsitrapo avy amin'ny vahoaka.

15 Nasian'izy rehetra lavenona ny fehiloha ary ny heriny manontolono niantsoany vonjy tamin'ny TOMPO mba hirotsahany hanasoa ny vahoaka Israely tsivakivolo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0647