Jodita
Toko faha-7
1 Ny ampitson'iny, dia nomen'i Holoferna baiko ny tafiny manontolo sy ny miaramila rehetra izay nivonon-kiady miaraka aminy mba hiakatra hamely an'i Betolia sy haka ireo kisolosolon'ny faritra betendrombohitra iny ary hiady amin'ny Israelita.2 Niainga handeha avokoa tamin'io andro io ny vatan-dehilahy matanjaka rehetra, ka tafika nahitana miaramila an-tongotra miisa antokony 170 ary koa mpitaingin-tsoavaly miisa antokony 12, ankoatra ny entana sy ny olona mpandeha an-tongora misahana ireny; vahoaka tsy tambo isaina tokoa izany.
3 Tao amin'ny lohasaha akaikin'i Betolia, teo anilan'ilay loharano indrindra, no nitobian'izy ireo; ary voatanany avokoa ny faritra rehetra izay mivelatra hatreo Dotana ka hatrany Belbaima tetsy ankilany ary hatreo Betolia ka hatrany Kiamona tandrifin'i Jizrehela tetsy andaniny.
4 Nivarahontsana ireo Israelita teo am-pahitana izany vahoaka tsy tambo isaina izany, ka dia nifampilaza hoe:-Ho ravan'ireo olona ireo ny vohon-tany manontolo. Na tendrombohitra nahantsanana havoana dia tototry ny hamaroany.
5 Dia samy nandray ny fiadiany avy ireto Israelita ary namelona afo teny amin'ny tilikambo fitiliana ary niambina nandritra iny alina manontolo iny.
6 Ny ampitso dia nalahatr'i Holoferna teo imason'ny Israelita izay tao Betolia ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra.
7 Nosafoiny ny kisolosolo miakatra mankao an-tanana. Dia hitany avokoa ireo loharano ka notanany ary nametrahany miaramila mpiambina; izay vao niverina tao an-toby i Holoferna.
8 Tamin'izay ireo filoha edomita sy mpitari-tafika moabita ary ny komandin'ny faritra amoron-tsiraka no tonga nilaza taminy hoe:
9 -Aoka ianao, ry mpifehy anay, mba hihaino teny indraim-bava, dia tsy hiharam-pahavoazana ny tafikao!
10 Ireo Israelita ireo dia tsy miantehitra amin'ny fitaovam-piadiany, fa amin'ny toerana avo izay misy azy eny an-tendrombohitra onenany eny. Sarotra anihina manko ny tampon-tendrombohitra.
11 Koa fadio re,Tompoko, ny mifanandrina aminy toy ny fanao amin'ny ady milahatra, dia tsy hisy olona ho faty amin'ny tafikao na iray aza.
12 Koa mitoera ao an-toby ianao, dia tazony ho voaaro tsara ny miaramila rehetra amin'ny tafikao; ary aoka ireo mpanomponao no hitana ilay loharano eo am-bodin'ny tendrombohitra!
13 Eo manko no mantsaka ny mponin'i Betolia. Ho resin'ny hetaheta ireo ary ho voatery hanolotra ny tananany. Isika kosa hiaraka amin'ny tafintsika no haka ireo tampon-tendrombohitra akaiky ary hanao fiambenana eo mba hisakanana ny olona tsy hivoaka ny tanana.
14 Ho fatin'ny hanoanana ireo na lahy na vavy na ankizy; ka alohan'ny hamelezantsika sabatra azy, dia ho hita maty miampatrampatra eny an-toko tanim-ponenany eny izy rehetra.
15 Famaizana mafy no hafitsokao aminy, satria nikomy taminao izy toy izay ho tonga hitsena anao amim-pihavanana.
16 Sitrak'i Holoferna sy ireo manamboninahiny izany soso-kevitra izany ka nisy baiko nomena mba hanatanterahana azy, araka izay voalazan'ny tompon-kevitra.
17 Nisy miaramila hamonita niaraka tamin'ny antokon-tafika asirianina dimy nandeha naka toerana teo an-dohasaha sy naka ireo loharano fantsakan'ny Israelita.
18 Ny Edomita sy ny Hamonita hafa kosa lasa naka ilay tendrombohitra tandrifin'i Dotana sy nandefa andian-tafika nianatsimo ary koa niantsinanana, izany hoe teo anoloan'i Egrebela, tanana akaikin'i Kosy sady teo amoron'ny renirano Mokmora. Ny tafika asirianina sisa dia nijanona teo amin'ny lemademaka izay rakotra azy manontolo. Ny tranolay sy ny entana dia niendrika toby midadasika izay nisy olona marobe, dia vahoaka tsy tambo isaina.
19 Ireo Israelita kosa dia niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamaniny,satria efa niha ketraka. Nanodidina azy avokoa manko ny fahavalony ary tsy namela azy handositra.
20 Ny tafika asirianina manontolo na miaramila an-tongotra na kalesy na mpitaingin-tsoavaly dia nanao fahirano azy nandritra ny 34 andro. Efa nandany ny tahirin-dranony avy ny mponina rehetra tao Betolia.
21 Ny famorian-drano koa niharitra; ary nozaraina am-patra izany rano sisa izany ka tsy nisy na andro iray aza nahazoan'olona hiala hetaheta.
22 Niha osa ny ankizy; ny vehivavy sy ny zatovo, samy reraky ny hetaheta, dia nianjerazera teny an-kianja teny amin'ny vavahadin-tanana, ary tsy nanan-kery intsony.
23 Ny mponina rehetra, hatramin'ny zatovo sy ny zaza amam-behivavy aza, dia nivory teo amin'i Hozia sy ny filohan-tanana ; dia nanao fanakianana teo anatrehany sy teo anatrehan'ny loholona rehetra ireo sady nihorakoraka hoe:
24 -Enga anie Andriamanitra no hitsara aminareo sy aminay! Nitera-pahavoazana mafy ho anay ianareo, tamin'ny nandavanareo hanao raharaham-pihavanana tamin'ny Asirianina.
25 Ankehitriny kosa tsy misy olona hanampy antsika intsony, fa Andriamanitra efa nanolotra antsika ho eo am-pelatanan'ny fahavalo; ka dia ho fadiranovana tokoa isika ho fatin'ny hetaheta eo imason'ireo.
26 Koa antsoy ary ny olon'i Holoferna mbamin'ny tafiny manontolo, dia atolory azy avokoa ny tanana mba ho robainy.
27 Aleonay tonga voababon'ny Asirianina toy izay ho fatin'ny hetaheta; eny, ho mpanompony tokoa izahay kanefa mba hovelona aina ary tsy hahita ny zaza menavava ho faty eo imasonay na hahita ny vady aman-janakay hiala aina.
28 Antsoinay ho vavolombelona ny tany aman-danitra, antsoinay ho vavolombelona ilay Andriamanitsika sady TOMPOn'ireo razantsika, dia ilay mitondra antsika araka ny fahotantsika sy ny fahotan'ny razantsika, samy antsoinay ho vavolombelona ireo fa mihanta aminareo izahay manao hoe: Aoka ianareo, amin'ity andro anio ity mba hanao zavatra hahafa-doza anay araka izany fangatahanay izany !
29 Dia indray nitoloko mafy avokoa izy rehetra tafangona teo sady nidradradradra niantso vonjy tamin'ny TOMPO Andriamanitra,
30 ka nitenenan'i Hozia hoe:-Mahereza, ry havako! Aoka hahandry dimy andro isika fa hamindrafo amintsika ilay TOMPO Andriamanitsika, satria tsy handao tanteraka antsika Izy!
31 Fa rehefa lasa ireo dimy andro ireo, ka tsy nisy famonjena tonga ho antsika, dia hanao araka izay nangatahinareo aho.
32 Avy eo dia noravan'i Hozia ny olona rehetra. Lasa ireo vatan-dehilahy namonjy ny toerany teny amin'ny mandan'ny tanana sy teny amin'ny tilikambo fitiliana; ary ny zaza amam-behivavy kosa nody tany an-trano. Ketraka mafy tamin'izay ny mponina iray tanana.