Jodita

Toko faha-15

1 Rehefa nandre ny zava-nitranga ireo miaramila izay teny amin'ny tranolainy avy, dia very hevitra.

2 Nianjadian'ny tahotra sy nivadi-po izy, ka indray niparitaka samy naka ho azy ary nandositra tamin'ny lalan-kely teny an-tany lemaka sy teny an-tendrombohitra.

3 Ireo nitana ny tampon-tendrombohitra manodidina an'i Betolia dia nitsoaka nandositra koa.

4 Nandefasan'i Hozia iraka ny tanana Betomestaima sy Bebay ary Koba sy Kolambamin'ny faritanin'i Israely manontolo hilaza ny zava-nitranga. Ary nanainga ny besinimaro ireto iraka mba hanenjika ny fahavalo sy handringana azy.

5 Vao nandre izany ny Israelita rehetra, dia indray niantoraka tamin'ny fahavalo ary nanamontsana azy hatrany Kola. Ny olona avy any Jerosalema sy avy amin'ny faritra rehetra be tendrombohitra dia tonga ihany koa, rehefa nilazana izay niseho tao amin'ny toby asirianina. Ny mponin'i Gilehada sy i Galika kosa avy any an-daniny no namely mafy ireo fahavalo hatrany Damasa sy ny manodidina.

6 Nidina tao amin'ny toby asirianina ny mponina sisa tao Betolia, dia nandroba azy ka nahazo harem-be.

7 Rehefa niverina avy any am-panenjehana fahavalo ireo Israelita, dia nifaoka ny zavatra sisa rehetra. Ny mponin'ny tanana kely sy ny toeram-piompiana na teny an-tendrombohitra na teny an-tany lemaka dia nandraoka babo betsaka koa, satria maro dia maro izany.

8 I Joakima mpisorombe sy ny antenimieran-doholon'i Israely, izay nitoetra tao Jerosalema, dia tonga tany Betolia.Tiany ho hita maso manko ny soa nataon'ny TOMPO tamin'i Israely, ary tiany hojerena sy hotoloram-piarahabana koa i Jodita.

9 Rehefa tafiditra tao an-tranon-dravehivavy izy rehetra, dia niara-nankalaza azy sady niteny taminy hoe:

10 -Ianao no fisandratan'i Jerosalema, ianao no tabiha lehibe ho an'i Israely, ianao no rehareha lehibe ho an'ny firenentsika! Ianao no nahavita ireo zavatra isan-karazany ireo, ka nanasoa an'i Israely; ary sitrak'Andriamanitra ny nataonao. Enga anie hitahy

11 Telopolo andro no nanangonan'ny Israelita ny entana babo teo amin'ny toby asirianina. Dia nomena an'i Jodita ny fananan'i Holoferna: dia ny tranolay, ny fanaka volafotsy, ny farafara, ny tsangambava, ary ny fitaovana hafa rehetra. Dia nalain'i Jodita avokoa izany; ka nisy ampahany namesarany mole fa ny sisa kosa nataony nifatratra tao anaty sarety izay nasainy notarihim-biby.

12 Ny vehivavy rehetra tao Israely dia tonga nijery an'i Jodita sy nankalaza azy; ny sasany tamin'ireo kosa niara-nihira sy nandihy ho fihobiana azy.

13 Nisy fehiloharavin-kazo nalain'i Jodita ka nomeny ny vehivavy tafaraka taminy; dia samy nisatroka fehiloha ravin'oliva na i Jodita na ireto vehivavy tafaraka taminy. Avy eo i Jodita dia niroso tery an-dohan'ny filaharana ka nitarika ny dihin'ireo vehivavy hafa. Ny nanaraka azy ireo dia ny vatan-dehilahy rehetra tao Israely, samy nitam-piadiana sy nitondra fehiloha ravin-kazo ary niara-niredona hira.

14 Dia niventy hira fisaorana teo anatrehan'ny Israelita rehetra i Jodita, ka niombona tamin'ny fiderany avokoa ny vahoaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0564