Jodita

Toko faha-14

1 Tamin'izay ny olona rehetra teo dia nitenenan'i Jodita hoe:-Mihainoa ahy, ry havako. Ento ity loha ity ka ahantony eny an-tampon'ny mandan'ny tananantsika.

2 Ary amin'iny vao maraina vaky masoandro iny, aoka samy handray fiadiana ianareo vatan-dehilahy tomady rehetra, ka hivoaka ny tanana! Mifidiana filoha ianareo, dia manaova toy ny hidina hankany amin'ny lemaka, ho eny amin'ny lohalaharan'ny Asirianina mpiambina. Kanefa tsy hidina akory ianareo.

3 Ireto miaramila asirianina no handray fiadiana ka handeha ho any an-toby mba hamoha ireo komandin'ny tafiny. Hidodododo hankany amin'ny tranolain'i Holoferna izy, saingy tsy hahita azy velona. Dia ho raiki-tahotra mafy izy rehetra ka handositra lavitra anareo.

4 Hiroso hanenjika azy kosa ianareo sy ny mponina rehetra manerana ny tanin'i Israely, ka hamono hahafaty azy eny am-pandosirany.

5 Kanefa alohan'izany, asaovy mankaty i Akiora ilay Hamonita ;aoka izy hahita sy hamantatra ny lohan'ilay fatra-paniratsira an'i Israely sy nandefa ny tenany ho aty mba ho faty miaraka amintsika !

6 Dia nisy naka an'i Akiora tany an-tranon'i Hozia. Nony tonga ralehilahy ka nahita ny lohan'i Holoferna izay notazonin'ny lehilahy anankiray teo amin'ny fivoriam-bahoaka, dia torana izy sady niankarapoka.

7 Rehefa narenina izy, dia niantoraka teo an-tongotr'i Jodita ary niantso mafy hoe:-Hankalazaina anie ianao amin'ny trano rehetra eran'i Jodea! Hivarahontsana ny firenena rehetra izay handrenesana ny anaranao.

8 Ankehitriny kosa tantarao amiko ny zavatra rehetra nataonao nandritra ireo andro ireo.

9 Teo anatrehan'ny vahoaka no nitantaran'i Jodita tamin'i Akiora ny zavatra rehetra nataony hatreo amin'ny andro nialany tao an-tanana ka hatramin'izao fotoana itenenany izao.

10 Dia tsapan'i Akiora ny zavatra rehetra nataon'ilay Andriamanitr'i Israely, ka nino Azy mafy izy, ary noforana ka tonga anisan'ny vahoaka israelita mandraka ankehitriny.

11 Vao maraina ny andro, dia nahantona teo amin'ny mandan'i Betolia ny lohan'i Holoferna. Avy eo samy nandray fiadianany vatan-dehilahy rehetra ka nitsitokotoko nivoaka ny tanana hankeo amin'ny kisolosolon'ny tendrombohitra.

12 Rehefa nahita izany ny Asirianina, dia nandefa miaramila hampandre ny mpitarika azy; ireto kosa nampita vaovao tany amin'ny manamboninahitra rehetra, na mpifehy antokon-tafika na komandy.

13 Rehefa tonga teo amin'ny tranolain'i Holoferna ireo mpitarika, dia niteny tamin'i Bagoa izay mpiandraikitra ny raharaha rehetra momba ity filoha faratampon'ny tafika sady nanao hoe:-Fohazy re ny filohantsika! Ireo Israelita natao handevozintsika ireo dia sahy nidina hiady amintsika mba haringana tsy hisy miangana.

14 Dia niditra tao amin'ilay tranolay i Bagoa ary nandondona teo amin'ny varavaran'ny efitrano fatoriana, satria noheveriny fa natory tao niaraka tamin'i Jodita i Holoferna.

15 Kanefa nony tsy nisy olona namaly, dia nosokafan'i Bagoa ny lamban-baravarana mba hidirany ao an'efitrano; ary hitany maty nazera teo amin'ny sezabory i Holoferna saingy tsy misy loha intsony ny vatany.

16 Dia nidradraka i Bagoa ka nitomany sady nitoloko sy nigogogogo ary nandriatra fitafiana.

17 Niditra tao amin'ny tranolay nipetrahan'i Jodita izy fa tsy nahita azy. Izay izy vao nikoropaka nankeo amin'ny manamboninahitra nitangorona teo ka niantso mafy hoe:

18 -Narebirebin'ireo tsy valahara ireo isika!Vehivavy hebreo anankiray no nitondra henatra ho an'i Nebokadnetsara mpanjaka sy ho an'ny fianakaviany. Mitsitra amin'ny tany ao i Holoferna, saingy tsy misy loha intsony ny vatany.

19 Vao nandre izany teny izany ireo lehiben'ny tafika asirianina, dia nandriatra ny fitafiany sady nivarahontsana mafy. Ny kiakiaka sy horakoraka nataony no nisandratra teo anivon'ny toby.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758