1 Mpanjaka

Toko 1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.
Toko 2 Rehefa nandindona an'i Davida ny andro hahafatesany, dia nandidy an'i Salomona zanany lahy izy nanao hoe:
Toko 3 Tonga vinantolahin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta i Salomona tamin'ny nanambadiany ny zanany vavy. Nentiny nankany an-tananan'i Davida ny vadiny mandra-pahavita ny lapany sy ny tranon'ny TOMPO ary ny manda manodidina an'i Jerosalema.
Toko 4 I Salomona mpanjaka no nanjaka tamin'i Israely manontolo.
Toko 5 Ary i Salomona nanapaka tamin'ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny ony Eofrata ka mipaka any amin'ny tanin'ny Filistinina ary hatrany amin'ny sisintanin'i Ejipta; fa nandoa hetra ireo ka nanompo an'i Salomona tamin'ny andro rehetra niainany.
Toko 6 Tamin'ny taona faha-480 taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta, izany hoe ny taona fahefatra nanjakan'i Salomona tamin'i Israely, fony volana Ziva na volana faharoa no nanombohany nanorina ny tranon'ny TOMPO.
Toko 7 Nanorina lapa ho azy koa i Salomona; 13 taona no nilainy namitana ny asa rehetra.
Toko 8 Tamin'izay fotoana izay dia novorin'i Salomona mpanjaka teo aminy tao Jerosalema ny loholon'i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO, avy ao Tsiona Tananan'i Davida hankao an-tempoly.
Toko 9 Rehefa vitan'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao,
Toko 10 Ny mpanjakavavin'i Seba dia nahare ny laza nananan'i Salomona noho ny anaran'ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin'ny fanontaniana sarotra.
Toko 11 Ankoatra ny zanakavavin'ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salomona mpanjaka, dia vehivavy moabita sy hamonita sy edomita ary tsidonianina sy hetita.
Toko 12 Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan'ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.
Toko 13 Noho ny baikon'ny TOMPO, dia nisy olon'Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin'ny alitara i Jerobohama.
Toko 14 Tamin'izany andro izany, dia narary i Abia zanakalahin'i Jerobohama.
Toko 15 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Abiama;
Toko 16 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeho mpaminany zanakalahin'i Hanany, dia hafatra ny amin'i Bahasa manao hoe:
Toko 17 Ary niteny tamin'i Ahaba mpanjaka i Elia izay Tisbita anisan'ny mponina tao Gilehada hoe: Velona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin'ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.
Toko 18 Fotoana elaela taty aoriana, tamin'ny taona fahatelo nisian'ny hain-tany, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Elia nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
Toko 19 Notantarain'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa izay nataon'i Elia, dia ny namonoany ho faty ny mpaminan'i Bahala rehetra tamin'ny sabatra.
Toko 20 Novorin'i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria ny tafiny manontolo izay nahitana mpanjaka 32 mpiandany aminy ary koa soavaly mbamin'ny kalesy maro. Dia nataony fahirano i Samaria ka notafihiny.
Toko 21 Taorian'izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabota tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin'ny lapan'i Ahaba mpanjakan'i Samaria.
Toko 22 Roa taona no tsy nisian'ny ady intsony teo amin'i Siria sy i Israely.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0454