1 Mpanjaka
Toko faha-11
1 Ankoatra ny zanakavavin'ny Farao, dia nanambady vehivavy maro hafa firenena koa i Salomona mpanjaka, dia vehivavy moabita sy hamonita sy edomita ary tsidonianina sy hetita.2 Ireo vehivavy ireo anefa dia avy amin'ny firenena izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny Israelita hoe: Aza miharoharo amin'ireo hafa firenena ireo ianareo ary aza avela hiharo aminareo koa izy, fa hitarika anareo hanaraka ny fanompoam-pivavahana fanaony amin'ireo andriamaniny izy. Nefa dia tamin'ireo no niraiketan'ny fitiavan'i Salomona;
3 fa nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato izy. Ireo vadiny ireo no nampivily ny fon'i Salomona.
4 Rehefa antitra i Salomona, dia notarihin'ny vadiny hanaraka andriamani-kafa; ka tsy tokam-po tamin'ny TOMPO Andriamaniny toa an'i Davida rainy intsony izy,
5 fa nanompo an'i Hastoreta andriamani-bavin'ny Tsidonianina sy nanompo an'i Milkoma andriamani-tsampin'ny Hamonita.
6 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, ka tsy nanaraka tanteraka AZY tahaka ny nataon'i Davida rainy.
7 Tamin'izany i Salomona dia nanangana toeram-panasinana teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema mba ho an'i Kemosy andriamani-tsampin'ny Moabita ary koa mba ho an'i Milkoma andriamani-tsampin'ny Hamonita.
8 Nanaovany toy izany avokoa ireo andriamanitry ny vadiny hafa firenena mba hahazoany mandoro zava-manitra mifangaro sy manao sorona.
9 Niseho indroa tamin'i Salomona ny TOMPO Andriamanitr'i Israely ka nandidy azy marimarina mba tsy hanaraka andriamani-kafa; kanefa tsy nitandrina izany i Salomona fa nampivily fo hiala taminy. Koa dia nisafoahan'ny TOMPO i Salomona
11 ary nilazany hoe: Satria nanao izao fitondrantena izao ianao, ka tsy nitandrina ny fanekempihavanako sy ny didy izay nomeko anao, dia hoendahako aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny olom-pehezinao.
12 Kanefa, noho ny amin'i Davida rainao, dia tsy hataoko amin'ny andronao izany; fa rehefa mby amin'ny zanakao kosa vao hoendahako eo am-pelatanany ny fanjakana.
13 Saingy tsy hoendahako aminy avokoa akory ny fanjakana manontolo, fa hamelako foko iray ihany izy noho i Davida mpanompoko ary noho i Jerosalema izay nofidiko.
14 Ary nanangana olona iray hanohitra an'i Salomona ny TOMPO, dia i Hadada izay Edomita taranaky ny mpanjakan'i Edoma.
15 Tamin'ny fotoana niadian'i Davida tamin'ny fanjakan'i Edoma no nitrangan'izany. Nandeha tany i Joaba filohan-tafika handevina ny Israelita maty an'ady; ary avy eo izy dia nampandringana ny lehilahy edomita rehetra.
16 Fa nitoetra enim-bolana tany Edoma i Joaba sy ny tafik'i Israely manontolo mandra-pandringana ny lehilahy rehetra tany.
17 Kanefa i Hadada, izay mbola tovolahy kely tamin'izay, dia afaka nandositra tany Ejipta niaraka tamin'ny Edomita sasany tandapan-drainy;
18 nandao ny faritr'i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Parana. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin'ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.
19 Nahita fitia fatratra teo imason'ny Farao i Hadada, ka dia nomeny azy ho vady ny rahavavin'i Tahapenesa vadiny.
20 Ary nitera-dahy tamin'i Hadada ny rahavavin'i Tahapenesa, dia i Genobata izay notezain'i Tahapanesa sady niara-nipetraka tamin'ny zanakalahin'ny Farao tao an-dapa.
21 Rehefa ren'i Hadada tany Ejipta fa maty i Davida sy i Joaba filohan'ny tafika, dia hoy izy tamin'ny Farao: Avelao aho hody any amin'ny taniko.
22 Fa ny Farao kosa niteny taminy hoe: Inona no mahory anao eto amiko, no mitady hody any amin'ny taninao indray ianao? Dia hoy ny navaliny: Tsy misy na dia kely aza, saingy avelao ihany aho handeha!
23 Ary nanangana olon-kafa koa Andriamanitra mba hanohitra an'i Salomona, dia i Rezona izay zanakalahin'i Eliada sady efa nandositra an'i Hadadehezera tompony, mpanjakan'i Tsoba.
24 Tamin'ny fotoana nandringanan'i Davida ny tafik'i Hadadehezera, dia novorin'i Rezona teo aminy ny vatan-dehilahy maro ka izy no nitsangana ho filohan'ireo; ary nankany Damasy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25 Fa nandritra ny androm-piainan'i Salomona dia mpanohitra an'i Israely i Rezona ka nanampy trotraka ny ratsy nataon'i Hadada. Nankahala an'i Israely izy fony nanjaka tamin'i Siria.
26 Nisy koa ny fikomian'i Jerobohama tamin'ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerobohama, zanakalahin'i Nebata, dia Efraimita avy any Tsereda; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tseroha; ary izy dia mba mpanompon'i Salomona saingy nikomy taminy. Fa tamin'ny fotoana nanaovan'i Salomona ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin'ny mandan'ny tananan'i Davida rainy,
28 dia tovolahy mahay sady mahavita tsara ny asany i Jerobohama; koa nony hitan'i Salomona izany, dia nataony mpifehy ireo mpiasan'ny fokon'i Efraima sy i Manase izy.
29 Indray andro raha nivoaka an'i Jerosalema i Jerobohama, dia tafahaona tamin'i Ahia mpaminany avy any Silao teny an-dalana. Nitafy lamba vaovao i Ahia, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30 Dia noraisin'i Ahia ny lamba vaovao teny aminy ka notriatriariny ho tonga tapany 12;
31 ary hoy izy tamin'i Jerobohama: Raiso ho anao ny tapany folo, fa izao no lazain'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely: Indro efa hoendahako eo an-tanan'i Salomona ny fanjakana ka homeko anao ny foko folo,
32 fa ny foko iray ihany sisa no havelako ho azy noho ny amin'i Davida mpanompoko sy i Jerosalema tanana nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra.
33 Hataoko izany satria efa nandao Ahy ireo ka niankohoka teo anatrehan'i Hastoreta andriamani-bavin'ny Tsidonianina, sy teo anatrehan'i Kemosy andriamanitry ny Moabita, ary teo anatrehan'i Milkoma andriamanitry ny Hamonita; fa tsy mba ny sori-dalako no nizorany hanaovana izay mahitsy eo imasoko ary hitandremana ny lalana amam-pitsipiko tahaka ny nataon'i Davida rain'i Salomona.
34 Nefa tsy hoesoriko eo an-tanan'i Salomona izany fanjakana manontolo izany fa efa nataoko ho filohan'ny vahoakako amin'ny andro rehetra iainany izy noho ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko sady nitandrina ny didy aman-dalanako.
35 Saingy hoesoriko eo an-tanan-janany kosa ny fanjakana, ka homeko anao ny foko folo.
36 Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an'i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanana nofidiko hampitoerako ny voninahitro.
37 Ianao kosa, ry Jerobohama, no halaiko hanjaka amin'izay sehatra rehetra irinao ka ho mpanjaka amin'i Israely.
38 Raha henoinao izay rehetra andidiako anao ka izoranao ny sori-dalako ary ataonao izay mahitsy eo imasoko sady tandremanao ny lalanako sy ny didiko tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ka hampiorina taranaka maharitra ho anao tahaka izay nataoko tamin'i Davida; ary dia homeko anao i Israely,
39 mba hampietreko ny taranak'i Davida nefa tsy ho mandrakizay akory izany.
40 Koa nitady hahafaty an'i Jerobohama i Salomona; fa i Jerobohama kosa lasa nandositra tany Ejipta ka nialokaloka tao amin'i Sisaka mpanjakan'io tany io mandra-pahafatin'i Salomona.
41 Ny sisa amin'ny tantaran'i Salomona ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny fahendreny dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'i Salomona.
42 Ny nanjakan'i Salomona tao Jerosalema, tamin'i Israely manontolo, dia naharitra efapolo taona.
43 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Salomona, dia nalevina tao an-tananan'i Davida rainy; ary i Rehabohama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.