1 Mpanjaka
Toko faha-8
1 Tamin'izay fotoana izay dia novorin'i Salomona mpanjaka teo aminy tao Jerosalema ny loholon'i Israely sy ny lehibem-poko rehetra ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO, avy ao Tsiona Tananan'i Davida hankao an-tempoly.2 Ary tafavory teo amin'i Salomona mpanjaka ny vatan-dehilahy israelita rehetra nandritra ilay fety fanao amin'ny volana Etanima, dia ny volana fahafito izany.
3 Rehefa tonga avokoa ny loholon'i Israely, dia noraisin'ireo mpisorona ny Vatamasina.
4 Ny mpisorona sy ny levita no nampakatra ny Vatamasin'ny TOMPO niaraka tamin'ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka masina rehetra izay tao anatiny.
5 I Salomona mpanjaka sy ireo Israelita rehetra tafangona niaraka taminy teo anoloan'ny Vatamasina kosa dia samy nanao sorona omby sy ondry aman'osy marobe tokoa hany ka tsy tambo nisaina intsony.
6 Ary ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO dia nampidirin'ny mpisorona ho ao amin'ny toerany, tao anatin'ny efitrano atao hoe Toeramasina Indrindra, teo ambanin'ny elatr'ireo kerobima.
7 Fa nivelatra tambonin'ny toeran'ny Vatamasina ny elatr'ireo kerobima ka nanarona ny Vatamasina sy ny bao filanjana azy.
8 Lava ihany ireto bao ireto, ka mety hita ny lohany, raha tazanina avy eo amin'ny Toeramasina manoloana ny efitra anatiny, saingy tsy hita kosa avy any ivelany; ary mbola ao mandraka androany ireo bao ireo.
9 Tsy nisy na inona na inona tao anatin'ilay Vatamasina afa-tsy ny vatofisaka roa izay napetrak'i Mosesy tao fony tany Horeba, rehefa nanaovan'ny TOMPO fanekempihavanana ny Israelita taorian'ny nialany tany Ejipta.
10 Rehefa nivoaka ny Toeramasina ireo mpisorona, dia nisy rahona nameno ny tranon'ny TOMPO;
11 ka tsy nahajanona hanohy fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho izany rahona izany, satria feno ny voninahitry ny TOMPO ilay tranony.
12 Dia hoy i Salomona hoe: TOMPO o, efa nilaza Ianao fa honina ao anaty haizim-pito.
13 Kanefa izaho dia nanorina trano hipetrahanao, dia toerana honenanao mandrakizay!
14 Nitsangana avokoa tamin'izay ny Israelita rehetra tafangona teo; dia nitodika tamin'izy ireo ny mpanjaka ary niarahaba azy.
15 Avy eo izy dia niteny hoe: Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin'i Davida raiko hoe:
16 Hatramin'ny andro nitondrako an'i Israely vahoakako niala tany Ejipta, dia tsy mbola nisy tanana nofidiko tamin'ny foko israelita rehetra hanaovana tempoly mba hitoeran'ny voninahitro; nefa kosa nofidiko ianao, ry Davida, hifehy ilay Israely vahoakako.
17 Efa mby tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina tempoly ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.
18 Kanefa dia hoy ny TOMPO taminy: Tao am-ponao ny fikasana hanorina tempoly ho voninahitro, dia tsara tokoa izany fikasanao izany;
19 saingy tsy ianao no hanorina izany, fa ny zanakao lahy haterakao. Izy no hanorina tempoly ho voninahitro.
20 Dia notanterahin'ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana izay nolazainy; fa nandimby an'i Davida raiko ary mipetraka eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely, araka ny voalazan'ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.
21 Nasiako toerana aza teo ho an'ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana nataon'ny TOMPO tamin'ny razantsika, fony Izy nitondra azy niala tany Ejipta.
22 Dia nitsangana teo anoloan'ny alitaran'ny TOMPO sady nanatrika ny Israelita rehetra tafangona i Salomona, ka nanandra-tanana nanandrify ny lanitra
23 ary nivavaka hoe: Ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na any an-danitra ambony, na ety an-tany ambany. Tandrovinao hatrany ny fanekempihavananao sy ny fitiavanao amin'ireo mpanomponao izay mizotra eo anatrehanao amin'ny fony manontolo.
24 Efa notanterahinao tamin'i Davida raiko sady mpanomponao ny zavatra nampanantenainao azy; eny, izay voalazanao dia notontosainao, araka izao hita anio izao.
25 Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr'i Israely o, mba tanteraho hanambinana an'i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: 'Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao, ka mizotra eo anatrehako toy ny nataonao, dia tsy ho diso zanakalahy amin'ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely.'
26 Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'i Israely o, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin'i Davida raiko sady mpanomponao!
27 Nefa hety honina marina ety an-tany ve Ianao, Andriamanitra oy Indro ny lanitra, na dia midadasika tokoa aza, tsy omby Anao; koa mainka fa ity tempoly izay nataoko ity.
28 Na izany aza, ry TOMPO Andriamanitro o, mba atreho ny vavaka amam-pifonako; eny, mba henoy ny antso sy ny vavaka izay ataoko eto anatrehanao anio.
29 Aoka hojerenao amin-kamorampo andro aman'alina ity tempoly ity, dia ilay toerana nolazainao fa hampitoeranao ny voninahitrao. Koa mba henoy ny vavaka izay ataoko, rehefa mitodika amin'ity toerana ity aho.
30 Mba henoy ny fifonako sy ny an'ilay Israely vahoakanao, rehefa mivavaka mitodika amin'ity toerana ity izahay. Mba mihainoa any an-danitra toeram-ponenanao Ianao; eny, mihainoa anay ka mamela ny helokay.
31 Mety hisy olona manota amin'ny namany, ka asaina manao fianianana ombam-piozonana. Rehefa tonga hanao izany eto anoloan'ny alitaranao amin'ity tempolinao ity izy,
32 dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO o, ka midira an-tsehatra hitsara ireo mpanomponao ireo; dia sazio ny olo-meloka ary atsingereno aminy ny ratsy nataony, fa ambarao ho marina kosa ny olo-marina ka valio soa araka ny fahamarinany.
33 Mety ho resim-pahavalo ny Israelita vahoakanao noho ny nanotany taminao. Rehefa miverina aminao izy ka midera ny anaranao ary mivavaka sy mifona aminao eto amin'ity tempoly ity,
34 dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO o, ka mamela ny fahotany ary mamerena azy indray amin'ny tany izay nomenao ny razany.
35 Mety koa hikatona ny lanitra ka tsy misy ny orana noho ny nanotan'ny Israelita taminao. Rehefa mivavaka mitodika amin'ity toerana ity izy ka midera ny anaranao sady miala amin'ny fahotany satria nampahorinao,
36 dia mba mihainoa avy any an-danitra Ianao, TOMPO o, ka hamela ny fahotan'ireo mpanomponao, izany hoe ny Israelita vahoakanao; dia hampianarinao azy anie ny fitondrantena tsara izay tokony hizorany ary handatsahanao ranonorana ity taninao izay efa nomenao ho fananan'ny vahoakanao ity.
37 Mety hisy mosary eto amin'ity tany ity na areti-mandringana, mety ho mainan'ny rivotra na ho lo am-potony ny vary, na koa hisy andiam-balala sy sompanga tonga; mety hisy fahavalo manao fahirano ireo Israelita ao amin'ny tanana anankiray, na koa hipoitra ny fahoriana aman'areti-mifindra isan-karazany.
38 Rehefa ny olona tsirairay na ny Israelita vahoakanao no samy mahatsapa ny fahoriam-pony, ka manandra-tanana mitodika amin'ity trano ity ary manao vavaka amam-pifonana isan-karazany,
39 dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, TOMPO o, ka mamela heloka azy; ary midira an-tsehatra Ianao ka araka ny sori-dalana rehetra nizorany anie no samy hamalianao azy avy, satria fantatrao ny fony; eny, Ianao dia Ianao irery ihany no mahalala ny fon'ny olombelona rehetra.
40 Izany no hataonao amin'ny Israelita, dia ny mba hanajany Anao mandritra ny andro rehetra hiainany eto amin'ity tany nomenao ny razanay ity.
41 Mety hisy ny vahiny izay tsy anisan'ny Israelita vahoakanao; kanefa niainga avy any an-tany lavitra izy hankaty noho ny aminao,
42 satria nandre ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin'ity tempoly ity izy,
43 dia mba mihainoa avy any an-danitra toeram-ponenanao Ianao, TOMPO o, ka manaova araka izay rehetra angatahiny. Izany no hahalalan'ny firenena rehetra ambonin'ny tany Anao sy hanajany Anao tahaka ny ataon'ny Israelita vahoakanao ary hiekeny fa ny anaranao no efa nantsoina tamin'ity trano naoriko ity.
44 Mety hiainga hiady amim-pahavalo ny vahoakanao, na aiza na aiza hanirahanao azy; rehefa mivavaka aminao izy, TOMPO o, ka mitodika amin'ity tanana voafidinao sy amin'ity tempoly naoriko ho voninahitrao ity,
45 dia mba henoy ny vavaka amam-pifonana ataony, ka omeo rariny izy.
46 Mety hanota aminao ny Israelita fa tsy misy olombelona tsy manota, ka tezitra aminy Ianao ary manolotra azy amin'ny fahavalony; dia hoentin'ny mpamabo ho babo any an-tany lavitra na akaiky ireo.
47 Rehefa mieritreritra izy any amin'ny tany nitondrana azy ho babo, dia hivalo sy hifona aminao manao hoe: 'Efa nanota izahay sady efa nahavita heloka sy efa nanao ratsy';
48 ary hiverina aminao amin'ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin'izany tany nitondrana azy ho babo izany sady hivavaka mitodika amin'ity taniny izay nomenao ny razany ity sy amin'ity tanana voafidinao ity ary amin'ity tempoly izay naoriko ho voninahitrao ity,
49 dia mba henoy avy any an-danitra toeram-ponenanao ny vavaka amam-pifonana ataony, TOMPO o, ka omeo rariny izy;
50 ary dia avelao ny heloky ny vahoakanao izay efa nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra izay vitany taminao. Enga anie hataonao mahazo indrafo amin'ny mpamabo azy, ka hamindrany fo tokoa.