1 Mpanjaka
Toko faha-13
1 Noho ny baikon'ny TOMPO, dia nisy olon'Andriamanitra avy any Joda tonga tany Betela raha mbola nandoro sorona hanetona teo amin'ny alitara i Jerobohama.2 Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon'ny TOMPO, ilay olon'Andriamanitra ka nanao hoe: Ry alitara o, ry alitara o, izao no lazain'ny TOMPO: Hisy zazalahy ho teraka ao amin'ny fianakavian'i Davida, ka ny anarany hatao hoe Josia. Eo aminao, ry alitara o, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron'ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan'olona aza no hodorana eo aminao.
3 Androtr'io ihany dia nanome famantarana ilay olon'Andriamanitra ka nanambara hoe: Izao no famantarana ho porofo fa ny TOMPO no niteny: Indro hitresaka ny alitara ka hiely amin'ny tany ny lavenona eo amboniny.
4 Raha vao ren'i Jerobohama mpanjaka ny tenin'ilay olon'Andriamanitra izay nanao antso avo nanohitra ny alitara tao Betela, dia naninjitra ilay tanany izay teo ambony alitara izy sady niteny hoe: Tano io olona io! Kanjo maina tampoka teo iny tanana nahinjiny hanoherana an'ilay olon'Andriamanitra iny ka tsy azony noketrahina intsony.
5 Tamin'izay koa dia nitresaka ny alitara ka niely tamin'ny tany ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana nambaran'ilay olon'Andriamanitra ihany noho ny tenin'ny TOMPO.
6 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay olon'Andriamanitra: Mba ifony amin'ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin'ny TOMPO ilay olon'Andriamanitra, ka azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.
7 Ary hoy ny mpanjaka tamin'ilay olon'Andriamanitra: Andao hiaraka amiko ho any an-tranoko ianao mba hihinan-javatra kely sady hotolorako fanomezana.
8 Fa hoy ny navalin'ilay olon'Andriamanitra azy hoe: Na homenao ahy aza ny antsasaky ny fanananao, dia tsy hankany an-tranonao aho, ary tsy hihinan-kanina na hisotro rano aty;
9 satria izao no nandidian'ny tenin'ny TOMPO ahy: Aza mihinan-kanina na misotro rano any ianao, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
10 Dia lalan-kafa no nalehany fa tsy niverina tamin'ilay efa nandehanany nankany Betela izy.
11 Fa nisy mpaminany antitra iray nipetraka tany Betela; ary tonga ireo zanany lahy ka nitantara taminy izay rehetra nataon'ilay olon'Andriamanitra androtriny tao Betela sy izay nambarany tamin'ny mpanjaka.
12 Dia hoy ny rainy taminy: Aiza no lalana nalehany? Fa hitan-janany ny lalana nalehan'ilay olon'Andriamanitra izay tonga avy tany Joda.
13 Dia hoy indray ny rainy taminy: Asio lasely ny borikiko! Dia nasian-janany lasely ny boriky ka nitaingenany.
14 Narahin'io mpaminany io ny lalan'ilay olon'Andriamanitra ka tratrany izy, raha iny nipetraka teo ambanin'ny hazo lehibe iray iny, ary nanontaniany hoe: Ianao ve ilay olon'Andriamanitra avy any Joda? Ka novaliany hoe: Eny, izaho no izy.
15 Dia hoy indray ity mpaminany taminy: Andao hiaraka amiko ho any an-tranoko mba hihinan-javatra kely.
16 Fa hoy izy namaly: Tsia, tsy mahazo miverin-dalana hiaraka aminao aho ary tsy mahazo mihinan-kanina na misotro rano aminao aty;
17 satria izao no tenin'ny TOMPO tamiko: Aza mihinan-kanina na misotro any, ary aza miverina amin'ny lalana efa nalehanao.
18 Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo nandainga taminy izy.
19 Dia niverina niaraka taminy ihany ilay olon'Andriamanitra, ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
20 Fa raha mbola nipetraka nihinana izy roa lahy, dia nisy tenin'ny TOMPO tamin'ilay mpaminany antitra nampiverin-dalana;
21 ary izy io kosa niteny mafy tamin'ilay olon'Andriamanitra avy any Joda hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Noho ianao tsy nankato ny baikon'ny TOMPO Andriamanitrao ary tsy nitandrina ny didy izay nomeny anao,
22 noho ianao niverina nihinan-kanina sy nisotro rano tany amin'ny tany izay nandraran'ny TOMPO anao hoe: 'Aza mihinan-kanina na misotro rano any', dia ho faty ianao kanefa tsy hiditra am-pasan-drazanao ny fatinao.
23 Rehefa avy nihinana sy nisotro izy roa lahy, dia nasian'ilay lahiantitra lasely ny boriky hitaingenan'ilay mpaminany voataonany hiverina teo iny.
24 Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin'izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin'ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany.
25 Rehefa hitan'ny mpandalo ny faty niampatra teo amin'ny lalana sy ny liona nijanona teo anilany, dia lasa ireo nitantara izany tany amin'ny tanana izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra.
26 Nony nandre izany ity mpaminany nampiverin-dalana azy, dia nilaza hoe: Ilay olon'Andriamanitra tsy nankato ny baikon'ny TOMPO izay; fa natolotry ny TOMPO ho an'ny liona izy ka noviravirainy sy nataony maty araka ny teny izay nambaran'ny TOMPO taminy.
27 Avy eo dia hoy ity lahiantitra tamin'ireto zanany: Asio lasely ny borikiko! Nony voaisy lasely ny boriky,
28 dia nandeha ilay mpaminany antitra ka nahita ny fatin-dralehilahy niampatra teo amin'ny lalana ary ny boriky sy ny liona nijanona teo anilan'ny faty; nefa ny liona tsy nihinana ny faty ary tsy namiravira ny boriky.
29 Dia nobatain'ilay mpaminany antitra ny fatin'ilay olon'Andriamanitra ka nakariny teo ambony boriky ary nentiny niverina tany an-tananany mba hanaovany fisaonana sy fandevenana.
30 Dia naleviny tao am-pasany ny faty ka nitomanian'ny olona an-kira hoe: Indrisy, ry rahalahiko!
31 Taorian'ny fandevenana dia hoy ilay mpaminany antitra tamin'ireo zanany: Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana ilevenan'io olon'Andriamanitra io, ka ataovy eo anilan'ny taolambalony ny taolambaloko.
32 Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay hafatra nataony antso avo araka ny tenin'ny TOMPO ho fanoherana ny alitara ao Betela sy ny trano rehetra amin'ny toeram-panasinana manerana ireo tananan'i Samaria.
33 Na teo aza anefa izany, dia tsy nanitsy fitondrantena i Jerobohama, fa mbola nanendry olon-kafa ho mpisorona amin'ny toeram-panasinana hatrany izy; ka izay olona te hanao izany, dia natokany mba ho mpisorona amin'ireny toeram-panasinana ireny.
34 Tonga fahotan'ny fianakavian'i Jerobohama izany ka nahafongotra sy naharingana azy tanteraka teto ambonin'ny tany.