1 Mpanjaka

Toko faha-15

1 Tamin'ny taona faha-18 nanjakan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata tamin'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Abiama;

2 ary naharitra telo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Maheka zanakavavin'i Abisaloma.

3 Ny fahotana rehetra nataon-drainy teo alohany ihany no nizorany; ary tsy mba nahitsy fo tamin'ny TOMPO Andriamaniny tahaka an'i Davida rainy izy.

4 Kanefa nomen'ny TOMPO Andriamaniny zanakalahy handimby izy mba tsy ho faty ilay fanilo tao Jerosalema ary mba hampaharitra an'i Jerosalema ho renivohitra; noho ny amin'i Davida izany,

5 satria nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO i Davida ka tsy niala tamin'izay nandidiany azy tamin'ny andro rehetra niainany, afa-tsy tamin'ny raharahan'i Oria ilay Hetita ihany.

6 Ary nisy hatrany ny ady teo amin'i Rehabohama sy i Jerobohama.

7 Ny sisa amin'ny tantaran'i Abiama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda. Ary nisy ady hatrany teo amin'i Abiama sy i Jerobohama.

8 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao an-tananan'i Davida; ary i Asa zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

9 Tamin'ny taona faharoapolo nanjakan'i Jerobohama mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Asa;

10 ary naharitra 41 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-drenibeny dia Maheka zanakavavin'i Abisaloma.

11 Nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO toy ny nataon'i Davida rainy i Asa.

12 Noroahiny teo amin'ny tany ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy ary nofoanany avokoa ny sampy rehetra nataon-drainy.

13 Na dia i Maheka renibeny aza dia naetrin'ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy nanao tsatokazo fanajana an'i Asera. Nasain'i Asa nazera sy nodorana tao amoron-driakan'i Kidrona ny sampin'i Maheka.

14 Fa ny toeram-panasinana kosa tsy fongotra tanteraka, na dia nahitsy teo imason'ny TOMPO aza ny fon'i Asa nandritra ny andro rehetra niainany.

15 Nampidiriny tao an-tranon'ny TOMPO ireo zavatra natokan-drainy sy natokan'ny tenany ho an'Andriamanitra, dia volafotsy sy volamena ary kojakoja maro isan-karazany.

16 Ary nisy hatrany ny ady teo amin'i Asa sy i Bahasa mpanjakan'i Israely.

17 Dia niakatra hanafika ny tanin'i Joda i Bahasa mpanjakan'i Israely; fa nohamafisiny ny tananan'i Rama mba hisakanan-dalana an'i Asa mpanjakan'i Joda.

18 Dia nalain'i Asa ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin'ny raki-tsoa tao an-tranon'ny TOMPO sy tao an-dapan'ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan'ny solotenany; ary nampanateriny tany amin'i Bena-Hadada zanakalahin'i Tabrimona sy zafikelin'i Heziona izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:

19 Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, toy izay nisy tamin-draiko sy tamin-drainao. Indro mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; fa ndeha tsoahy ny fifanekenao tamin'i Bahasa mpanjakan'i Israely mba hialany amin'ny taniko.

20 Dia neken'i Bena-Hadada ny fangatahan'i Asa mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tananan'i Israely, ka dia nahazo an'i Hiona sy i Dana ary i Abela-Bety-Maheka sy ny faritr'i Kinerota mbamin'ny tanin'i Naftaly manontolo.

21 Nony ren'i Bahasa izany vaovao izany, dia nitsahatra tsy nanamafy an'i Rama intsony izy ary niverina nipetraka tao Tiritsa.

22 Nampiantsoin'i Asa mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon'i Bahasa hanamafisana an'i Rama; dia nampiasain'i Asa ireo fitaovana ireo hanamafisana an'i Geban'i Benjamina ary koa i Mitsepa.

23 Ny sisa amin'ny tantaran'i Asa sy ny herimpo nasehony ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny tanana mafy naoriny dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda. Tamin'ny androm-pahanterany dia narary tongotra izy.

24 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina am-pasan-drazana tao an-tananan'i Davida; ary i Josafata zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

25 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjaka tamin'i Israely i Nadaba zanakalahin'i Jerobohama; ary naharitra roa taona no nanjakany tamin'i Israely.

26 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy satria nizorany ny fitondrantenan-drainy sy ny fahotana izay nampanaoviny an'i Israely.

27 Koa nioko hanohitra azy i Bahasa zanakalahin'i Ahia avy amin'ny fokon'i Jisakara. Ary dia namely nahafaty an'i Nadaba tao Gibetona i Bahasa, tamin'ny fotoana nanaovan'i Nadaba sy i Israely manontolo fahirano an'i Gibetona izay voatanan'ny Filistinina.

28 Eny, novonoin'i Bahasa ho faty i Nadaba tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; ary izy no nanjaka nandimby an'i Nadaba.

29 Raha vantany vao tonga mpanjaka izy, dia naringany avokoa ny fianakavian'i Jerobohama manontolo, ka tsy nasiany niangana na iray aza ny taranany araka ny teny nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Ahia mpanompony avy any Silao.

30 Ny nahatonga izany kosa dia ny fahotana nataon'i Jerobohama sady nampanaoviny an'i Israely ka nampahatezitra mafy ny TOMPO Andriamanitr'i Israely.

31 Ny sisa amin'ny tantaran'i Nadaba ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

32 Ary nisy hatrany ny ady teo amin'i Asa sy i Bahasa mpanjakan'i Israely.

33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjaka tamin'i Israely avaratra manontolo i Bahasa zanakalahin'i Ahia; ary naharitra 24 taona no nanjakany tao Tiritsa.

34 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy, satria nizorany ny fitondrantenan'i Jerobohama sy ny fahotana izay nampanaoviny an'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561