1 Mpanjaka

Toko faha-20

1 Novorin'i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria ny tafiny manontolo izay nahitana mpanjaka 32 mpiandany aminy ary koa soavaly mbamin'ny kalesy maro. Dia nataony fahirano i Samaria ka notafihiny.

2 Ary nandefa iraka tany an-tanana ho any amin'i Ahaba mpanjakan'i Israely izy

3 hanao aminy hoe: Izao no lazain'i Bena-Hadada: Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy, ary toraka izany koa ny vady aman-janakao izay tsara indrindra dia ahy.

4 Ary ny mpanjakan'i Israely namaly hoe: Araka ny teninao, ry andriamanjaka, dia anao ny tenako sy izay rehetra ananako.

5 Dia niverina indray ny iraka ka nanao hoe: Izao no tenin'i Bena-Hadada: Nampilaza taty aminao aho ny hanomezanao ahy ny volafotsinao sy ny volamenanao ary ny vady aman-janakao.

6 Koa rahampitso amin'ny ora toy izao, dia hirahiko hankaty aminao ny mpanompoko hisava ny tranonao sy ny an'ny mpanomponao. Koa izay rehetra nahafinaritra ny masonao dia halainy ka hoentiny avokoa.

7 Dia nampiantsoin'ny mpanjakan'i Israely ny loholona rehetra teo amin'ny taniny ka nilazany hoe: Hitanareo tsara izao fa mitady hanisy ratsy antsika iny olona iny! Fa raha nitaky ny vady aman-janako mbamin'ny volafotsiko sy ny volamenako izy, dia tsy nisy nolaviko izany.

8 Dia hoy ny loholona sy ny vahoaka rehetra taminy: Aza mihaino azy ary aza manaiky!

9 Ary hoy i Ahaba tamin'ny irak'i Bena-Hadada: Lazao amin'ny andriamanjaka hoe: Izay rehetra notakinao tamiko tamin'ny voalohany dia hataoko; fa izao lazainao amiko izao kosa tsy azoko ekena. Dia lasa ny iraka nitondra izany valinteny izany tany amin'i Bena-Hadada.

10 Fa izy kosa mbola nampaniraka fanintelony ho amin'i Ahaba mpanjaka hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie ny famaizana faran'izay mafy indrindra, raha avelako hisy hahafeno tanan'ilan'ny vahoaka rehetra manaraka ahy akory ny vovok'i Samaria!

11 Ary hoy ny navalin'ny mpanjakan'i Israely: Ampahatsiahivo an'i Bena-Hadada izay voalazan'ny ohabolana hoe: Aoka izay vao miainga hiantafika tsy hirehareha toy ny efa avy nandresy.

12 Teo am-pisotroana niaraka tamin'ny mpanjaka hafa tao an-day i Bena-Hadada raha nahazo izany valinteny izany; koa nomeny baiko avy hatrany ny manamboninahiny mba hiomana hanafika ny tanana. Dia nioman-kanao izany ireo.

13 Fa nisy mpaminany nanatona an'i Ahaba mpanjakan'i Israely ka nanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Hitanao va ireo miaramila marobe ireo? Hatolotro eo an-tananao ireo anio, ka dia ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.

14 Dia hoy i Ahaba: Amin'ny alalan'iza anefa? Ka novalian'ilay mpaminany hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Amin'ny alalan'ireo tovolahy izay nofantenan'ny filoha isam-paritany. Fa hoy indray i Ahaba: Iza ary no hamaky ny ady? Dia hoy ilay mpaminany hoe: Ianao ihany.

15 Ary nalahatr'i Ahaba ireo zatovo nofantenan'ny filoha isam-paritany ka nahitana 232. Nalahany nanarakaraka an'ireo koa ny miaramila israelita rehetra ka nisy fito arivo.

16 Nanao fanafihana izy tamin'ny mitataovovonana, raha ilay nisotro ka mamo tao an-day iny i Bena-Hadada sy ny mpanjaka 32 mpanampy azy.

17 Ny zatovo voafantina isam-paritany no nanafika voalohany; dia nandefa miaramila mpisafo i Bena-Hadada hijery izay mitranga any, ka nilazana izy hoe: Misy olona mivoaka hanafika avy any Samaria.

18 Dia hoy izy hoe: Na fihavanana na ady no hiaviany, dia ataovy sambo-belona izy.

19 Dia nivoaka ny tanana ny zatovo voafantina sy ny miaramila nanaraka azy,

20 ka samy namely izay nifanandrina taminy; ary nitsoaka nandositra ny Sirianina, nefa nenjehin'ny Israelita. Fa i Bena-Hadada mpanjakan'i Siria kosa nandositra nitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny mpitaingin-tsoavaly hafa.

21 Nivoaka nanafika koa ny mpanjakan'i Israely ka namely ny mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny kalesy; ary dia marobe ny Sirianina matiny.

22 Dia nankany amin'ny mpanjakan'i Israely ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: Mahereza ary diniho tsara izay tokony hataonao, fa amin'ny herintaona dia hiakatra hanafika anao indray ny mpanjakan'i Siria.

23 Hoy ny minisitry ny mpanjakan'i Siria taminy: Ny Andriamanitr'i Israely dia Andriamanitry ny tendrombohitra, koa izany no nahareseny antsika. Fa raha eny an-tany lemaka kosa no hiadiantsika aminy dia tsy maintsy ho resintsika ireo.

24 Koa izao no ataovy: esory amin'ny toerany avokoa ny mpanjaka mpanampy anao ka soloy governora.

25 Maka miaramila maro sahala amin'ireo miaramilanao resy teo ary koa soavaly sy kalesy marobe toy ny teo aloha; dia hiady amin'ny tafik'i Israely eny an-tany lemaka isika, ka azo antoka fa isika indray no hahery amin'izay. Neken'i Bena-Hadada ny torohevitr'ireo minisitra ka narahiny.

26 Rehefa niherina ny taona, dia nampanaovin'i Bena-Hadada matso ny tafika sirianina ka nentiny hankany Afeka hiady amin'i Israely.

27 Nampanaovin'i Ahaba matso koa ny miaramila israelita sady nandray vatsy, ary niainga hifanehatra amin'ny fahavalo. Nitoby nanao antokony roa teo anoloan'ny Sirianina izy; tahaka ny osy andiany roa kely ny Israelita, fa ny Sirianina kosa nanenika ny tany.

28 Dia nanatona ilay olon'Andriamanitra ka niteny tamin'ny mpanjakan'i Israely hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Satria nataon'ny Sirianina fa Andriamanitry ny tendrombohitra ihany ny TOMPO fa tsy mba Andriamanitry ny tany lemaka koa, dia hatolotro eo an-tananao ireo miaramila marobe ireo, ka ho fantatrao fa Izaho no TOMPO.

29 Nandritra ny fito andro dia nitoby nifanatrika teo foana izy roa tonta, ka raikitra ny ady tamin'ny andro fahafito; ary nahafaty miaramila sirianina mpandeha an-tongotra antokony zato ny Israelita tao anatin'ny iray andro monja.

30 Izay sisa tsy maty dia nandositra nankany Afeka ary nisy antokony 27, nefa nianjeran'ny mandan'ny tanana avokoa ireny. Fa afa-nandositra i Bena-Hadada ka niditra tao an-tanana ary niery tao an'efitrano anatiny indrindra tamin'ny trano anankiray.

31 Hoy iretsy minisitra taminy: Renay fa mpanjaka antra olona ireo mpanjakan'i Israely ireo; koa aoka hisikina lamba gony izahay, ary aoka hofatorana mahazaka eo ambony lohanay ny tananay, dia hankany amin'ny mpanjakan'i Israely izahay, sao mba hitsimbina ny ainao izy.

32 Dia nisikina lamba gony ireo ary ny tanany nofatorana mahazaka teo ambony lohany, dia nankany amin'ny mpanjakan'i Israely izy sady nanao hoe: Mitalaho aminao i Bena-Hadada mpanomponao mba hitsimbina ny ainy. Fa hoy i Ahaba: Moa mbola velona ve izy? Rahalahiko manko izy!

33 Fambara tsara ho azy ireo izany ka dia nohararaotiny haingana nanaovana hoe: Rahalahinao hoe i Bena-Hadada! Dia hoy indray i Ahaba: Mandehana ka alao izy. Dia nankany aminy i Bena-Hadada ka nampitaingeniny tamin'ny kalesiny.

34 Hoy kosa i Bena-Hadada tamin'i Ahaba: Haveriko aminao ny tanana izay nalain'ny raiko tamin-drainao; ary afa-manao varotra any Damasy toy izay nataon-draiko tany Samaria ianao. Ary hoy i Ahaba: Hanao izany fifanekena izany aminao aho, dia hamela anao handeha avy eo. Rehefa nahavita izany fifanekena izany i Ahaba, dia namela azy handeha.

35 Ary tao anatin'ny andia-mpaminany anankiray dia nisy lehilahy niteny tamin'ny namany araka ny baikon'ny TOMPO hoe: Asio aho!, nefa tsy nety namely azy ilay namany.

36 Dia hoy ralehilahy taminy: Satria tsy nankatoavinao ny TOMPO, dia hisy liona hamely anao raha vao miala eto amiko ianao. Koa raha vao niala teo aminy izy, dia tojo liona izay namono azy ho faty.

37 Sendra olon-kafa indray ilay mpaminany ka niteny taminy hoe: Asio aho! Dia nasian'ilehio izy ka naratra.

38 Fa lasa ilay mpaminany nipetraka teo amoron-dalana niandry izay handalovan'ny mpanjaka, ary notakonany volon-doha ny handriny mba tsy hahafantarany azy.

39 Koa rehefa nandalo ny mpanjaka, dia nitarainany nataony hoe: Ry andriamanjaka o, tao anatin'ny ady aho no indro nisy olona nivoaka an-daharana nitondra mpigadra iray teo amiko sady niteny hoe: Ambeno ity lehilahy ity! Fa raha mandositra io, dia ianao no ho faty hisolo azy, na koa handoa volafotsy 35 kilao amiko ianao.

40 Kanjo raha mbola sahirana nivezivezy tetsy sy teroa iny aho, dia lasa nitsoaka izy. Dia hoy ny mpanjakan'i Israely taminy: Ianao ihany izany no nilaza ny fanamelohana ny tenanao.

41 Ary nakarin'ilay mpaminany haingana ny volon-doha nanakona ny handriny, ka fantatry ny mpanjakan'i Israely fa isan'ny andia-mpaminany izy.

42 Dia hoy ilay mpaminany taminy: Izao no lazain'ny TOMPO: Satria navelanao handeha ilay lehilahy nohelohiko ho faty, dia ianao kosa no ho faty hisolo azy, ary ny vahoakanao no ho faty hisolo ny vahoakany.

43 Ary nalahelo sady tezitra ny mpanjakan'i Israely no niverina sady nody tany an-tranony, tao Samaria.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0579