1 Mpanjaka

Toko faha-22

1 Roa taona no tsy nisian'ny ady intsony teo amin'i Siria sy i Israely.

2 Fa tamin'ny taona fahatelo dia nankany amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda.

3 Ary hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'ny manamboninahiny: Fantatrareo tsara fa antsika ny tananan'i Ramota any Gilehada, koa inona no isalasalantsika tsy haka izany amin'ny mpanjakan'i Siria?

4 Ary hoy izy tamin'i Josafata: Mba hiaraka amiko hanafika an'i Ramota-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao, ary ny soavaliko dia soavalinao.

5 Mbola niteny tamin'ny mpanjakan'i Israely indray i Josafata ka nanao hoe: Mba anontanio aloha ny TOMPO.

6 Ary novorin'ny mpanjakan'i Israely ny mpaminaniny tokony ho efajato ka nanontaniany hoe: Handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve aho, sa tsia? Dia novalian'ireo hoe: Mandehana fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao ny tanana.

7 Ary hoy kosa i Josafata: Moa tsy misy mpaminan'ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?

8 Dia novalian'ny mpanjakan'i Israely hoe: Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao, dia i Mikaia zanakalahin'i Jimla; saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy fa loza hatrany. Ka hoy i Josafata: Aza miteny izany ianao, ry mpanjaka.

9 Tamin'izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan'i Israely, ka nandidy azy haka faingana an'i Mikaia zanakalahin'i Jimla.

10 Ary ny mpanjakan'i Israely sy ny mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin'ny kianja manoloana ny vavahadin'i Samaria, nandritra ny naminanian'ireo mpaminany rehetra ireo.

11 Fa i Tsedekia, zanakalahin'i Kenahana, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: Izao no lazain'ny TOMPO: Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.

12 Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra ka nanao hoe: Tafiho i Ramota-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanana io.

13 Ilay iraka izay nandeha naka an'i Mikaia kosa dia niteny taminy hoe: Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an'ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa.

14 Fa hoy i Mikaia hoe: Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain'ny TOMPO amiko ihany no hambarako.

15 Rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: Ry Mikaia, handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada ve isika sa hijanona ihany? Ka hoy ny navaliny azy: Mandehana fa handresy ianao, ry andriamanjaka, ary hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanana io.

16 Fa hoy indray ny mpanjaka taminy: Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin'ny anaran'ny TOMPO?

17 Dia hoy ny navalin'i Mikaia: Hitako fa ny tafik'i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.

18 Dia hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy fa loza ihany?

19 Ary hoy indray i Mikaia: Henoy ary ny tenin'ny TOMPO: Hitako nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny marobe any an-danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.

20 Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: Iza no hitaona an'i Ahaba handeha hanafika an'i Ramota-Gilehada mba hahafaty azy any? Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.

21 Fa nandroso ka nitsangana teo anoloan'ny TOMPO ny fanahy anankiray ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy! Hoy kosa ny TOMPO hoe: Amin'ny fomba ahoana?

22 Dia hoy izy: Handeha aho, ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan'ireo mpaminanin'i Ahaba rehetra. Ary hoy indray ny TOMPO: Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha ary ka ataovy!

23 Ankehitriny, raha ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan'ireto mpaminaninao rehetra ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.

24 Tamin'izay nanatona an'i Mikaia i Tsedekia zanakalahin'i Kenahana, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: Niala tamiko ve ny Fanahin'ny TOMPO mba hiteny aminao?

25 Dia novalian'i Mikaia hoe: Indro fa ho hitanao izany amin'ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.

26 Tamin'izay ny mpanjakan'i Israely dia nibaiko hoe: Sambory i Mikaia, dia ento miverina any amin'i Amona governoran'ny tanana sy any amin'i Joasy zanako lahy,

27 ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.

28 Fa hoy kosa i Mikaia: Raha tahiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'ny TOMPO aho tsy akory.

29 Dia lasa nanafika an'i Ramota-Gilehada ny mpanjakan'i Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda.

30 Ary hoy ny mpanjakan'i Israely tamin'i Josafata: Hody olon-kafa aho, dia hirotsaka an'ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan'i Israely ka nirotsaka an'ady.

31 Fa ny mpanjakan'i Siria kosa efa nanome baiko ireo komandy 32 mifehy ny kalesiny mba tsy hamely miaramila tsotra na mpitari-tafika fa ny mpanjakan'i Israely ihany.

32 Nony nahita an'i Josafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan'i Israely mihitsy. Dia isangodinany hiadiana izy; kanjo niantsoantso mafy i Josafata.

33 Rehefa hitan'ireo komandin-kalesy fa tsy ny mpanjakan'i Israely io, dia nialany.

34 Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipika tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ny famavan'ny akanjo vy fiarovan-tratrany. Dia hoy ity mpanjaka tamin'ny mpamily ny kalesiny: Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.

35 Kanefa nihamafy ny ady tamin'izay andro izay; koa tsy maintsy notohanana ny mpanjaka mba hitsangana teo amin'ny kalesiny nanoloana ny tafika sirianina; ary maty izy nony hariva ny andro, fa nitsika tao anatin'ny kalesiny ny ra tamin'ny ratrany.

36 Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanako eran'ny toby izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tananany sy any amin'ny taniny avy,

37 fa maty ny mpanjaka! Dia nentina tany Samaria ny razana ka nalevina tao.

38 Ary rehefa nosasana teo amin'ny farihin'i Samaria ny kalesin'i Ahaba, dia avy ny alika nilelaka ny rany, ary ny mpivarotena nandro teo, araka ny tenin'ny TOMPO.

39 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ahaba ary koa ny zavatra hafa rehetra vitany, ny trano ivoara nataony sy ny tanana rehetra naoriny, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

40 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia i Ahazia zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

41 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'i Israely no tonga mpanjakan'i Joda i Josafata zanakalahin'i Asa.

42 Feno 35 taona i Josafata fony vao nanjaka, ary naharitra 25 taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Hazoba, zanakavavin'i Silehy.

43 Narahiny avokoa ny toetran'i Asa rainy ka tsy niala tamin'izany izy, fa nanao izay mahitsy eo imason'ny TOMPO.

44 Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, fa ny olona dia mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany.

45 Ary nanao fanekempihavanana tamin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata.

46 Ny sisa amin'ny tantaran'i Josafata ary koa ny herimpo nasehony sy ny ady natrehiny, dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Joda.

47 Izy no namongotra teo amin'ny tany ireo lehilahy sy vehivavy nitolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy ka mbola velona tamin'ny andron'i Asa rainy.

48 Tsy nisy mpanjaka tany Edoma tamin'izany fotoana izany, fa governora notendren'ny mpanjaka ihany.

49 Nanamboatra sambo vaventy haka volamena any Ofira i Josafata; nefa tsy afa-niainga ireo sambo ireo, satria rendrika tao Hetsiony-Gebera.

50 Dia hoy i Ahazia zanakalahin'i Ahaba tamin'i Josafata: Aoka hiaraka amin'ny tantsambonao ny tantsamboko. Fa tsy nety i Josafata.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0557