1 Mpanjaka

Toko faha-4

1 I Salomona mpanjaka no nanjaka tamin'i Israely manontolo.

2 Ireto avy ny anaran'ny mpiasam-panjakana ambony teo aminy: I Hazaria zanakalahin'i Tsadoka no mpisorona;

3 i Elihorefa sy i Ahia, samy zanakalahin'i Sisa, no mpitantsoratra; i Josafata zanakalahin'i Ahiloda no mpitondratenin'ny mpanjaka;

4 i Benaia zanakalahin'i Joiada no filohan'ny tafika; i Tsadoka sy i Abiatara no mpisorona;

5 i Hazaria zanakalahin'i Natana no filohan'ny governora; i Zaboda zanakalahin'i Natana no mpisorona sady mpanolotsaina manokan'ny mpanjaka;

6 i Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; i Adonirama zanakalahin'i Habda no mpiandraikitra ny asa an-terivozona.

7 Nanana governora 12 lahy izay nisolotena azy teo amin'i Israely manontolo koa i Salomona; ireo no namatsy ny mpanjaka sy ny olona tao an-dapany ka nifandimby nisahana izany andraikitra izany iray volana isan-taona.

8 Ireto avy ny anarany: Ny zanakalahin'i Hora no tany amin'ny faritra be tendrombohitra any Efraima;

9 ny zanakalahin'i Dekera no tao Makatsa sy Sahalbima ary Bety-Semesy sy Elona-Bety-Hanana;

10 ny zanakalahin'i Heseda, tao Arobota, no nisahana an'i Sokao sy ny faritr'i Hefera manontolo;

11 ny zanakalahin'i Abinadaba no nisahana an'i Dora manontolo (nanambady an'i Tafata zanakavavin'i Salomona izy);

12 i Bahana zanakalahin'i Ahiloda no nisahana an'i Tahanaka sy i Megidao ary ny faritr'i Bety-Seana manontolo (ny faritr'i Bety-Seana dia mihazo anilan'i Tsaretana eo ambanin'i Jizrehela ary mipaka any Bety-Seana sy Abela Mehola ka hatrany ankoatran'i Joknehama);

13 ny zanakalahin'i Gebera, tao Ramota any Gilehada, no nisahana an'i Havota-Jairo izay fananan'i Jairo zanakalahin'i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin'i Argoba izay tao Basana: tanana enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;

14 i Ahinadaba zanakalahin'i Hidao no tao amin'ny faritr'i Mahanaima;

15 i Ahimahatsa no tao amin'ny faritr'i Naftaly (izy koa dia nanambady ny zanakavavin'i Salomona nantsoina hoe Basemata);

16 i Bahana zanakalahin'i Hosay no tao amin'ny faritr'i Asera sy i Behalota;

17 i Josafata zanakalahin'i Paroa no tao amin'ny faritr'i Jisakara;

18 i Simehy zanakalahin'i Ela no tao amin'ny faritr'i Benjamina;

19 i Gebera zanakalahin'i Ory no tao amin'ny tanin'i Gilehada mbamin'ny tanin'i Sihona mpanjakan'ny Amorita, ary ny tanin'i Hoga mpanjakan'i Basana. Ankoatra ireo, dia mbola nisy koa governora iray tao amin'ny tanin'i Joda.

20 Ary ny mponin'i Joda sy i Israely dia marobe tahaka ny fasika amoron-dranomasina. Nanan-kohanina sy hosotroina ireo ka niaina finaritra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549