1 Mpanjaka

Toko faha-6

1 Tamin'ny taona faha-480 taorian'ny nialan'ny Israelita tany Ejipta, izany hoe ny taona fahefatra nanjakan'i Salomona tamin'i Israely, fony volana Ziva na volana faharoa no nanombohany nanorina ny tranon'ny TOMPO.

2 Ary ny trano izay nataon'i Salomona mpanjaka ho an'ny TOMPO dia nirefy telopolo metatra ny lavany, folo metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony.

3 Ny lalantsara fidirana, izay teo anoloan'ny efitrano malalaka amin'ny tempoly dia nirefy folo metatra toy ny sakan'ny tempoly ihany ary dimy metatra ny lafiny miditra ho amin'io efitrano io.

4 Teo amin'ny rindrin'ny tempoly dia nisy ireo varavarankely nametahana fefy makarakara.

5 Natsangana ny paosin-trano misy rihana roa izay niankina tamin'ny rindrina ivelan'ny efitrano malalaka sy ny efitrano anatiny.

6 Ny ambany rihan'ny paosin-trano dia nirefy roa metatra sy sasany ny sakany, ny rihana voalohany dia nirefy telo metatra ny sakany ary ny rihina faharoa dia mirefy telo metatra sy sasany ny sakany. Tsy mitovy manko ny hatevin'ny rindrina ivelan'ny tempoly isaky ny rihana mifanongoa, mba tsy haninteraka ny rindrin'ny tempoly ireo sakamandimbin'ny paosin-trano.

7 Tamin'ny fanaovana ny tempoly, dia vato voapaika avy tany amin'ny fihadiam-bato no nampiasaina, hany ka tsy nandrenesana feon-tantanana na fandraka na fiasana vy hafa tao amin'ny tempoly.

8 Ny varavarana mankamin'ny ambany rihana dia teo amin'ny lafy atsimon'ny tempoly; tohatra miolikolika no niakarana hankamin'ny rihana voalohany; tahaka izany koa no niakarana hankamin'ny rihana faharoa.

9 Mba hamitana ny fananganana ny tempoly, dia napetaka ny valin-tafo izay nasiana sakamandimby sy hazo fisaka sedera.

10 Ary ny paosin-trano natao manodidina dia mirefy roa metatra sy sasany ny haavony isaky ny rihana, ary hazo sedera no nanakambanany azy tamin'ny rindrin'ny tempoly.

11 Dia nisy tenin' ny TOMPO tamin'i Salomona nanao hoe: Manao izao tempoly izao ho Ahy ianao;

12 koa raha mizotra araka ny lalanako ianao sy manaraka ny fitsipiko ary mitandrina ny didiko rehetra, dia hotanterahiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin'i Davida rainao;

13 honina ao amin'ny tempoly eto anivon'ny Israelita Aho ary tsy hahafoy ilay Israely vahoakako.

14 Rehefa vitan'i Salomona ny asa fananganana ny tempoly,

15 dia norakofany hazo sedera ny rindrina anatiny hatreo ambany ka hatrany ambony; ary hazo fisaka kipreso no nataony gorodona.

16 Norakofana hazo sedera mirefy folo metatra hatreo ambany ka hatrany ambony koa ny rindrin'ilay efitrano anatiny; ka ny atin'io efitrano io dia namboarina ho efitra voatokana izay nantsoina hoe Toeramasina Indrindra.

17 Ilay efitrano malalaka teo anoloan'io efitra voatokana io kosa dia nirefy roapolo metatra ny lavany.

18 Ny hazo sedera izay tao anatin'ny tempoly dia voaravaka asa sokitra misarim-boatango sy voninkazo mivelatra; vita tamin'ny sedera avokoa izany ka tsy nisy mihitsy vato niseho.

19 Teo amin'ny faritra afovoan'ny tempoly dia namboarana efitrano iray hametrahana ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan'ny TOMPO.

20 Efamira io efitrano io ka samy nirefy folo metatra ny lafiny rehetra ary folo metatra koa ny haavony. Nopetahan'i Salomona takela-bolamena tsara sady madio ny atin'io efitrano io ary koa ny atin'ny tempoly manontolo. Teo amin'ny fidirana mankao amin'io efitrano io dia nasiana rojo volamena hisakana ary nametrahana alitara hazo sedera nopetahana takela-bolamena.

22 Eny, nopetahana takela-bolamena toy izany ny tempoly manontolo ary koa ny alitara manontolo teo akaikin'ny fidirana mankao amin'ny efitrano misy ny Vatamasina.

23 Tao amin'io efitrano misy ny Vatamasina io dia namboarana kerobima roa vita tamin'ny hazo oliva izay samy nirefy dimy metatra ny haavony. Ny voalohany dia nanana elatra roa metatra sy sasany ny halavany, izany hoe dimy metatra no elanelan'ny tendron'elatra anankiroa. Ny faharoa koa dia nirefy dimy metatra, ary nitovy refy sy bika tamin'ilay voalohany ihany.

27 Napetraka teo afovoan'ny efitrano misy ny Vatamasina ny kerobima; ary natao mivelatra ny elany, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina an-kilany sy an-daniny avy, ary ny elatra roa hafa kosa dia nifanendry teo afovoan'ny efitrano.

28 Nopetahana takela-bolamena ireo kerobima roa.

29 Ny rindrina manodidina, na teo amin'ny efitrano anatiny na teo amin'ny efitrano malalaka, dia nisokirana sarina kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra.

30 Ary nopetahana takela-bolamena ny gorodona, na teo amin'ny efitrano anatiny na teo amin'ny efitrano malalaka.

31 Nasiana varavarana kopa-droa vita tamin'ny hazo oliva ny mankao amin'ny efitrano misy ny Vatamasina, ka ny tataony sy ny tolany dia ampahadimin'ny sakan'ny tempoly.

32 Ny lela-varavarana kopa-droa vita tamin'ny hazo oliva dia nisokirana sarina kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, izay samy nopetahana takela-bolamena; ka nokaliana ny fametahana izany tamin'ny kerobima sy ny hazo rofia.

33 Toy izany koa no nanaovana ny varavarana mankao amin'ny atitrano lehibe fa nasiana tolana hazo oliva ampahefatry ny sakan'ny tempoly;

34 ny lela-varavarana kopa-droa dia hazo kipreso izay samy noravahana mason-drojo roa voasokitra.

35 Nisokirana sarina kerobima sy hazon-drofia ary voninkazo mivelatra teo, ary dia nopetahana volamena ny faritra voasokitra.

36 Ary nohodidinina rindrim-bato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana ny kianja anatiny.

37 Tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Salomona, fony volana Ziva, no nametrahana ny fototry ny tranon'ny TOMPO.

38 Ary tamin'ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan'izany an-tsakany sy an-davany tamin'ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan'i Salomona azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1151