1 Mpanjaka

Toko faha-16

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamin'i Jeho mpaminany zanakalahin'i Hanany, dia hafatra ny amin'i Bahasa manao hoe:

2 Nasandratro avy amin'ny vovoka ianao ka nataoko ho filohan'i Israely vahoakako, kanefa dia ny fitondrantenan'i Jerobohama no nizoranao ary ilay Israely vahoakako nampanotanao ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany.

3 Noho izany, hofongorako ny tenanao sy ny fianakavianao ka hataoko tahaka ny fianakavian'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata.

4 Koa ny taminganao izay maty ao an-tanana dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha kosa dia hohanin'ny voro-manidina.

5 Ny sisa amin'ny tantaran'i Bahasa ary koa ny zavatra hafa nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

6 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao Tiritsa; ary i Ela zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

7 Ny nitenenan'ny TOMPO an'i Bahasa sy ny fianakaviany, tamin'ny alalan'i Jeho mpaminany zanakalahin'i Hanany, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO i Bahasa sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany sady tonga tahaka an'i Jerobohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan'i Bahasa ny taranak'i Jerobohama.

8 Tamin'ny taona faha-26 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjaka tamin'i Israely i Ela zanakalahin'i Bahasa; ary naharitra roa taona no nanjakany tao Tiritsa.

9 Fa nioko hamely azy i Zimry manamboninahiny sady komandin'ny antsasaky ny mpitondra kalesy. Koa fony i Ela nisotro sy nimamo tao Tiritsa tao an-tranon'i Aretsa filohan'ny tandapa,

10 dia niditra i Zimry ka namono nahafaty azy tamin'ny taona faha-27 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; ary izy no nanjaka nandimby an'i Ela.

11 Ary vantany vao nanjaka i Zimry ka nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany, dia naringany avokoa ny fianakavian'i Bahasa, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho lehilahy, na tamin'ny havany izany na tamin'ny sakaizany;

12 naringan'i Zimry avokoa ny fianakavian'i Bahasa araka ny teny nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Jeho mpaminany.

13 Izany no vokatry ny fahotana vitan'i Bahasa sy i Ela zanany, dia izay nataon'izy mianaka sady nampanaoviny an'i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'ny sampiny.

14 Ny sisa amin'ny tantaran'i Ela ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

15 Tamin'ny taona faha-27 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Zimry ary fito andro ihany no nanjakany tao Tiritsa. Tamin'izay ny tafik'i Israely dia nanao fahirano an'i Gibetona izay voatanan'ny Filistinina.

16 Ren'ny miaramila mpanao fahirano fa nikomy tamin'ny mpanjaka i Zimry sady efa nahafaty azy aza; koa androtriny ihany teo an-tobiny teo ny tafik'i Israely manontolo dia nanangana an'i Homry filohany ho mpanjakan'i Israely.

17 Dia niala tao Gibetona i Homry sy ny tafiny manontolo ka nanao fahirano an'i Tiritsa.

18 Rehefa hitan'i Zimry fa azo ny tanana, dia lasa izy niditra tao amin'ny tilikambo nisy ny efitranon'ny mpanjaka; nodorany io efitrano io, ka dia niara-devona taminy tao izy.

19 Izany no vokatry ny fahotana vitan'i Zimry, fony izy nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO satria nizorany ny fitondrantenan'i Jerobohama sy ny fahotana izay nataony sady nampanaoviny an'i Israely.

20 Ny sisa amin'ny tantaran'i Zimry ary koa ny fikomiana nataony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

21 Taorian'ny nahafatesan'i Zimry, dia nizara roa ny vahoakan'i Israely: ny antsasany nomba an'i Tibny zanakalahin'i Ginata ka te hampanjaka azy, ary ny antsasany kosa nanaraka an'i Homry.

22 Farany anefa dia resin'ny mpomba an'i Homry ny mpomba an'i Tibny zanakalahin'i Ginata. Dia maty i Tibny, ary i Homry no tonga mpanjaka.

23 Tamin'ny taona faha-31 nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely i Homry; ary naharitra 12 taona no nanjakany ka ny enina tamin'izany dia tao Tiritsa.

24 Dia novidiny volafotsy fito kilao tamin'i Semera ny havoanan'i Samaria ka nanorenany tanana teo an-tampony; ary nataony koa hoe Samaria ny anaran'izany tanana izany araka ny anaran'i Semera tompon'ilay havoana.

25 Fa nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO i Homry, eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany aza;

26 satria nizorany avokoa ny fitondrantenan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata sy ny fahotana izay nampanaoviny an'i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tamin'ny sampiny.

27 Ny sisa amin'ny tantaran'i Homry ary koa ny zavatra hafa nataony sy ny herimpo nasehony dia voasoratra ao amin'ny boky milohateny hoe Asan'ireo mpanjakan'i Israely.

28 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany izy, dia nalevina tao Samaria; ary i Ahaba zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

29 Tamin'ny faha-38 taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda no tonga mpanjaka tamin'i Israely i Ahaba zanakalahin'i Homry; ary naharitra 22 taona no nanjakany tamin'i Israely tao Samaria.

30 Ary izy io dia nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO mihoatra noho izay rehetra teo alohany.

31 Tsy vitan'ny hoe nizotra tamin'ny fahotan'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata izy, fa mbola nanambady an'i Jezebela zanakavavin'i Etbahala mpanjakan'ny Tsidonianina sy nanompo an'i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.

32 Tany Samaria aza dia manao tempoly ho an'i Bahala izy ka nanangana alitara

33 sy nametraka tsatokazo fanajana an'i Asera tao; koa nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely izy mihoatra noho ny mpanjakan'i Israely rehetra talohany.

34 Tamin'ny andro nanjakan'i Ahaba no nanorenan'i Hiela avy any Betela an'i Jerikao; ka ny ain'i Abirama lahimatoany no sandan'ny nametrahany ny fototra, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sandan'ny nametrahany ny vavahady, araka ny teny izay nolazain'ny TOMPO tamin'ny alalan'i Josoa zanakalahin'i Nona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0596