1 Mpanjaka

Toko faha-2

1 Rehefa nandindona an'i Davida ny andro hahafatesany, dia nandidy an'i Salomona zanany lahy izy nanao hoe:

2 Efa ho faty araka ny lalan-kizoran'ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy!

3 Tandremo izay andidian'ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalanany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny satany araka ny voasoratra ao amin'ny lalanan'i Mosesy; dia hahomby ianao amin'izay rehetra hataonao sy hokasainao.

4 Ary hotanterahin'ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: Raha tandreman'ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely ianao.

5 Ankoatra izany, ianao koa mahalala ny ratsy rehetra nataon'i Joaba zanakalahin'i Tseroia tamiko sy tamin'ny filohan'ny tafik'i Israely roa lahy, dia i Abinera zanakalahin'i Nera sy i Hamasa zanakalahin'i Jetera izay samy novonoiny ho faty sady nalatsany ra toy ny amin'ny ady nefa tsy nisy ady akory; ka dia tompon'andraikitra feno izy ny amin'ny nafitsony.

6 Koa araka ny fahendrenao no ataovy, ary aza avela ho tratra antitra amim-piadanana izy no hidina any amin'ny toeran'ny maty.

7 Fa ireo zanakalahin'i Barzilay avy any Gilehada kosa dia asio soa ary aoka izy hihinana eo amin'ny latabatrao, satria tonga namonjy ahy izy fony aho nandositra an'i Absaloma rahalahinao.

8 Farany dia aza hadino i Simehy zanakalahin'i Gera sady Benjaminita avy any Bahorima. Mafy loatra ny nanozonany ahy tamin'ny andro nankanesako tany Mahanaima; nefa nidina nitsena ahy tao Jordana izy, ka dia nianiana tamin'ny TOMPO aho fa tsy hamono azy ho faty amin'ny sabatra.

9 Koa ankehitriny, aza atao afa-maina izy, fa lehilahy hendry ianao ka mahafantatra izay tokony hanaovana azy; na dia efa antitra aza izy, dia amin'ny fandatsahan-dra no hampidinanao azy any amin'ny toeran'ny maty.

10 Rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Davida, dia nalevina tao an-tananan'i Davida.

11 Naharitra efapolo taona no nanjakan'i Davida tamin'i Israely, ka fito taona tao Hebrona ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema.

12 I Salomona no nipetraka teo amin'ny sezafiandrianan'i Davida rainy ary niorina tsara ny fahefam-panjakany.

13 Indray andro dia nankany amin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Adonia zanakalahin'i Hagita. Ary hoy ravehivavy taminy: Hitondra fihavanana va no ahatongavanao? Ka novaliany hoe: Eny!

14 Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Dia hoy ravehivavy: Lazao ary.

15 Dia hoy izy: Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary i Israely iray manontolo no efa nitodika tamiko mba hampanjaka ahy; kanjo dia tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, satria izay no sitrapon'ny TOMPO.

16 Zavatra tokana no mba angatahiko aminao ankehitriny, ka aoka re mba tsy holavinao. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.

17 Dia hoy i Adonia: Miangavy anao re aho hiteny amin'i Salomona mpanjaka, (fa tsy handa anao izy) mba hanomezany ahy an'i Abisaga avy any Sonema ho vadiko.

18 Hoy i Baty-Seba: Eny ary fa dia hiteny momba anao amin'ny mpanjaka aho.

19 Dia nankany amin'i Salomona mpanjaka i Baty-Seba hiteny aminy momba an'i Adonia. Ary nitsangana nitsena an'i Baty-Seba ny mpanjaka sady niondrika teo anatrehany; dia niverina nipetraka teo amin'ny sezafiandrianany izy ary nasainy nasiana sezafiandrianana iray ho an-dreniny teo ankavanany.

20 Ary hoy i Baty-Seba taminy: Misy zavatra kely iray angatahiko aminao, ka aoka mba tsy holavinao. Ka novalian'ny mpanjaka hoe: Angataho izay tianao, ry neny, fa tsy handa izany aho.

21 Dia hoy ravehivavy: Aoka homena an'i Adonia rahalahinao i Abisaga avy any Sonema mba ho vadiny.

22 Fa hoy i Salomona namaly an-dreniny: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga avy any Sonema ho an'i Adonia? Angataho ho azy koa ny fanjakana satria izy no zokiko; dia ho azy izany sy ho an'i Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba zanakalahin'i Tseroia.

23 Dia nianiana tamin'ny TOMPO i Salomona mpanjaka ka nanao hoe: Aoka hataon'Andriamanitra amiko ny famaizana faran'izay mafy raha tsy hataoko maty i Adonia noho izany teniny izany.

24 Velona ny TOMPO Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny sezafiandrianan'i Davida raiko sady nampanantena ho ahy sy ny taranako ny fahefa-manjaka, koa mianiana aho fa tsy maintsy maty anio ihany i Adonia!

25 Ary i Salomona naniraka an'i Benaia zanakalahin'i Joiada mba hamely azy. Dia maty tokoa i Adonia.

26 Hoy kosa ny mpanjaka tamin'i Abiatara mpisorona: Mankanesa any Hanatota any amin'ny taninao, fa olona mendrika ho faty ianao; nefa tsy anio akory no hataoko maty ianao, satria efa mba nitondra ny Vatamasin'ny Tompo ANDRIANANAHARY ihany ianao tamin'ny andron'i Davida raiko sady niara-niaritra ny mafy rehetra nozakainy.

27 Ary naongan'i Salomona tsy ho mpisoron'ny TOMPO intsony i Abiatara; ka dia tanteraka ny teny nolazain'ny TOMPO tao Silao ny amin'ny taranak'i Hely.

28 Vao ren'i Joaba ny nanjo an'i Adonia sy i Abiatara, dia nandositra nankao amin'ny Tranolain'ny TOMPO izy ka namikitra tamin'ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona. I Joaba manko niandany tamin'i Adonia, kanefa tsy nanaraka an'i Absaloma.

29 Ary nisy olona nanambara ny vaovao tamin'i Salomona ka nanao hoe: Nandositra ao amin'ny Tranolain'ny TOMPO i Joaba ka mialokaloka eo akaikin'ny alitara. Dia naniraka olona i Salomona mba hamototra an'i Joaba hoe: Nahoana ianao no nialokaloka eto akaikin'ny alitara? Ka novalian'i Joaba hoe: Natahotra anao aho ka nialokaloka eto akaikin'ny TOMPO. Dia nirahin'i Salomona hankany i Benaia zanakalahin'i Joiada ka nilazany hoe: Andeha vonoy ho faty izy.

30 Dia nankany amin'ny Tranolain'ny TOMPO i Benaia ka niteny tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Hoy kosa izy: Tsia, fa eto no hahafatesako. Dia nankany amin'ny mpanjaka indray i Benaia nitondra ny valin-tenin'i Joaba.

31 Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy; ka vonoy ho faty izy, dia aleveno mba ho voaesotrao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny andraikitra amin'ny famonoan'i Joaba ho faty ny olona anankiroa.

32 Hataon'ny TOMPO manody an'i Joaba anie izany, satria olona roa tsy manan-tsiny akory sady tsara fanahy noho izy no nasiany tamin'ny sabatra ka maty, dia i Abinera zanakalahin'i Nera sady filohan-tafik'i Israely sy i Hamasa zanakalahin'i Jetera sady filohan-tafik'i Joda, nefa i Davida raiko tsy mba nahafantatra izany.

33 Eny, hanody tokoa amin'i Joaba sy ny taranany mandrakizay izany; fa fiadanana mandrakizay avy amin'ny TOMPO kosa no ho amin'i Davida sy ny taranany mbamin'ny fianakaviany ary ny sezafiandrianany.

34 Dia niverina niakatra tany amin'i Joaba i Benaia zanakalahin'i Joiada ka namely sy nahafaty azy; ary dia nalevina tao amin'ny toeram-ponenany tany an-taniefitra izy.

35 I Benaia zanakalahin'i Joiada no nasolon'ny mpanjaka azy ho filohan-tafika, ary i Tsadoka mpisorona kosa no nasolony an'i Abiatara.

36 Nampiantso an'i Simehy ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ka mitoera ao; ary aza miala ao mihitsy ianao.

37 Fantaro tsara fa ho faty ianao amin'ny andro izay hialanao ao ka hitanao ny lohasahan-driaka Kidrona; dia ho tompon'andraikitra samirery amin'ny hahafatesanao ianao.

38 Ka hoy i Simehy tamin'ny mpanjaka: Tsara izany, ry andriamanjaka, fa araka izay nolazainao no hataoko. Dia nitoetra ela tao Jerosalema i Simehy.

39 Kanjo telo taona taorian'izany, dia nisy mpanompon'i Simehy roa lahy nandositra ho any amin'i Akisa zanakalahin'i Maheka sady mpanjakan'i Gata. Rehefa nilazana i Simehy fa indreo any Gata ny mpanompony,

40 dia nanisy lasely ny borikiny izy, ka niainga nankany Gata ho any amin'i Akisa haka ny mpanompony. Dia nitodi-doha niverina niaraka tamin'ny mpanompony i Simehy.

41 Fa nisy nanambara tamin'i Salomona ny nankanesan'i Simehy tany Gata sy ny niverenany indray tao Jerosalema.

42 Koa nampiantso an'i Simehy ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'ny TOMPO ve aho mba tsy hiala amin'ny tanana? Ary tsy efa nampitandrina anao ve aho fa raha miala ao ianao, dia tsy maintsy ho faty? Dia hoy ianao namaly ahy tamin'izay hoe: Tsara izany!

43 Koa nahoana ianao no tsy nitana ny fianianana natao tamin'ny TOMPO? Nahoana no tsy notandremanao ny didy izay nomeko anao?

44 Ary hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simehy: Fantatrao ny ratsy rehetra nataonao tamin'i Davida raiko; eny, tsaroan'ny fonao izany; ka dia hataon'ny TOMPO manody anao ny haratsianao.

45 Izaho Salomona mpanjaka kosa hotahina; ary ny sezafiandrianan'i Davida hampitoerina mandrakizay eo anatrehan'ny TOMPO.

46 Dia nanome baiko an'i Benaia zanakalahin'i Joiada ny mpanjaka; dia nivoaka ny trano izy io ka namely an'i Simehy ho faty. Toy izany no nanamafisana ny fahefana maha mpanjaka teo an-tanan'i Salomona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0572