1 Mpanjaka

Toko faha-9

1 Rehefa vitan'i Salomona ny fanaovana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka ary izay rehetra niriny hatao,

2 dia nisehoan'ny TOMPO tahaka ilay nisehoany taminy tao Gibehona indray izy,

3 ka nilazany hoe: Efa reko ny vavaka amam-pifonana nataonao tamiko; koa efa voatokako ho Ahy ity trano nataonao ity mba hampitoerako mandrakizay ny voninahitro; ka ho ao aminy mandrakariva ny fiahiako anareo sy ny fitiavako anareo.

4 Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran'i Davida rainao tamin'ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalana amam-pitsipiko,

5 dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin'i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an'i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin'ny sezafiandrianan'i Israely.

6 Nefa kosa raha miala amiko ianareo sy ny taranakareo, ka tsy mitandrina ny didy aman-dalana izay napetrako teo anoloanareo fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehany hitsaoka azy,

7 dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin'ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin'izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin'ny firenen-kafa rehetra.

8 Na dia avobe aza ity tempoly ity fahiny, dia hivarahontsana izay rehetra mandalo eo akaikiny ka hanontany hoe: Nahoana no dia nataon'ny TOMPO toy izao ity tany ity sy ity tempoly ityy

9 Ary hisy olona hamaly hoe: Satria nilaozan'ny Israelita ny TOMPO Andriamaniny, dia Ilay nitondra ny razany niala tany Ejipta; ary nifikitra tamin'andriamani-kafa ireo sady niankohoka teo anatrehany sy nanompo azy, ka dia nampiharan'ny TOMPO izao loza isan-karazany izao.

10 I Hirama mpanjakan'i Tiro no nanome an'i Salomona ny hazo sedera sy ny hazo kipreso ary ny volamena rehetra nilainy nenti-nanaovana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka. Nony afaka ny roapolo taona nanoneran'i Salomona ireo trano roa ireo, dia nomeny tanana roapolo tany amin'ny faritr'i Galilea i Hirama.

12 Koa niala tany Tiro i Hirama mba hijery ireo tanana ireo, nefa tsy nisy tiany.

13 Dia hoy izy: Tsy misy dikany amiko ireo tanana nomenao ahy ireo, ry Salomona rahalahiko. Izany no mbola anaovana izany faritra izany mandraka androany hoe Tany Kabola.

14 I Hirama anefa nampanatitra volamena telo taonina sy sasany ihany ho an'ny mpanjaka.

15 Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin'i Salomona hanamboarana ny tranon'ny TOMPO sy ny lapan'andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan'i Jerosalema mbamin'ny tananan'i Hatsora sy i Megidao ary i Gezera.

16 Notafihin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta mantsy i Gezera, ka azony ary nodorany rehefa avy naripany ho faty ny Kanahanita mponina tao; dia nataony fanomezana ho an-janany vavy vadin'i Salomona izany,

17 ka namboarin'i Salomona indray. Namboarin'i Salomona ihany koa i Bety-Horona ambany,

18 i Bahalato, i Tamara any an-taniefitra,

19 ary ny tanana rehetra nataony fitahirizam-bokatra na fitobian-kalesy na fitoeran-tsoavaly. Natsangany avokoa izay rehetra tiany haorina tao Jerosalema sy tany Libano ary manerana ny tany nofeheziny. Izao ary no endriky ny asa anterivozona nampanaovin'i Salomona:

20 Mbola nisy tavela teo amin'ny tany ireo antokon'olona isan-karazany, dia ny Amorita sy Hetita mbamin'ny Perizita sy Hivita ary Jebosita, izay samy tsy anisan'ny Israelita.

21 Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak'ireo fa tsy naringan'ny Israelita, ka dia nampanaovin'i Salomona asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.

22 Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin'i Salomona izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitari-tafika na ho mpiantafika voafantina na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.

23 Ary ny lehiben'ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin'i Salomona kosa dia nisy 250 lahy izay nifehy ny olona mpanatontosa ny asa.

24 Rehefa niala tao an-Tananan'i Davida ny zanakavavin'ny Farao hankany amin'ny trano naorina ho azy, izay vao namboarin'i Salomona ny tokotany atao hoe Milao.

25 Intelo isan-taona i Salomona no nanolotra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana teo amin'ny alitara izay naoriny ho an'ny TOMPO. Ary nampandoro vovo-javamanitra koa izy ho fanajana ny TOMPO. Izany no nampiasany ny tempoly.

26 Ary i Salomona mpanjaka nanao sambo tao Hetsiony-Gebera akaikin'i Elota eo amoron'ny Ranomasin'ny Volotara any amin'ny tany Edoma.

27 Dia nalefan'i Hirama tamin'ireo sambo ireo ny tantsambony izay matilo nahay ranomasina mba hiaraka amin'ny tantsambon'i Salomona.

28 Ary tonga tany Ofira ireo ka nahazo volamena 12 taonina mahery ary nitondra izany ho an'i Salomona mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0574