1 Mpanjaka

Toko voalohany

1 Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.

2 Hoy ny mpanompony taminy: Aoka ianao, ry andriamanjaka, hitadiavana tovovavy virijiny izay ho eo anatrehanao mandrakariva mba ho mpitaiza anao sy handry eo anilanao, ka dia hafana ianao.

3 Dia nitady izay tovovavy tsara tarehy teo amin'ny tanin'i Israely manontolo ireto mpanompon'i Davida; ary tao Sonema no nahitany an'i Abisaga izay nentiny tany amin'ny mpanjaka.

4 Tsara tarehy fatratra ilay tovovavy ka tonga mpitaiza sy mpanompon'ny mpanjaka; nefa tsy niray taminy akory ny mpanjaka.

5 Fa i Adonia zanakalahin'i Hagita kosa tamin'izay no nanandra-tena ho mpanjaka. Dia nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary lehilahy dimampolo ho mpihazakazaka eo anoloany izy.

6 Hatramin'izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an'i Absaloma.

7 Dia niresaka tamin'i Joaba zanakalahin'i Tseroia sy tamin'i Abiatara mpisorona i Adonia, ka nahazo ny fanohanan'ireo.

8 Fa i Tsadoka mpisorona sy i Benaia zanakalahin'i Joiada sy i Natana mpaminany mbamin'i Simehy sy i Rehy ary ireo kalazan'i Davida kosa tsy mba niandany tamin'i Adonia.

9 Indray andro dia nikorana teo amin'ny vaton'i Zoheleta akaikin'i Haina-Rogela i Adonia ka namono ondry sy omby ary biby matavy. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra zanaky ny mpanjaka ary ny lehilahy rehetra amin'i Joda izay mpanompon'ny mpanjaka.

10 Kanefa tsy mba nasainy i Natana mpaminany sy i Benaia sy ireo lehilahy kalaza ary i Salomona rahalahiny.

11 Niteny tamin'i Baty-Seba renin'i Salomona i Natana ka nanao hoe: Tsy efa renao va fa nanangan-tena ho mpanjaka i Adonia zanakalahin'i Hagita, nefa i Davida andriamanjaka tsy nahalala izany akory?

12 Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salomona zanakao.

13 Mankanesa any amin'i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adonia indray no tonga mpanjaka?

14 Dia hoy ihany i Natana: Ary raha ilay mbola eo am-piresahana amin'ny mpanjaka iny ianao, dia mba hiditra ao aminy koa aho hanamafy izay voalazanao.

15 Dia nankany amin'ny mpanjaka tao an'efitranony i Baty-Seba. Efa tena antitra ny mpanjaka; ary i Abisaga avy any Sonema no tao nanompo azy.

16 Nandohalika niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka i Baty-Seba, ka nitenenan'ny mpanjaka hoe: Inona no ilainao?

17 Dia novaliany hoe: Efa nianiana tamiko teo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitrao ianao, ry andriamanjaka, fa i Salomona zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao.

18 Indro ankehitriny fa i Adonia no manjaka, nefa tsy mba fantatrao akory izany.

19 Ary efa nanao fety be namonoana omby sy biby matavy ary ondry maro izy ka nanasa ny zanakalahinao rehetra sy i Abiatara mpisorona ary i Joaba filohan'ny tafika, fa i Salomona mpanomponao ihany no tsy mba nasainy.

20 Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan'i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambaranao ampahibemaso ny anaran'izay hipetraka handimby anao eo amin'ny sezafiandriananao.

21 Raha tsy izany, rehefa modimandry ka tsy eo intsony ianao, ry andriamanjaka, dia hatao toy ny olo-meloka ny tenako sy i Salomona zanako.

22 Raha mbola teo am-piresahana tamin'ny mpanjaka ravehivavy, dia niditra i Natana mpaminany.

23 Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ao i Natana mpaminany. Dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka i Natana ka niankohoka hatreo amin'ny tany ho fanajana azy

24 ary niteny hoe: Ry andriamanjaka o, angaha ianao efa nilaza fa i Adonia no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin'ny sezafiandriananao?

25 Fa androany izy dia nidina tao amin'ny vaton'i Zoheleta ka nanao fety be izay namonoana omby sy zanak'omby matavy ary ondry maro. Nasainy tao avokoa ny zanakalahinao rehetra sy ny filohan'ny tafika ary i Abiatara mpisorona. Indreo izy rehetra fa mihinana sy misotro eo anatrehany ka mihorakoraka hoe: Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!.

26 Nefa dia tsy mba nasainy na ny tenako na i Tsadoka mpisorona, na i Benaia zanakalahin'i Joiada, na i Salomona zanakalahinao.

27 Moa ve baiko avy taminao, ry andriamanjaka, no nahatonga izany? Fa izahay mpanomponao ireto tsy mba nampahafantarinao izay handimby anao eo amin'ny sezafiandriananao.

28 Tamin'izay dia niteny i Davida mpanjaka ka nanao hoe: Antsoy hankaty i Baty-Seba. Dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ka nijoro teo anoloany.

29 Ary ny mpanjaka nanao izao fianianana izao taminy: Velona ny TOMPO, Izay nanafaka ahy tamin'ny fahoriana rehetra,

30 koa mianiana aminao aho fa hotanterahiko anio izay efa nampanantenaiko taminao teo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitr'i Israely hoe: I Salomona zanakao no hanjaka handimby ahy ka hipetraka eo amin'ny sezafiandrianako.

31 Dia nandohalika i Baty-Seba ka niankohoka hatreo amin'ny tany ho fanajana ny mpanjaka ary nihiaka hoe: Ho ela velona mandrakizay anie ianao, ry Davida andriamanjaka!

32 Dia nampiantsoin'i Davida i Tsadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia zanakalahin'i Joiada; rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka izy telo lahy ireo,

33 dia nobaikoiny hoe: Vorio ny miaramila mpiambina ahy, dia ampitaingeno ny borikivaviko i Salomona zanako, ka ento midina any Gihona izy.

34 Any no hanosotra azy ho mpanjakan'i Israely i Tsadoka mpisorona sy i Natana mpaminany; ary ianareo sisa kosa hitsoka ny anjomara sady hihiaka hoe: Ho ela velona anie i Salomona mpanjaka!

35 Avy eo ianareo dia hiakatra hanaraka azy ao an-tanana; ary hiditra i Salomona dia hipetraka eo amin'ny sezafiandrianako ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho filohan'i Israely sy i Joda.

36 Dia hoy i Benaia zanakalahin'i Joiada namaly ny mpanjaka: Amen! Izany no tenin'ny TOMPO Andriamanitrao, ry andriamanjaka.

37 Toy ny efa nanomban'ny TOMPO anao anie, ry andriamanjaka, no hanombany koa an'i Salomona; ary hataony be voninahitra noho ny anao anie ny sezafiandrianan'i Salomona!

38 Dia nidina nankany amin'i Salomona i Tsadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia zanakalahin'i Joiada, niaraka tamin'ny Keretita sy ny Peletita mpiambina andriana ka nampitaingina azy ny borikivavin'i Davida, ary nitondra azy nankany Gihona.

39 Dia nalain'i Tsadoka mpisorona ny tandroka misy menaka tao amin'ny Tranolay Fihaonana ka nandrarahany tamin'ny lohan'i Salomona ho fanosorana azy ho mpanjaka. Notsofina tamin'izay ny anjomara, ary ny vahoaka rehetra teo samy nihiaka hoe: Ho ela velona anie i Salomona mpanjaka!

40 Dia niakatra nanaraka azy tao an-tanana ny vahoaka rehetra izay nitsoka sodina sady faly aoka izany, ka dia nila hitresaka ny tany noho ny horakorany.

41 Rehefa tapi-nihinana i Adonia sy ny nasainy rehetra dia samy nahare ny horakoraky ny olona; i Joaba aza dia nandre ny feon'anjomara ka velom-panontaniana hoe: Fa inona izany kotaba be manerana ny tanana izany?

42 Raha mbola niteny toy izany izy, dia indro niditra i Jonatana zanakalahin'i Abiatara mpisorona; ka hoy i Adonia taminy: Mandrosoa fa olom-banona ianao, ka ho vaovao tsara no entinao.

43 Fa niteny i Jonatana ka nanao tamin'i Adonia hoe: Indrisy, tsy izany akory fa izao: I Davida andriamanjaka no efa nanangana an'i Salomona ho mpanjaka handimby azy.

44 Ary i Davida efa naniraka an'i Tsadoka mpisorona sy i Natana mpaminany ary i Benaia zanakalahin'i Joiada mbamin'ny Keretita sy ny Peletita mpiambina mba hiaraka amin'i Salomona; ka ireo no nampitaingina azy ny borikivavin'ny mpanjaka.

45 Ary i Tsadoka mpisorona sy i Natana mpaminany nanosotra azy ho mpanjaka teo Gihona. Avy eo ny olona rehetra dia niakatra tao an-tanana naneho ny hafaliany, ka dia feno horakoraka ny tanana. Izany izao kotaba be renareo izao.

46 Manaraka izany koa dia efa tafapetraka amin'ny sezafiandrianana maha mpanjaka i Salomona;

47 ary tonga niarahaba an'i Davida andriamanjaka ireo minisitra ka nanao hoe: Hataon'ilay Andriamanitrao ho tsara laza kokoa noho ianao anie i Salomona, ary hataony ho be voninahitra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany. Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka,

48 ka niteny hoe: Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr'i Israely, fa nanome izay ho mpandimby ahy eo amin'ny sezafiandrianako androany; ary mbola mihiratra ny masoko no mitranga izany.

49 Raiki-tahotra avokoa ireo olona nasain'i Adonia ka nitsangana ary samy nandositra tamin'izay azony nitsoahana.

50 Natahotra an'i Salomona koa i Adonia, dia nitsangana ka lasa namikitra tamin'ny tandroky ny alitara.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0614