1 Mpanjaka
Toko faha-7
1 Nanorina lapa ho azy koa i Salomona; 13 taona no nilainy namitana ny asa rehetra.2 Naorina aloha ilay trano nantsoina hoe Ny Alan'i Libano, izay nirefy dimampolo metatra ny lavany, 25 metatra ny sakany ary 15 metatra ny haavony. Io trano io dia naorina tambonin'ny andry efatra miandalana vita tamin'ny vatan-kazo sedera notaingenana rairainy sedera.
3 Ny valin-tafo, izay hazo sedera koa, dia mipetraka eo ambony rairainy 45, izany hoe andalana telo misy rairainy 15 avy.
4 Isaky ny lafin-trano dia nisy andalam-baravarankely telo nifanandrify intelo miantoana.
5 Ny varavarana rehetra mbamin'ny tolany dia mahitsizoro avokoa, ary dia nifanandrify ihany koa ireo.
6 Dia natao koa ny Efitra maro andry izay mirefy 25 metatra ny lavany ary 15 metatra ny sakany. Izany no natao lalantsara fidirana niaraka tamin'ny andry sy ny tatao fialofana izay teo anoloan'ny Ny Alan'i Libano.
7 Natao koa ny Efitry ny sezafiandrianana, izay nantsoina koa hoe Efitra Fitsarana; teo no namoahan'i Salomona ny didim-pitsarany; ary norakofana hazo sedera hatreo ambany ka hatrany ambony izany.
8 Ny trano izay nitoeran'i Salomona dia tany amin'ny kianja hafa anatiny kokoa noho ny Efitra Fitsarana, nefa dia nitovy rafitra tamin'ny trano Alan'i Libano ihany. Farany, ny trano ho an'ny zanakavavin'ny Farao, izay nampakarin'i Salomona ho vady, dia natao tahaka ny nanaovana ny lalantsaran'ny Ny Alan'i Libano.
9 Ireo trano rehetra ireo dia natao tamin'ny vato voafantina tsara avokoa izay nanana ny refin'ny vato voapaika; sady voatsofa ny lafiny hita maso amin'ny tavan-drindrina atiny sy ivelany. Hatreo am-poto-trano ka hatrany an-tampony no nampiasana ireo vato ireo ary koa hatramin'ny tamboho ivelany manodidina ny kianja lehibe.
10 Ny fototra rahateo dia natao tamin'ny vato tsara sady be velarana izay mirefy efatra sy dimy metatra ny halavany;
11 teo ambonin'izany no nametrahana ny vato voapaika sy ny vatan-kazo sedera.
12 Ary manodidina ny kianja lehibe dia nisy tamboho natao vato voapaika telo andalana mifanongoa sy rairainy sedera iray andalana, tahaka ny tamin'ny kianja anatin'ny tranon'ny TOMPO sy tamin'ny lalantsara fidirana mankao.
13 Tany Tiro dia nisy lehilahy nantsoina hoe Hirama izay mpiasa havanana momba ny halimo. Lehilahy tirianina ny rainy ary vehivavy mpitondratena avy amin'ny fokon'i Naftaly ny reniny. Io Hirama io dia tena kinga sy mahira-tsaina ary mahay tsara ny fanaovana ny asa isan-karazany momba ny halimo. Izany no nampiantsoan'i Salomona mpanjaka azy avy any Tiro mba hanao ny asa rehetra ilany azy.
15 Nanao andry halimo roa i Hirama, ka sivy metatra ny haavony ary enina metatra ny manodidina azy.
16 Dia nanao koronosy roa koa izy hapetraka eo an-tampon'ny andry, ary izany dia halimo narendrika mirefy roa metatra sy sasany avy ny haavony.
17 Dia mbola nohaingoiny sarina harato sy karazana mason-drojo ny koronosy teo an-tampon'ny andry tsirairay, ka nisy fito isaky ny koronosy ireo.
18 Nohaingoiny sarin'ampongabendanitra nisy andalana roa koa teo amin'ny harato mandrakotra ny koronosy.
19 Ary teo an-tampon'ny andry tsirairay dia nisy koronosy faharoa mirefy roa metatra ny haavony sady miendrika voninkazo lisy.
20 Teo ambonin'ireo koronosy ireo dia nisy faritra mivohitra izay any an-koatry ny harato sy ny ampongabendanitra roanjato mitandahatra manodidina ny koronosy tsirairay.
21 Dia natsangana teo anoloan'ny lalantsara mankao amin'ny Toeramasina ireo andry roa; ka ny anaran'ilay teo ankavanana dia Jakina, izany hoe Andriamanitra mampiorina mafy, ary ny anaran'ilay teo ankavia dia Bohaza, izany hoe Ao amin'Andriamanitra ny hery.
22 Toy izany no nahavitan'i Hirama ny fanaovana ny andry.
23 Dia nanao ilay fitobian-drano goavana boribory i Hirama; halimo voaempo no nanefeny azy, ka nirefy dimy metatra ny savaivony, roa metatra sy sasany ny haavony ary 15 metatra ny morony manodidina azy.
24 Tambanin'ny molotr'ilay fitobian-drano goavana, tamin'ny manodidina azy manontolo, dia nisy sarim-boatango folo isaky ny antsasa-metatra; roa andalana nifanongoa ireo ary niara-narendrika tamin'ilay fitobian-drano.
25 Tambony sarin'ombilahy halimo 12 no nametrahana ilay fitobian-drano; ka ny telo nitodika nianavaratra, ny telo nitodika niankandrefana, ny telo nitodika nianatsimo ary ny telo nitodika niantsinanana. Eny, ilay fitobian-drano goavana dia teo ambonin'ireo sarin'ombilahy izay nifampiamboho ireo.
26 Ny hateviny dia valo santimetatra, ary ny molony dia natao tahaka ny molo-tsangambava ka miendrika felana lisy. Niaty 90 000 litatra eo ho eo izany fitobian-drano goavana izany.
27 Dia nanao kalesy halimo folo i Hirama; efamira avy izy ireo ka nirefy roa metatra ny lafiny ary iray metatra sy sasany ny haavony.
28 Toy izao no nanaovana ireo kalesy ireo: takelaka halimo matevina ny tanja-drafitra; takelaka halimo kosa no napetaka tanelanelan'ny tanja-drafitra,
29 sady noravahana sarina liona sy ombilahy ary kerobima; dia voaravaka tahaka izany koa ny tanja-drafitra ambony, ary teo ambanin'ny sarina liona sy ombilahy dia nisy karazana fesitaonina mihantona.
30 Ny kalesy tsirairay dia nanana kodiarana efatra halimo izay samy nihodina tamin'ny lahin-tangerina halimo. Ireo lahin-tangerina ireo kosa dia naraikitra tamina karazana faladiany teo amin'ny zoro efatra. Ireo faladia ireo dia voarendrika niaraka amin'ny tanja-drafitra, kanefa tsy nihoatra ny fesitaonina.
31 Tamin'ny faritra ambonin'ny kalesy dia nisy vavany boribory mitovona dimampolo santimetatra izay natao handraisana kovetabe; io vavany io dia mirefy 75 santimetatra ny savaivony. Ny faritra mihoatra ny tanja-drafitra dia efamira fa tsy boribory, ary voaravaka sary sokitra amin'ny takelaka halimo.
32 Ny kodiarana efatra dia tao ambanin'ny tanja-drafitra; ary ny lahin-tangerina dia niraikitra tamin'ny tanjan-kalesy. Nirefy 75 santimetatra ny savaivon'ny kodiarana;
33 tahaka ny kodiaran-kalesy ihany no nanaovana azy: na ny atikodiarana na ny sisiny na ny tanany na ny foibeny dia samy halimo voarendrika avokoa.
34 Ireo faladia efatra, teo amin'ny zoro efatry ny kalesy, dia nitambatra tamin'ny kalesy.
35 Ny tampon'ny kalesy tsirairay dia voaravaka fehy boribory nirefy 25 santimetatra ny sakany ary nanodidina ny molony. Teo amin'izany tampony izany koa dia nisy fihazonana izay nitambatra tamin'ny tanja-drafitry ny kalesy.
36 Teo amin'io faritra marin-tampona io, ny toerana tsy mbola voaravaka fihazonana dia nosokirina sarina kerobima sy liona ary hazo rofia; ary nasiana fesitaonina ny manodidina.
37 Tahaka izany no nanaovana ny kalesy folo; samy metaly iray ihany, samy mitovy refy ary samy mitovy endrika.
38 Ary nanao kovetabe halimo folo fasian-drano i Hirama, dia kovetabe hapetraka eo amin'ny kalesy folo. Ny kovetabe tsirairay dia nirefy roa metatra ny haavony ary niaty 1600 litatra eo ho eo.
39 Nametraka kalesy dimy teo amin'ny ila ankavanan'ny tempoly izy, ary dimy hafa teo amin'ny ila ankavia. Ny fitobian-drano goavana dia napetrany teo amin'ny ila ankavanan'ny tempoly, akaikin'ny zoro atsimo atsinanana.
40 Rehefa vitan'i Hirama ny kovetabe sy ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana, dia efany avokoa izay tokony ho nataony ho an'i Salomona mpanjaka tao amin'ny tranon'ny TOMPO, dia ireto avy:
41 ny andry anankiroa sy ny koronosy boribory roa teo an-tampony; ny karazana harato roa nafono ny koronosy boribory teo an-tampon'ny andry;
42 ny sarin'ampongabendanitra efajato nahantona tamin'ny harato, ka nisy roa andalana isaky ny harato nafono ny koronosy;
43 ny kalesy folo sy ny kovetabe fametraka eo amboniny;
44 ny fitobian-drano goavana mbamin'ny sarin'ombilahy 12 teo ambaniny;
45 ny vilany fasian-davenona mbamin'ny lapelina ary ny tsatokaty famafazana. Ireo kojakoja rehetra, izay nataon'i Hirama araka ny baikon'i Salomona mpanjaka mba ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia vita tamin'ny halimo mamiratra avokoa.
46 Tao amin'ny lohasahan'i Jordana tanelanelan'i Sokota sy i Tsaretana no nasain'ny mpanjaka narendrika tao anaty tanimanga ireny.
47 Dia napetrak'i Salomona tao an-tranon'ny Tompo ireo kojakoja ireo, nefa marobe loatra ka tsy nolanjainy hahitany izay lanjan'ny halimo nampiasaina.
48 Nampanaovin'i Salomona koa ny kojakoja volamena rehetra izay nilaina tao amin'ny tranon'ny TOMPO: dia ny alitara volamena; ny latabatra fametrahana ny mofo aterina ho an'Andriamanitra;
49 ny fitoeran-jiro folo napetraka teo anoloan'ny efitra masina indrindra, ka ny dimy teo ankavanana ary ny dimy teo ankavia, dia samy volamena madio avy; ny sary felam-boninkazo sy ny lelan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena avy;
50 ny koveta, ny antsy, ny tsatokaty famafazana, ny kaopy, ny sotro ary ny fitaovam-panembohana dia samy volamena madio avy; ny savilim-baravaran'ny efitra atao hoe Toeramasina Indrindra sy ny savilim-baravaran'ilay efitrano malalaka dia samy volamena avokoa.
51 Rehefa vita ny asa rehetra nataon'i Salomona ho an'ny tranon'ny TOMPO, dia nasainy nentina ny zavatra efa natokan'i Davida rainy ho an'Andriamanitra, dia ny volafotsy sy volamena ary ny kojakoja samihafa ka napetrany tao amin'ny efitrano fitahirizan-drakitry ny tranon'ny TOMPO.