1 Mpanjaka
Toko faha-12
1 Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan'ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.2 Raha nandre izany i Jerobohama zanakalahin'i Nebata, dia mbola tany Ejipta toerana nandosirany an'i Salomona mpanjaka izy;
3 koa nisy olona nirahina haka azy; ary tonga izy sy ny vondron'ny Israelita tavaratra rehetra, ka niteny tamin'i Rehabohama hoe:
4 Irainao dia nampitondra zioga mavesatra anay. Fa ankehitriny kosa, raha mba hamaivaninao ny fanompoana mafy tamin-drainao sy ny zioga mavesatra nampiantsorohany anay, dia hanompo anao izahay.
5 Dia hoy ny navalin'i Rehabohama azy: Mandehana aloha fa mbola hieritreritra aho; ka raha afaka telo andro, dia miverena aty amiko indray ianareo. Dia lasa nody ny olona.
6 I Rehabohama kosa naka hevitra tamin'ny loholona izay mpandraharahan'i Salomona rainy fony fahavelony ka nanontany azy hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaliko an'ireo vahoaka ireo?
7 Dia hoy ny loholona tamin'i Rehabohama: Raha izao ianao no vonon-kanompo azy ka manao teny mamy aminy, dia ho mpanomponao hatrany izy.
8 Kanjo tsy noraharahain'i Rehabohama ny torohevitra nomen'ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona taminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,
9 ka nanontaniany hoe: Ahoana kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy.
10 Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin'i Rehabohama: Niangavian'ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.
11 Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.
12 Tamin'ny andro fahatelo dia nankany amin'i Rehabohama i Jerobohama sy ny vahoaka israelita tavaratra rehetra, araka ny tenin'ny mpanjaka hoe: Miverena aty amiko indray ianareo amin'ny andro fahatelo.
13 Teny mahery no navalin'ny mpanjaka ireo vahoaka fa tsy noraharahainy akory ny torohevitry ny loholona;
14 ary araka ny torohevitr'ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.
15 Koa tsy nankato ny fitakian'ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany mba hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany avy any Silao tamin'i Jerobohama zanakalahin'i Nebata.
16 Rehefa tsapan'ny Israelita tavaratra rehetra fa tsy nankatoavin'ny mpanjaka ny fitakiany, dia hoy ny navalin'ireo hoe: Tsy manana anjara amin'i Davida isika na manana anjara lova amin'ny zanakalahin'i Jisay. Samia mody any an-tranony avy isika, ry Israelita tavaratra; ary ianao kosa, ry zafikelin'i Davida, karakarao ny fanjakanao! Dia samy nody ho any an-tranony avy ny Israelita tavaratra rehetra.
17 Fa ny Israelita nonina tamin'ny tananan'i Joda ihany no nanjakan'i Rehabohama.
18 Ary naniraka an'i Adorama mpiandraikitra ny asa anterivozona i Rehabohama mpanjaka; nefa nitora-bato an'i Adorama ny Israelita tavaratra rehetra ka nahafaty azy. Zara raha afa-nitaingina ny kalesiny haingana i Rehabohama mba handositra any Jerosalema.
19 Toy izany no nikomian'i Israely avaratra tamin'ny taranak'i Davida mandraka androany.
20 Rehefa ren'ny Israelita tavaratra rehetra fa tafaverina indray i Jerobohama, dia nampiantsoina hankao amin'ny fivoriana izy ka nampanjakainy tamin'i Israely avaratra manontolo; ary dia tsy nisy nanaraka ny taranak'i Davida intsony afa-tsy ny fokon'i Joda ihany.
21 Vao tonga tany Jerosalema i Rehabohama, dia namory miaramila voafantina miisa vondrona 180 tamin'ny fokon'i Joda sy i Benjamina mba hiady amin'i Israely avaratra ka hamerina azy indray io fanjakana io ho an'ny tenany, izay zanakalahin'i Salomona.
22 Kanjo nisy tenin'Andriamanitra tamin'i Semahia olon'Andriamanitra, dia teny nanao hoe:
23 Ambarao amin'i Rehabohama, zanakalahin'i Salomona sady mpanjakan'i Joda, ary koa amin'ny taranak'i Joda sy i Benjamina rehetra ary amin'ny vahoaka sisa,
24 fa izao no lazain'ny TOMPO: Aza mandeha hiady amin'ny Israelita tavaratra mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao. Dia nankatoavin'ny olona izany tenin'ny TOMPO izany, ka samy lasa nody tokoa izy araka ny tenin'ny TOMPO.
25 Ary nampamboarin'i Jerobohama ho tananamimanda i Sekema any amin'ny faritra be tendrombohitr'i Efraima ka nonenany. Rehefa niala tao Sekema izy, dia nampamboatra an'i Penoela ho tananamimanda koa.
26 Hoy i Jerobohama anakampo hoe: Raha izao no fandehan-javatra, dia mety hiverina amin'ny taranak'i Davida indray ny fanjakana.
27 Fa raha mbola miakatra hanao sorona ao an-tranon'ny TOMPO any Jerosalema ny vahoaka, dia hitodika amin'i Rehabohama mpanjakan'i Joda tompony indray ny fony; ka hamono ahy ho faty izy ary hiverina any amin'i Rehabohama.
28 Dia nitady hevitra i Jerobohama mpanjaka ka nanao ombilahikely volamena roa, ary nilaza tamin'ny vahoaka hoe: Efa be izay niakaranareo matetika tany Jerosalema izay, ry Israely o, koa indreo ny andriamanitrareo izay nitondra anareo niala tany Ejipta.
29 Ny sarivongana volamena iray dia napetrany tao Betela ary ny iray kosa tao Dana.
30 Nanosika ny olona hanota izany, fa maro ireo no tonga nanaraka ny iray tamin'ny sarivongana hatrany Dana.
31 Nanorina trano teny amin'ny toeram-panasinana i Jerobohama sady nanendry mpisorona hafa tamin'ny sarambabem-bahoaka, izay tsy anisan'ny taranak'i Levy akory.
32 Nanendry andro fety koa izy, dia ny andro faha-15 amin'ny volana fahavalo izay mitovitovy amin'ny fety any Joda ihany, ary dia nanatitra sorona teo ambony alitara koa. Toy izany no nataony tany Betela, fa nanao sorona ho an'ireo ombilahikely namboariny izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona izay notendreny ho an'ireny toeram-panasinana ireny.
33 Tamin'ny andro faha-15 amin'ny volana fahavalo dia nanatitra sorona teo amin'ny alitara izay naoriny tao Betela i Jerobohama. Izy ihany no tompon-tsafidy ny amin'io datin'andro io. Ary nataony andro fety ho an'ny Israelita tavaratra izany ka niakatra teo amin'ny alitara mihitsy i Jerobohama mba handoro ny sorona hanetona.