Matio
Toko 1 Fitanisana ny razan'i Jesoa Kristy, taranak'i Davida, dia i Davida taranak'i Abrahama.
Toko 2 Rehefa teraka tao Betlehema tananan'i Jodea i Jesoa tamin'ny andron'i Heroda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
Toko 3 Tamin'izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr'i Jodea i Johany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
Toko 4 Ary dia notarihin'ny Fanahin'Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain'ny devoly fanahy.
Toko 5 Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany.
Toko 6 Tandremo ny manao adidy ara-pivavahana eo imason'ny olona mba ho hitany, sao ianareo tsy mahazo valisoa avy amin'ny Rainareo Izay any an-danitra.
Toko 7 Aza mitsara olona, dia tsy hotsarain'Andriamanitra ianareo;
Toko 8 Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro.
Toko 9 Dia niondrana an-tsambokely i Jesoa ary niampita indray ka tonga tao an-tananany.
Toko 10 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.
Toko 11 Nony vitan'i Jesoa ny hafatrafatra ho an'ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin'ny tananan-dry zareo Jiosy.
Toko 12 Taoriana kelin'izany, dia nandeha namaky tanimbary tamin'ny andro sabata ry i Jesoa. Noana ireto mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana.
Toko 13 Tamin'izany andro izany i Jesoa dia niala tao an-trano ary lasa nipetraka teo amoron'ny farihin'i Galilea mba hampianatra.
Toko 14 Tamin'izany andro izany, dia ren'i Heroda mpanjaka ny lazan'i Jesoa,
Toko 15 Tamin'izay dia nisy Farisianina sy mpahay lalana avy tany Jerosalema, nanatona an'i Jesoa ary nanontany Azy hoe:
Toko 16 Dia nohatonin'ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin'Andriamanitra ny fahefany.
Toko 17 Enina andro taorian'izay, dia nalain'i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakoba sy i Johany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.
Toko 18 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatra ka nanontany Azy hoe; Iza moa no lehibe indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra?
Toko 19 Rehefa nahavita izany anatranatra izany i Jesoa, dia niala tao Galilea ary nankany amin'ny faritra antsisin'i Jodea, eny andafin'ny ony Jordana.
Toko 20 Fa ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny amin'ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
Toko 21 Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanana Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:
Toko 22 Dia nampiasa fanoharana tamin-dry zareo indray i Jesoa ka niteny hoe:
Toko 23 Tamin'izay dia niteny tamin'ny vahoaka sy ny mpianany i Jesoa
Toko 24 Dia niala teo an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka lasa nandeha; fa nanatona Azy kosa ny mpianany hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
Toko 25 Amin'izay ny Fanjakan'ny lanitra dia ho tahaka ny amin'ny tovovavy folo izay nitondra ny fanalany ka lasa hitsena ny mpampakatra.
Toko 26 Rehefa vitan'i Jesoa avokoa ireo fampianarana ireo, dia izao no teniny tamin'ny mpianany:
Toko 27 Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon'ny vahoaka jiosy hamelezana an'i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.
Toko 28 Taorian'ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdala sy i Maria anankiray hafa.