Matio

Toko faha-21

1 Ary nanakaiky an'i Jerosalema i Jesoa mbamin'ny mpianany sy ny vahoaka tafaraka taminy, ka tonga teo anilan'ny tanana Betifage, eo amin'ny tendrombohitra atao hoe Analanoliva. Dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe:

2 Mankanesa amin'itsy tanana manoloana anareo itsy. Vantany vao migadona ao ianareo, dia hahita boriky vavy mifatotra sy ny zanany miaraka aminy: vahao ilay boriky vavy dia ento aty amiko omban-janany.

3 Ary raha misy olona manontany anareo, dia valio hoe: Misy ilan'ny Tompo azy! Dia havelany hoentinareo miaraka amin'izay ny boriky vavy sy ny zanany.

4 Izany dia tonga mba ho tanteraka ilay voalazan'ny Tompo tamin'ny alalan'ny mpaminany hoe:

5 Izao lazaina amin'ny mponina ao Tsiona: Indro ny mpanjakanareo fa tonga eo aminareo, feno halemem-panahy sady mitaingina boriky vavy dia boriky vavy omban-janany, zanaky ny mitondra zioga.

6 Dia nandeha ireto mpianatra ka nanao araka ny nandidian'i Jesoa azy.

7 Nentin'izy roa lahy ny boriky vavy omban-janany; ary ny mpianatra rehetra dia samy nametraka ny lambany teo ambonin'ny boriky vavy omban-janany, ka tambony lamba i Jesoa no nitaingina.

8 Be tokoa ny vahoaka namelatra ny lambany teny amin'ny lalan'i Jesoa; ny sasany kosa rantsan-kazo tinapaka no naparitany teny amin'ny lalan'i Jesoa.

9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia samy niantsoantso hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida! Hombam-pitahiana amin'ny anaran'ny Tompo anie Ilay avy! Dera anie ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra!

10 Ary nony efa tafiditra tao Jerosalema i Jesoa, dia nihotakotaka avokoa ny iray tanana ka nanontany hoe: Iza moa io lehilahy io?

11 Dia novalian'ny vahoaka hoe: Io no Jesoa mpaminany, Izay avy any Nazareta tananan'i Galilea!

12 Dia namantana tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr'ireo mpanakalo vola sy ny sezan'ireo mpivaro-boromahailala nazerany;

13 ary hoy i Jesoa tamin'ireo olona ireo: Izao no voalazan'ny Soratra Masina: Ny tranoko dia hantsoina hoe trano fivavahana. Nefa he ity izy ataonareo zohy fieren'ny mpangalatra!

14 Ary nisy jamba sy mandringa nanatona an'i Jesoa tao an-kianjan'ny tempoly ka dia nositraniny.

15 Fa tezitra mafy kosa ireo lohandoha-mpisorona sy ireo mpahay lalana nony nahita ny zava-mahagaga nataony sy nahita ny ankizy madinika niantsoantso tao an-kianjan'ny tempoly hoe: Dera anie ho an'ny Zanak'i Davida!

16 Ka hoy ry zareo tamin'i Jesoa: Renao ve izay lazain'ireo? Dia novaliany hoe: Eny, reko tokoa! Sady tsy mbola novakinareo ve ny andinin'ny Soratra Masina hoe: Ny vavan'ny ankizy madinika aman-jaza minono avy no nataonao hahazoan-dera?

17 Dia nilaozan'i Jesoa ry zareo; ary niala tao an-tanana Izy hankany Betania, ka nandry tany.

18 Dia niverina maraina ho any an-tanana i Jesoa ary nahatsiaro noana.

19 Nahatazana aviavy anankiray teo amoron-dalana Izy, dia lasa nankeo; kanjo tsy nahita na inona na inona teo aminy afa-tsy raviny fotsiny. Dia hoy i Jesoa tamin'ilay aviavy: Tsy hamoa intsony ianao na oviana na oviana! Ary vetivety foana dia maina ilay aviavy.

20 Gaga ny mpianatra nahita izany ka vaky vava hoe: Ahoana re no nahamaina vetivety io aviavy io?

21 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: Miala eo ary mianjera any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

22 Raha mino ianareo, na inona na inona hangatahinareo amin'ny fivavahana dia ho azonareo avokoa.

23 Nony tafiditra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia nampianatra. Ary nanatona Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon'ny vahoaka jiosy ka nanontany Azy hoe: Fahefana ahoana moa no anaovanao an'izao? Ary iza no nanome anao izany fahefana izany?

24 Dia novalian'i Jesoa hoe: Izaho koa mba hanontany anareo zavatra anankiray monja; ka raha omenareo valiny Aho, dia holazaiko anareo koa ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

25 Iza no naniraka an'i Johany hanao batisa, Andriamanitra sa olombelona? Dia velona ady hevitra ry zareo ka nifampiresaka hoe: Raha lazaintsika hoe: Andriamanitra no naniraka azy, dia isika no hataony hoe: Koa nahoana no tsy ninoanareo i Johany?

26 Raha lazaintsika hoe: Olombelona no naniraka azy, dia ny vahoaka no atahorantsika satria nankatoavin'izy rehetra ho mpaminanin'Andriamanitra i Johany.

27 Koa dia izao no navalin-dry zareo an'i Jesoa: Tsy hitanay izay holazaina! Ary hoy i Jesoa taminy: Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an'izao zavatra izao.

28 Dia hoy indray i Jesoa tamin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholona hoe: Ahoana kosa ny hevitrareo ny amin'ity? Nisy lehilahy nanan-janaka roa lahy. Dia nankeo amin'ny voalohany izy ka niteny taminy hoe: Ndeha, anaka, miasa any amin'ny tanimboaloboko anio!

29 Ary hoy ny navaliny: Izao dia izao ihany aho dia handeha, tompoko; kanjo tsy nandeha ilay io.

30 Dia nankeo amin'ny faharoa izy ka niteny taminy toy izany koa. Ary hoy ny navaliny: Tsy handeha aho; kanjo nanenina izy taorian'izany ka nandeha ihany.

31 Iza moa amin'izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy? Dia hoy ireo: Ilay faharoa! Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe: Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

32 Eny, tonga teo aminareo i Johany Mpanao batisa, ary naneho taminareo ny lala-marina voasoritr'Andriamanitra, saingy tsy nino an'i Johany ianareo, fa ireo mpamory hetra sy vehivavy mpivarotena no nino azy; ary ianareo kosa, na dia efa nahita azy ireny aza, dia mbola tsy nanenina ihany taorian'izany mba hinoanareo an'i Johany.

33 Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.

34 Nony tonga ny fotoam-pahavokarana, dia nirahiny ho any amin'ireo mpamboly ny mpiasany handray ny vokatra.

35 Fa nosamborin'ireo mpamboly ny mpiasany ka ny anankiray nokapohiny, ny anankiray novonoiny ary ny anankiray notorahany vato.

36 Dia mpiasa hafa, maro noho ny teo indray, no nirahiny; kanefa nataon'ireo mpamboly toy izany koa.

37 Tamin'ny farany dia ny zanany no nirahiny ho any amin'ireo mpamboly, fa hoy ilay tompon'ny tanimboaloboka: Hananan'ireo hena-maso ny zanako!

38 Vao nahita ity zanany kosa ireo mpamboly, dia nifampiresaka hoe: Ny mpandova ity, ka ndeha hovonoina dia ho lasantsika ny lovany.

39 Dia nosamborin'ireo mpamboly izy ka natosiny tany ivelan'ny tanimboaloboka ary novonoiny.

40 Dia hoy i Jesoa nanontany hoe: Raha tonga ary ilay tompon'ny tanimboaloboka, inona moa no hataony amin'ireo mpamboly ireo?

41 Dia hoy ry zareo taminy: Ireo olona tsy manana antra ireo dia haringany tsy hananany antra ary ny tanimboaloboka dia hahofany amina mpamboly hafa izay hanome azy ny vokatra isaky ny fotoam-pahavokarana.

42 Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina: Tsy novakinareo angaha ny Soratra Masina manao hoe: Ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; avy amin'ny Tompo izao, ary dia zava-mahagaga eto ambany masontsika!

43 Noho izany, dia lazaiko aminareo fa hoesorina aminareo ny Fanjakan'Andriamanitra, ka homena izay firenena hampahavokatra azy. [

44 Izay mianjera amin'izany vato izany dia ho torotoro; ary izay ianjerany kosa ho montsamontsana.]

45 Nony nandre ireo fanoharana nataon'i Jesoa ireo ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nahatsiaro tena ho lazainy amin'izany.

46 Ary nitady hisambotra Azy ry zareo, saingy natahotra ny vahoaka izay nankato an'i Jesoa ho mpaminanin'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558