Matio

Toko faha-5

1 Nony nahita ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nohatonin'ny mpianany.

2 Dia niteny i Jesoa ka nampianatra azy rehetra hoe:

3 Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra!

4 Sambatra izay mitomany, fa izy no hampiononin'Andriamanitra!

5 Sambatra izay malemy fanahy, fa izy no handova ny tany nampanantenain'Andriamanitra!

6 Sambatra izay maniry mafy hanao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa izy no homen'Andriamanitra fahafaham-po!

7 Sambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindran'Andriamanitra fo!

8 Sambatra izay mahitsy fo, fa izy no hahita an'Andriamanitra!

9 Sambatra izay mpampihavana, fa izy no hantsoin'Andriamanitra hoe zanany!

10 Sambatra izay enjehina noho izy manao ny marina nosoritan'Andriamanitra, fa azy ny Fanjakan'ny lanitra!

11 Sambatra ianareo raha tevatevain'ny olona sy enjehiny ary ampangaina lainga amin'ny ratsy isan-karazany noho ny maha mpianatro anareo.

12 Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin'Andriamanitra talohanareo!

13 Ianareo no sira hanasoa ny tany; fa raha ny sira no tonga matsatso, hatao ahoana indray no fanome hasina azy? Tsy misy antony intsony izy fa dia ariam-potsiny any ivelany hohitsakitsahin'ny olona.

14 Ianareo no fahazavana ho an'izao tontolo izao; tsy azo afenina ny tanana miorina eo an-tampon-tendrombohitra.

15 Ary tsy misy mampirehitra jiro ka hametraka azy ao ambany vata famarana; fa eo ambony fitoeran-jiro no apetrany mba hanazava izay rehetra ao an-trano.

16 Aoka hamiratra eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo Izay any an-danitra.

17 Aza heverinareo fa hanafoana ny lalanan'i Mosesy mbamin'ny fampianaran'ny mpaminany no nahatongavako. Tsy hanafoana no nahatongavako fa handavorary.

18 Eny, lazaiko marina aminareo fa mandra-pahalevon'ny tany amana habakabaka dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalana, na dia ny zavatra antsipiriany sy zavatra faran'izay madinika indrindra aza, fa ho tanteraka avokoa.

19 Koa na iza na iza handika ny anankiray amin'ny didy madinika indrindra sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia ho kely indrindra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra; fa na iza na iza hanatanteraka ny didy sy hampianatra ny olona hanao toy izany, dia izy no ho lehibe ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra!

20 Eny, lazaiko aminareo fa raha toa tsy tsara kokoa noho ny an'ny mpahay lalana sy ny Farisianina no anaovanareo ny marina voasoritr'Andriamanitra, dia tsy hiditra any amin'ny Fanjakan'ny lanitra ianareo.

21 Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mamono olona; ary izay mamono olona dia mendrika hatolotra ny fitsarana!

22 Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin'ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanana; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin'ny lohasahan'afo.

23 Koa raha manolotra ny fanatitrao amin'Andriamanitra eo amin'ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa manana alahelo aminao ny namanao iray finoana,

24 dia avelao eo anoloan'ny alitara ny fanatitrao, ka mandehana aloha mihavana amin'ilay namanao; izay vao miverina manolotra ny fanatitrao.

25 Mihavana faingana amin'izay manana ady aminao dieny samy mbola eny an-dalana ho any amin'ny fitsarana ianareo; fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin'ny mpitsara; ny mpitsara kosa hanolotra anao amin'ny miaramila, ka hatao am-ponja ianao.

26 Lazaiko marina aminao fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao ambara-panefanao ny iraimbilanja farany.

27 Efa renareo fa voalaza hoe: Aza maka vadin'olona!

28 Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy mijery vehivavy vadin'olona ka mitsiriritra azy dia efa naka azy sahady tao am-pony.

29 Koa raha mitarika anao amin'ny ratsy ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no arian'Andriamanitra any amin'ny lohasahan'afo.

30 Ary raha mitarika anao amin'ny ratsy ny tananao ankavanana, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan'ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no halefa any amin'ny lohasahan'afo.

31 Efa voalaza koa hoe: Izay lehilahy manary ny vadiny dia aoka hanome taratasy fisarahana!

32 Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy manary ny vadiny, afa-tsy noho ny fifandraisana mamoafady, dia mandrisika azy hanitsakitsa-bady; ary izay lehilahy hampakatra vehivavy nariana dia maka vadin'olona.

33 Efa renareo koa fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe: Aza mivadika amin'ny teny napetrakao tamin'ny Tompo fa tanteraho ny teny napetrakao!

34 Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mianiana mihitsy! Aza mianiana: na amin'ny lanitra, satria sezafiandrianan'Andriamanitra izany;

35 na amin'ny tany, satria fitoeran-tongotr'Andriamanitra izany; na amin'i Jerosalema, satria tananan'ny mpanjaka lehibe izany;

36 na amin'ny lohanao, satria tsy hainao ny mahafotsy na mahamainty singam-bolo iray akory.

37 Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin'ilay Ratsy.

38 Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify!

39 Izaho kosa milaza aminareo hoe: aza mamaly ratsy izay manisy ratsy anao; fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny ilany!

40 Raha misy mila ady aminao any amin'ny fitsarana mba hahazoany ny akanjonao, avelao ho azy koa ny lambanao.

41 Raha misy manery anao hitondra entana mandritra ny lalana iray kilaometatra, miaraha aminy mandritra ny lalana roa kilaometatra.

42 Omeo izay mangataka aminao ary aza andosirana izay te hisambotra aminao.

43 Efa renareo fa voalaza hoe: Tiavo ny namanao ary ankahalao ny fahavalonao!

44 Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no valisoa manokana azonareo andrandraina avy amin'Andriamanitra? Na dia ny mpamory hetra aza ve tsy manao toraka izany koa?

47 Ary raha ny namana iray finoana ihany no arahabainareo, inona no tombony amin'ny ataonareo? Na dia ny hafa firenena aza ve tsy manao toraka izany koa?

48 Tanteraka ny Rainareo Izay any an-danitra: noho izany ary, aoka ianareo ho tanteraka tahaka Azy koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0588