Matio

Toko faha-9

1 Dia niondrana an-tsambokely i Jesoa ary niampita indray ka tonga tao an-tananany.

2 Ary indro nisy lehilahy malemy nilamaka am-pandriana, nentin'olona teo aminy. Hitan'i Jesoa ny finoan'ireto olona, ka hoy Izy tamin'ilay malemy: Mahereza, anaka; voavela ny helokao!

3 Tamin'izay ny sasany tamin'ny mpahay lalana dia nanao anakampo hoe: Manevateva an'Andriamanitra ilay io!

4 Fantatr'i Jesoa ny eritreritry ny mpahay lalana ka hoy Izy: Nahoana ianareo no mieritreri-dratsy ao am-ponareo?

5 Fa inona moa no tsotsotra kokoa, ny milaza hoe: Voavela ny helokao, sa ny milaza hoe: Mitsangana ka mandehana?

6 Aoka ho fantatrareo fa ny Zanak'olona eto an-tany dia manam-pahefana hamela heloka! Tamin'izay dia hoy i Jesoa tamin'ilay malemy: Mitsangana, batao ny fandrianao ka ndeha mody!

7 Dia nitsangana ralehilahy ka lasa nody.

8 Natahotra ny vahoaka nony nahita izany ary nanome voninahitra an'Andriamanitra Izay nanolotra fahefana hamela heloka toy izany tamin'ny olona.

9 Raha niala teo i Jesoa, dia nahita lehilahy atao hoe Matio nipetraka teo amin'ny birao famorian-ketra, ka hoy Izy taminy: Avia hiaraka amiko. Dia nitsangana i Matio ka nandeha niaraka taminy.

10 Ary raha nisakafo tao an-tranon'i Matio i Jesoa, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no tonga niara-nihinana tamin'Izy sy ny mpianany.

11 Nahita izany ny Farisianina ka nilaza tamin'ny mpianatr'i Jesoa hoe: Nahoana ny Mpampianatrareo no dia miara-misakafo amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota?

12 Fa hoy i Jesoa raha nandre izany: Tsy ny salama no mila dokotera fa ny marary.

13 Ndeha mba ianaro ny hevitr'ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: Ny hamindranareo fo amin'ny namana no sitrako, hoy Andriamanitra, fa tsy ny hanateranareo sorona. Tsy hiantso ny olo-marina no nahatongavako fa hiantso ny mpanota.

14 Tamin'izay dia nanatona an'i Jesoa ny mpianatr'i Johany Mpanao batisa ka nanontany Azy hoe: Ahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?

15 Dia hoy i Jesoa taminy: Moa azon'ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin'izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.

16 Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin'ny tapa-damba vaovao; fa handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba natampina, ary vao mainka hitatra ny rovitra.

17 Tsy mba siny hoditra tranainy no itahirizana divay vaovao; fa raha izany, dia ho rotika ny siny hoditra; ka ny divay ho raraka, ny siny hoditra hafoy. Fa siny hoditra vaovao no itahirizana divay vaovao, dia miara-maharitra izy roroa.

18 Raha mbola niteny izany tamin'ny mpianatr'i Johany Mpanao batisa i Jesoa, dia indro tonga ity manampahefana jiosy anankiray niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: Maty vao izao ny zanako vavy; ka andeha re hametraka ny tananao aminy dia ho velona izy.

19 Dia nitsangana nandeha nanaraka azy i Jesoa mbamin'ny mpianany.

20 Fa indro nisy vehivavy mitsi-dra efa nandritra ny 12 taona, nanatona an'i Jesoa avy eo ivoho ary nikasika ny somotraviavin-dambany;

21 fa hoy izy anakampony: Na dia ny lambany fotsiny aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.

22 Dia nitodika i Jesoa ka nahita azy ary niteny hoe: Mahereza, anaka; ny finoanao no nahasitrana anao! Ary nanomboka tamin'io ora io dia sitrana ravehivavy.

23 Nony tonga tany an-tranon'ilay manampahefana i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba

24 dia nanao hoe: Miala ianareo! Tsy maty akory razazavavy fa matory! Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa.

25 Nony efa navoaka tany alatrano kosa ny vahoaka, dia niditra i Jesoa ka nandray ny tanan-drazazavavy ary dia niarina izy.

26 Ary niely eran'io faritany io ny lazan'izany.

27 Raha niala teo i Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Ry Zanak'i Davida o, mamindra fo aminay!

28 Ary rehefa niditra tao an-trano i Jesoa, dia nohatonin'ireo jamba; ka hoy i Jesoa taminy: Mino ve ianareo fa haiko atao izany? Dia novalian'izy roa lahy hoe: Eny, Tompoko!

29 Tamin'izay dia nokasihin'i Jesoa ny mason'ireto jamba sady nataony hoe: Aoka ho tonga aminareo araka ny finoanareo.

30 Dia nahiratra ny mason'izy roa lahy, fa i Jesoa namepetra azy mafy hoe: Tandremo sao fantatr'olona izao!

31 Kanjo nony lasa ireo, dia nampiely ny lazan'i Jesoa manerana io faritany io.

32 Nony lasa izy roa lahy ireo, dia indro nentin'olona teo amin'i Jesoa ity lehilahy azon'ny demony mampahamoana.

33 Rehefa voaroakan'i Jesoa ny demony, dia niteny ilay moana; ary gaga ny vahoaka sady vaky vava hoe: Tsy mbola nisy zava-nitranga toy izao teto amin'i Israely!

34 Ny Farisianina kosa niteny hoe: Fahefana avy amin'ny filohan'ny demony ange no androahany ny demony e!

35 Ary nitety tanan-dehibe sy tanana kely rehetra i Jesoa, ka nampianatra tany amin'ny sinagogan-dry zareo sy nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakan'ny lanitra ary nanasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.

36 Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.

37 Dia hoy Izy tamin'ny mpianany: Be ny vokatra, fa ny mpiasa hamory no vitsy.

38 Koa angataho ny Tompom-bokatra mba haniraka mpiasa hamory ny vokany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0607