Matio
Toko faha-10
1 Dia nantsoin'i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina mbamin'ny rofy rehetra.2 Ary izao avy no anaran'ny apostoly 12 lahy: voalohany i Simona izay atao hoe Petera, dia i Andrea rahalahiny, i Jakoba sy i Johany mirahalahy zanak'i Zebedeo,
3 i Filipo, i Bartolomeo, i Toma, i Matio ilay mpamory hetra, i Jakoba zanak'i Halfeo, i Tadeo,
4 i Simona Kananeanina ary i Jodasy Iskariota ilay nanolotra an'i Jesoa.
5 Izy 12 lahy ireo dia nirahin'i Jesoa sady nohafatrafarany hoe: Aza mandeha any amin'ny faritra onenan'ny hafa firenena ary aza miditra amin'ny tananan'ny Samaritanina;
6 fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely.
7 Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: Efa tonga ny Fanjakan'ny lanitra!
8 Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9 Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina;
10 aza mitondra kitapom-batsy ho amin'ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany.
11 Raha misy tanana lehibe na tanana kely idiranareo, dia fotory izay olona mendrika handray anareo; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo ny tanana.
12 Vao miditra ny trano ianareo dia miarahaba hoe: Ho ao aminareo anie ny fiadanana!
13 Koa raha mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy tokoa ny fiadanana rarinareo; fa raha tsy mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana rarinareo.
14 Ary izay trano na tanana tsy handraisan'ny olona anareo na tsy hihainoany teny anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin'ny tongotrareo.
15 Lazaiko marina aminareo fa amin'ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin'i Sodoma sy i Gomora noho ny hihatra amin'izany tanana izany!
16 Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan'ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.
17 Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin'ny mpitsara isan-tanana ianareo sady hokapohiny any amin'ny sinagogany;
18 ary hoentina eo anoloan'ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan'ny Jiosy sy ny hafa firenena.
19 Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo.
20 Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin'ny Fanahy Masina irahin'ilay Rainareo.
21 Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty.
22 Ho halan'ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy.
23 Raha enjehina amin'ny tanana anankiray ianareo, dia mandosira any amin'ny tanana hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanana eto Israely, dia ho avy ny Zanak'olona.
24 Mpianatra tsy mihoatra ny mpampianatra azy; mpanompo tsy mihoatra ny tompony.
25 Ampy ho an'ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an'ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.
26 Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra.
27 Izay lazaiko aminareo ao amin'ny maizina dia ambarao eny amin'ny mazava; ary izay ren'ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano.
28 Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an'Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin'ny lohasahan'afo.
29 Tsy ampaharoapolon'ny denary monja ve no vidin'ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin'ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo.
30 Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr'Andriamanitra ny isany.
31 Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!
32 Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
33 Fa na zovy na zovy manda tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan'ny olona, Izaho koa dia handa tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra.
34 Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady.
35 Eny, tonga Aho hampisaraka ny zanaka lahy amin'ny rainy, sy ny zanaka vavy amin'ny reniny, ary ny vinantovavy amin'ny rafozambaviny;
36 koa ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony.
37 Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
38 Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy miaraka amiko dia tsy mendrika Ahy.
39 Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.
40 Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.
41 Izay mandray mpaminanin'Andriamanitra noho izy mpaminanin'Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin'Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan'olo-marina;
42 ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran'ny kaopy ihany aza, hosotroin'ny anankiray amin'ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.